Ivon’ny fankalazana ny faha 100 taonan’ny Fivondronana Eokaristikan’ny Tanora
TSATILAKRI
Ny 22 nôvambra 2019, fetin’i Mb Cécile, no feno 100 taona tanteraka ny FET eto Madagasikara. Aoka mba tsy ho hadinoina io andro lehibe io fa homarihina amin’ny fomba manokana.
Mba ho fiombonana manerana ny Nosy dia fanentanana no ataon’ny Foibe Nasiônaly ho an’ny AFAFI-FET rehetra tsy ankanavaka, mba samy hanao Fanamiana (Tenue) na ny Tshirt faha-100 taona daholo ny tsirairay any amin’ny sehatra misy antsika avy any : any am-piangonana, any an-tsekoly, any amin’ny toeram-piasana, any am-pivarotana, eny ambony fiara, any an-trano amin’ny fianakaviana sns…
Entanina ihany koa isika hiezaka hamonjy Sorona Masina hisaotra an’Andriamanitra izay amin’ny tanàna na toerana misy Pretra.
Fankalazana eny amin’ny Paroasy Md Joany Batista Faravohitra
Sabotsy 23 novambra :
Maraina : Fampirantiana momba ny Tantara sy ny Fiainam-panahin’ny AFAFI-FET.
Tolak’andro : Valandresaka arahina fijoroana Vavolombelona mikasika ny Fikambanana
Alahady 24 novambra : manomboka amin’ny 9 ora, Sorona Masina lehibe
Hisy ny fitsofandrano ny tsangambaton’ny faha 100 taona aorian’ny Sorona Masina.