Hafatry ny Aomônie Nasionaly ho an’ny faha 100 Taona
« Ny Teny tonga Nofo, Nofo tonga Mofo, Mofo zary Aina »
Io teny Fanevan’ny Taon-jobily faha 100 taona niorenan’ny FET teto amin’ny Nosintsika io no entina miarahaba antsika rehetra amin’izao taom-pahasoavana diavintsika AFAFI-FET sy ny Eglizy manontolo izao.
Tonga tokoa ity ilay andro sarobidy sy manan-tantara ho antsika AFAFI-FET, efa nandrasantsika hatry ny ela. Ary tsy ho antsika mpikambana AFAFI-FET ihany fa ho an’ny Eglizy Katôlika sy Madagasikara manontolo mihitsy. Fahasoavana manao ahoana tokoa moa no narotsak’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny FET hatrany am-piorenany fony mbola nitondra ny anarana hoe : « Kroazady Eokaristika » izy, ka mandraka ankehitriny amin’ny maha Fivondronana Eokaristikan’ny Tanora azy izao ! Fa hoy ny vavaky ny Taon-jobily manao hoe : « Fahasoavana maro sesehena tokoa no narotsakao ho an’ny Eglizinao eto Madagasikara tamin’ny fiorenana sy fijoroan’ny FET nandritra izay taona maro izay : Eveka, Pretra sy Relijiozy maro ary Lahika tsy tambo isaina ankehitriny no mandray andraikitra sy tsara sitra-po, nantsoinao sy nofidinao ho mpiara-miasa ao amin’ny Tanim-boalobokao. Nentinao nampandroso ny Firenena sy ny Eglizy tamin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly izy ireny noho ny Fanoloran-tenany iainany isan’andro ».
Velom-pisaorana sy fankasitrahana an’Andriamanitra isika noho izany fahasoavan-dehibe sy miavosa izany. Tsy isika fa ny fahasoavan’Andriamanitra miaraka tamintsika no naha toy izao antsika.
Noho ny maha zava-dehibe loatra ny taon-jôbily toy izao sy mba hahafahan’ny rehetra mandray anjara amin’izany dia ny isam-piangonana na ny isan-diosezy no nokendrena hiara-mankalaza sy manamarika ity fotoam-panokafana ity. Ny Alahadin’ny Sakramenta Masina rahateo no natokan’ny Foibe Maneran-tany any Roma isan-taona ho andro iombonan’ny AFAFI-FET, miaraka amin’ny TPPM. Koa heverina fa rariny loatra raha izao fankalazana ny Vatana aman-dRa Masin’i Kristy izao ihany koa no nofidina ho andro fanokafana ity Taon-jobily faha 100 taona ity.
Satry dia satry ny hahatongavan’ny Foibe Nasiônaly, indrindra ny Aomônie Nasiônaly, handray anjara sy hanatrika ny fanokafana any amin’ny Diôsezy tsirairay any, nefa noho ny fifanandrifian’ny fotoana amin’ny fankalazana ny faha 175 taonan’ny TPPM (Tambajotram-Pivavahan’ny Papa Maneran-tany), hatao any Rôma ny 28 sy 29 Jona 2019 ho avy izao, dia tsy afa-manoatra. Ny saina sy ny fo amam-panahy kosa dia miombom-bavaka sy hafaliana amin’ny AFAFI-FET manerana ny Nosy sy ny kristianina manontolo. Tsy hohadinointsika, noho izany, ny hanamarika io faha 175 taonan’ny TPPM io, izay loharano sy fototra niavian’ny FET, amin’izao fotoam-panokafana ny faha 100 taona izao, ho fiombonana amin’ny Papa Ray Masina sy ireo solotena 6500 avy amin’ny lafy valon’ny tany tonga any Rôma.
Ity fotoam-panokafana ity no hitondra antsika hamakivaky ny taon-jôbily manontolo, hizorantsika mankany amin’ny « Kôngresy Eokaristika » hatao any Antsiranana amin’ny Oktôbra 2020, hanamarihantsika miaraka ny faha 100 taona ary koa mampizotra antsika sahady mankany amin’ny 100 taona manaraka indray.
Hohalalinina mandritra ity taon-jobily ity ny finoantsika mifototra amin’ny Eokaristia izay fara tampony sy ivon’ny fiainana kristianina. Ny taona 2020 rahateo no hanatanterahana ny Kôngresy Eokaristika Iraisam-pirenena fanao isaky ny efatra taona, hatao any Budapest Hongrie.
Eto am-pamaranana àry dia maneho ny fiombonam-po, fiombonam-bavaka amintsika rehetra izahay aty amin’ny Foibe Nasiônaly amin’izao taon-jobily izao sy mandritra ny fiainantsika manontolo. Ary mirary koa raha mirary mba ho velona mandrakariva ao am-pontsika « Ilay Teny tonga Nofo niara-nonina tamintsika » (Jo 1, 14).
Ny Aomônie Nasiônaly
P. Odon ANDRIANARISOA sj