Étiqueté : Fanolorana ny andro
Mba hahita vahaolana hahafahany manohy ny asany ho fanompoana ny mpiara-belona aminy anie ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany izay tena ianjadian’ny fahasahiranana ara-toe-karena sy ara-tsôsialy.
Mba hanampy ny tanora hibanjina ny ho avy amim-panantenana sy amim-pandraisana andraikitra anie ny traikefam-piainana sy ny fahendren’ny zokiolona izay maneho ny fototra niandohana sy mpitahiry ny fomba amam-panaon’ny vahoaka iray.
Mba hiaina ny fitiavana maimaim-poana sy ny fahamasinana eo amin’ny fiainana andavanandro anie ny fianakaviana kristianina maneran-tany
Mba hahita ao amin’i Masina Maria ny fahaiza-mihaino, ny halalin’ny fahaiza-mandanjalanja, ny herim-pinoana ary ny fahafoizan-tena hanampy ny hafa anie ny tanora izay voaantso ho amin’ny hafenoan’ny fiainana Mandritra ity volana mey 2022 ity...
Mba hotohanan’ny fitondram-panjakana sy ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana anie ny firotsahan’ireo mpiasan’ny fahasalamana mikarakara ny marary sy ny zokiolona, indrindra any amin’ireo firenena tena mahantra.
Mba hanome lanja mandrakariva ny fiarovana ny aina amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fandraisana andraikitra eo amin’ny fiaraha-monina anie ny kristianina manoloana ireo fanamby vaovao mitandro ny aina
Mba hahita hatrany ny vahaolana hiatrehana ny fanamby ankehitriny anie ny vehivavy relijiozy sy manokan-tena ka isaorana izy ireo noho ny iraka iantsorohany sy ny herimpo asehony.
Ny fangatahana voalohany ampanaovin’ny Papa Ray Masina ny vita batemy rehetra amin’izao taona vaovao 2022 izao dia natokana indrindra ho amin’ny ady amin’ny fanavakavahana sy ny fanenjehana ara-pivavahana. Ao anatin’ny volana natokana hivavahana ho...
Mba hijoro ho vavolombelona amin-kasahiana sy saina tia karokaroka, entanin’ny herin’ny Fanahy Masina anie ireo katekista voaantso hitory ny tenin’Andriamanitra.
Mba hahita fanohanana sy fahazavana mampisokatra azy amin’ny fiainana anie ireo olona voan’ny raritsaina. Asehon’ny Papa mazava amin’ny fanazavana sy ny fampianarana ataony, ho an’ny fangatahana amin’ny fanolorana ny andro mandritra ity volana ity,...