Fanomanam-panahy iatrehana ny taon-jôbily
Ry AFAFI sy FET namana manerana ny Nosy
« Mba ho ao aminareo ny fifaliako » (Joany 15, 11)
Io tenin’i Jesoa tamin’ny Apostôly io no entina miarahaba antsika rehetra amin’izao fankalazana ny Paka izao, no sady ankalazantsika ihany koa ny Taon-jôbily lehibe ato amin’ny AFAFI-FET. Ny hafalian’ny Paka tokoa no mameno ny fontsika ankehitriny ka manosika sy manentana antsika hitory an’i Kristy nandresy ny fahotana sy ny fahafatesana ho famonjena izao tontolo izao. « Tafatsangana ho velona tokoa ny Tompo ka mifalia isika. Aleloia ! »
Araka ny efa nampanantenainay anareo àry dia hisy manomboka izao ny fanentanana sy ny fanomanam-panahy hiatrehantsika ny Taon-jôbily maro sosona eto anivon’ny AFAFI-FET, maneran-tany sy eto Madagasikara. Tsy ho an’ny famaranana fotsiny anefa fa ho an’ny fotoana rehetra mihitsy.
Efa hatramin’ny nandefasanay ny « Soridalana 2014 – 2015 » no nanentanana sy namporisihana antsika hamaky sy handalina ny Evanjelin’i Joany. Ao rahateo no nangalana ny teny faneva iainana mandritra izao taom-pankalazana izao. Koa ny famantarana nataon’i Jesoa tamin’ny fampitomboana ny mofo izay tandindon’ny Eokaristia, ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Joany 6, 1 – 14, no andeha hanombohantsika izao fiomanam-panahy izao.
P. Odon sj, Aomônie Nasiônaly
NY EOKARISTIA
MANAINGA ANTSIKA HIRAY VATSY SY HIRAY AINA AMIN’NY EOKARISTIA I JESOA
Hira : Tonga nizara ny mofo Ianao
Soratra Masina : Joany 6, 1-14 : Ny fampitomboana ny mofo
Famintinana :
Nanaraka an’i Jesoa ny vahoaka fa nahazo soa be taminy : maro ny marary nositraniny. Fantatr’i Jesoa fa noana ireo olona nitangorona teo Aminy ireo. « Omeo sakafo izy ireo », hoy Izy tamin’ny mpianany, « fa adidinareo izany ». – « Vola be no ho lany hahazoan’ireo olona ireo sombi-mofo, nefa ny vola tsy misy », hoy ny mpianany. « Tsy maninona fa omeo izay mba anananareo ». Mofo dimy sy trondro madinika roa no hita ka dia izany fotsiny no sakafo hatolotra ny vahoaka…
« Karakarao ireto olona ireto ; asaovy mipetraka izy ireo ». Nanisa ny Apôstôly ka ny vatan-dehilahy fotsiny no efa 5000 eo ho eo.
Nandray ny mofo i Jesoa, nisaotra ny Ray any an-danitra ary nizarazara azy tamin’ny olona rehetra. Samy nahazo daholo izy rehetra ka voky. « Angony ny sombi-mofo sisa tsy lany », hoy i Jesoa. Nahafeno sobika 12 izany. Gaga sy talanjona izy rehetra ka nanao hoe : « Ity tokoa no Ilay nirahin’Andriamanitra hamonjy antsika ».
A. Mikarakara olona tokoa i Jesoa :
Tsy vitan’ny mitory ny Tenin’Andriamannitra ihany ny asan’i Jesoa, fa mangoraka olona izy ka manasitrana marary, sy manome mofo hohanin’olona marobe. Ireo asa soa ireo no ataony famantarana manamarina ny Evanjely ho Vaovao Mahafaly mitondra aina sy hafaliana ho an’ny vahoaka.
Koa ampy antsika àry ve ny mihaino ny Tenin’Andriamanitra ao am-piangonana ? Tsia, fa andeha hanatanteraka azy koa isika : mamangy sy mamonjy ny marary any amin’ny hôpitaly na any an-tranony, mandray ny vahiny am-pitiavana marina, mba ho fantatry ny olona rehetra fa adidy amin’ny maha-kristianina ny mitondra hafaliana sy fahasalamana ho an’ny namana.
B. Asain’i Jesoa mikarakara ny olona miaraka aminy isika :
a) Asainy mikarakara ny vahoaka ireo mpianany. Manana adidy manokana izy ireo, ka tokony hizatra manao izany. Hiteny angamba izy ireo hanao hoe : « Tsy afaka izahay, satria tsy navelan’i Jesoa hivatsy vola na kitapo… ». Nefa izay kely ananany no tokony hafoiny sy hatolony an’i Jesoa. Raisiny tokoa izany. Misaotra ny Ray dieny mialoha ihany koa izy ireo satria « fantatry ny Ray izay ilaintsika », ary zarazarainy ka tsy misy hadinony isika, na dia iray aza.
b) Avy amin’Andriamanitra ny mofo nozaraina. Andriamanitra no nanome ny vary fa ny olona no mamolavola azy ho mofo. Tovolahy iray indray no nividy sy nitondra azy teo. Izany no tsy maintsy anolorana fankasitrahana an’Andriamanitra, satria Izy ihany no mahavoky ny olona, sy manatsara ny fiainany, noho Izy Tompon’ny aina. Tsarovy fa matoa isika voky dia Izy ihany no nahatonga ny vary ho aintsika. Tsarovy koa fa omeny hery sy tanjaka isika.
D. Fanomezan’Andriamanitra ny olombelona izany mofo izany.
Nahafeno sobika 12 ny mofo sisa tsy lanin’izy rehetra. Raha manome Andriamanitra dia tsy mitsitsy, tsy miady varotra, fa manome be dia be. « Fatra tsara mifatratra, sady mihintsana no avo loha ». Tsy azo ariana ny vary satria fanomezan’Andriamanitra, ary maro ny olona mosarena azy. Efa famantarana sahady ny Eokaristia mahavelona io.
Afabaraka ny tompon-danonana raha tsy mahafeno vilia ny vary omeny ny olona nasainy. Toy izany koa, tokony tsy hitsitsy ny aintsika isika, fa hanana fo malalaka, ka dia ho voky vary sy hafaliana ary fitiavana ireo mpiara-belona amintsika noho isika, ary izany no hahafantarany fa velona ao amintsika mpandray ny Eokaristia i Jesoa.
Vavaka : Misaotra Anao amin’ny fanomezanao izahay, ry Tompo, dia ny vary omenao anay isan’andro, sy ny Eokaristia izay raisinay. Tsy hihazona azy ho anay samirery anefa izahay, fa hizara azy amin’ireo havanay mosarena.