Efa nahazo Hafatro sy Firaisankina ianao ?
AFAFI,
An-kafaliana no iarahabanay avy aty amin’ny Foibe Nasionaly antsika AFAFI-FET manerana ny Nosy nahatratra izao PAKA 2017 izao. Ny herin’i Kristy tafatsangan-ko velona anie hitondra hafaliana sy fiadanana ho antsika rehetra.
Indro àry atolotra ho antsika ny fanomezana ho an’ny PAKA dia ny GAZETIM-PANABEAZANA.
Firaisankina
Maro ny fifampizaràna ho hitanao ao. Isan’izany ny : Hafatry ny Papa ho an’ny tanora, Hafatry ny Papa ho an’ny Fiantsoan’Andriamanitra, Ny fanabeazana ny safidy, Ny Vaovao Mahafaly nosoratan’i Md Marka,…
Hafatro
Hohitanao amin’ity laharana ity ireto : Miambena ianareo ary mivavaha: Ahoana izany hoe: tia vavaka? Ny Fivavahana, ny toetra tokony hananan’ny Iraka sy ny Vavolombelon’i Kristy, raki-piainana ho an’i Jesoa, Fihaonamben’ny Ankizy Katolika (JNE), Aza mangalatra.
Fanentanana
Tiana no manamarika fa vitsy dia vitsy ny nanao famandrihana tamin’ity taona 2017 ity; koa entanina mihitsy isika mpanabe rehetra sy mpikambana mba hiezaka amin’ny fananana ny gazetim-panabeazana sy hampiasa izany amin’ny Fivoriana, fa indrindra hampiely ny gazetintsika amin’ny olon-drehetra.
Ny Hafatro ho an’ny IK sy VK: 500 Ariary
Firaisankina ho an’ny EKA sy AFAFI ary ny mpanabe: 800 Ariary.