Mompera Albert, misiônera any Filipinina
Loharano : RRJ- Lakroa.mg, jona 2015
Tamin’ny taona 2011 no nahatongavako taty Filipinina. Katolika no ankamaroan’ny olona aty. Fa ny amin’ny faritra atsimo atao hoe Mindanao no saika silamo avokoa ny mponina ao. Karazana katolisisma hafa kely tsy dia toy ny mahazatra anefa no fahita aty fa somary feno karazana “processions” sy hetsika ary “décoration” aty ivelany.
Aty Filipinina no ahitana an’izao karazana “dévotion” amin’Olomasina isan-karazany izao. Ary dia milahatra tokoa ny olona mba hikasi-tanana sy hanoroka an’ireny sarin’Olomasina sy “relique” ireny. Ambony dia ambony ny fanajan’ny kristianina katolika an’ireny relijiozy sy mpisorona ireny, toa an-dry mompera sy ry masera.
Tia mankalaza sy manao fety ny ankamaroany, ary dia tena mahavita mandany vola sy harena amin’izany izy ireo.
Vakio ny tohiny ao amin’ny Lakroa.mg