Firotsahana an-tsitrapo, fototry ny fahombiazana
Sahirana amin’ny fitadiavana asa ny ankamaroan’ny tanora ankehitriny.
Na dia manam-pahaizana aza izy ireo dia olana ny fangatahan’ny toeram-piasana traikefa.
Manentana antsika hivavaka ho an’ireo mpirotsaka an-tsitrapo sy ireo olona atao an-jorombala sy ihatahan’ny fiaraha-monina ny Ray masina Fransoa amin’ity volana ity.
Imbetsaka aho no niresaka tamin’ny tanora mpitady asa ary anisan’ny fanontaniana apetrako ny hoe “Inona no ataonao izao ?” Raha mamaly izy hoe “Tsy misy” dia toa ny mahatsapa aho hoe “Midira ny manaraka azafady”.
Ny hahasoa ireo olona iandraiketana no tanjon’ny firotsahana an-tsitrapo. Mahazo tombony goavana ihany koa anefa ireo mpirotsaka an-tsitrapo.
Marina fa tsy mandray karama ny mpirotsaka an-tsitrapo. Mahazo traikefa amin’ny asa ataony kosa anefa izy, miha-matoky tena, mianatra ho marim-potoana, manapa-kevitra, miara-miasa amin’olona ary tompon’andraikitra – Ireo toetra tsara takian’ny mpampiasa.
Hoy indrindra Jesoa hoe :”Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao”.
P. Charlie Searson, Zambie.