FET 100 taona : ifampizarao ny hira faneva !
“Mba ho ao aminareo ny fifaliako” (Jn, 15-11)
Na eo aza ny ady sarotra, hafaliana lalandava ny miaraka amin’I Jesoa, sa tsy izany ?
Mivoy ny hafaliana sy ny tsikitsiky vokatry ny fiarahana amin’i Kristy ny hira faneva “Deep in my heart”.
Ny FET any Italia no namorona sy nandrindra.
Namoraina ny fianarantsika azy satria ankoatry ny tonony sy ny feony dia hita ao amin’ny tranonkala ihany koa ny fandrindrana ara-mozika.
Aza misalasala ary, henoy, hianaro, hirao ary hifampizarao ny hira fanevantsika !
Tsidiho ny apmej.net raha haka ny hira faneva ianao.