Famaranana ny taon-jaobily : efa misokatra ny fisoratana anarana !
Tsatilakri !
Efa nanomboka ny voalohan’ny volana martsa teo ny fisoratana anarana amin’ny famaranana ny taon-jaobily izay hatao eto Antanananarivo ny 6 – 7 – 8 novambra 2015.
Ireto no tsara ho fantatra momba ity hetsika nasiônaly ity :
1) Hisy fiomanam-panahy halefan’ny Foibe Nasiônaly isam-bolana, hitondrantsika am-bavaka akaiky ny hetsika sy ny fankalazana rehetra. Koa entanina ny tompon’andraikitra isan-diôsezy mba hampita izany any amin’ny Ekipa fototra.
2) Ny mpandray anjara dia ny FET sy ny AFAFI manerana ny Nosy, ka ankizy 6 taona no zandriny indrindra. Tsy misy fetra taona, kosa, ho an’ireo zokiny fa olona tsy manana olana ara-pahasalamana (marihina fa midabo-tany rehefa matory)
3) Ny mpanabe iray dia miandraikitra ankizy 10 raha be indrindra (Jereo ny Taratasy fisoratana anarana).
4) Ny Mpizaika rehetra dia tsy maintsy mipetraka anaty “site” mandritra ny fihaonana.
5) Mifarana ny zoma 31 Jolay 2015 ny fisoratana anarana.
Tsy ferana ny solontena alefan’ny Diôsezy fa tsy maintsy mameno ny taratasy fisoratana anarana sy manefa ny saran-dasy 10000 Ariary isaky ny mpizaika ka misy ny fepetra momba izany:
– Ny taratasy fisoratana anarana dia tsy maintsy feno ara-dalàna, ka ny Aomônie na ny Biraon’ny Diôsezy irery ihany no afaka mandefa izany aty amin’ny Foibe Nasiônaly, ao anatin’ny fe-potoana voalaza.
– Ny Saran-dasy 10000 Ariary dia azo atao in-droa mandoa. Ny 5000 Ariary dia aloa eo am-pisoratana anarana (miaraka amin’ny taratasy fisoratana anarana), ny 5000 Ariary faharoa, kosa, dia mialoha ny faran’ny volana Septambra 2015. Marihina fa tsy miverina ny saran-dasy raha misy ny tsy fahafahan’ny mpizaika.
– Ireo izay tara fisoratana anarana dia tsy ho afaka handray anjara.
6) Samy miantoka ny sarandalana mandroso sy miverina ny Diôsezy tsirairay.
7) Entanina mba hiomana sahady isika ho an’ny fanamiana fa ny sabotsy 07 Novambra dia ny T-shirt faha-100 taona iombonana manerana ny Nosy no hanaovana, ary manao fanamian’ny Fikambanana, kosa, ny alahady 08 Novambra.