Soridalana iombonan’ny AFAFI-FET
Miditra ny taona fahatelo fiomanam-panahy amin’ny fankalazana ny faha 100 taona niorenan’ny FET eto Madagasikara isika amin’izao taom-pikatrohana izao izao, dia ny “Taonan’ny Eokaristia” izany. Tsara ny manamarika fa tsy ny teny Faneva ihany tsy akory no atao hoe Soridalana, nefa kosa ny teny Faneva no mibaiko ny Soridalana manontolo.
Teny Faneva
« Raiso ary hano: Vatako ity… Isotroinareo rehetra: Rako ity » (Mt 26, 26-28)
Fanamarihana:
- Marihina fa ireo hetsika rehetra atao eo anivon’ny fikambanana dia ho entanin’io teny Faneva io avokoa mba hahatafita haingana ny fiainana izany ho an’ny tsirairay.
- Tsara koa ny manamarika fa manomboka amin’ny andro fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taon-jobily faha 100 taonan’ny FET dia ho teny Faneva roa no hanentana antsika: ny iray voalohany moa dia io efa voalaza etsy ambony io, ho an’ny Taom-pikatrohana 2018-2019. Ny faharoa kosa dia amin’ny maha taon-jobily ny faha 100 taona: “Ny Teny tonga Nofo, Nofo tonga Mofo, Mofo zary Aina”, miaraka amin’ny tenin’ny Soratra Masina hoe: “Ary ny Teny tonga Nofo, ka nonina taty amintsika” (Joany I, 14a). Io kosa dia hanomboka amin’ny andron’ny Sakramenta Masina 23 Jiona 2019 ka mandrapahatapitry ny taon-jobily amin’ny fetin’i Kristy Mpanjaka taona 2020
Soratra masina
- Mandritra izao Taonan’ny Eokaristia izao dia hotohizina hatrany ny fandalinana ny Evanjely efatra ; toraka izany koa ny Testamenta Vaovao manontolo, izay samy mampianatra sy mitory ny Eokaristia. Hasongadina manokana amin’izany ireo Toko sy andininy maneho ny Eokaristia.
- Iangaviana sy entanina ianareo Pretra Aomonie sy ny Zoky am-panahy mba hanolotra fampianarana manokana momba ny Eokaristia, mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny Fampianaran’ny Fiangonana.
- Izahay ato amin’ny Foibe, amin’ny alalan’ny gazetim-panabeazana « Ny Hafatro » sy « Firaisankina », dia hiezaka hanolotra sy hanome ireo tenin’ny Soratra masina mifanaraka amin’izany.
Fanamby sy ezaka ho an’ny faha 100 taonan’ny FET eto Madagasikara :
- Inoana sy antenaina fa efa maro amintsika sy amin’ireo ankizy sy tanora beazintsika no efa nahatanteraka ny fanamby amin’ny famakiana sy fandalinana ny Soratra Masina. Ho an’ny IK sy VK dia ny famakiana ny Testamenta Vaovao manontolo, ny EKA sy ny AFAFI ary ny Mpanabe kosa dia hamaky ny Baiboly manontolo.
- Tohizina izany mandritra izao fiomanam-panahy izao ary azo atao ny mamerina indray ho an’izay efa nahavita. Tsara ny mifampizara izany any amin’ny Fivoriana.
- Inoana sy antenaina toraka izany koa fa efa maro no manana ho azy manokana ny Testamenta Vaovao na ny Baiboly manontolo.
- Aoka mba hataontsika laharampahamehana mihitsy ny hitiavan’ny mpikambana tsirairay ny Tenin’Andriamanitra ka ho tena sakaiza tsy mahasaraka azy.
Fiainam-panahy
Hamafisina hatrany izay voalaza ao amin’ny fehin-kevitry ny Filan-kevitra nasionaly natao tamin’ny 27 – 30 oktobra 2017 momba ny fiainam-panahy, araka ireto manaraka ireto
- Averina eto indray ary mbola antitranterina amin’izao fiomanana amin’ny Taon-jôbily faha 100 taona izao ny tokony hanamafisana sy handalinana hatrany ny fiainam-panahy maha AFAFI-FET.
- Fampitomboana ny fotoana ivavahana sy anaovana Fitsaohana masina na « adoration » ;
- Laretirety telo andro ho an’ny mpikambana rehetra (2018-2919) ;
- Vavaka hateloan’andro mialohan’ny fanokafana sy famaranana ny Taon-jobily ;
- Vavaka hasiviam-bolana sy hasivian’andro mialohan’ny kongresy. Mbola hisy tari-dalana manokana momba izany ;
- Fivahiniana Masina (pèlerinage) ho fiomanam-panahy : samy manana ny fandaminany ny isan-diosezy amin’ny fanatanterahana izany. ho an’ireo efa nanao izany dia azo atao ny mamerina izany indray araka izay azo atao.
- Ho an’ny EKA sy ny AFAFI ary ny Mpanabe dia hazoto handalina ny Finoana amin’ny alalan’ny fampianaran’ny Fiangonana sy ny hafatry ny Papa mbamin’ny an’ireo Eveka Raiamandreny. Ny gazety FIRAISANKINA dia ahitantsika ireny hafatra sy fampianarana ireny, koa mazotoa mamaky sy mampiely azy.
Ny AFAFI-FET sy ny Fiantsoan’Andriamanitra
Hotohizina hatrany ny fanentanana sy firesahana momba ny Fiantsoan’Andriamanitra amin’ny ankizy sy ny tanora mba hahatsapan’izy ireo ny hasarobidin’ny Antson’Andriamanitra ao aminy ka hamaliany izany tsy ampisalasalana. Anisan’ny nahafantarana sy nampalaza ny FET hatramin’izay mantsy ny maha « Taniketsan’ny Fiantsoan’Andriamanitra » azy, ka namokarany Pretra sy Relijiozy maro ary Lahika tsara sitrapo mandray andraikitra.
Koa hifotorantsika bebe kokoa ny fanentanana momba ny Fiantsoan’Andriamanitra amin’izao faha 100 taona izao, indrindra ao amin’ny FET. Asiana tsindrim-peo manokana eto ny firosoana amin’ny Sakramentan’ny Mariazy ho an’ireo tanora na olon-dehibe voakasik’izany. Mifototra amin’ny Eokaristia rahateo ny fikambanantsika ka antoka iray lehibe ahafahantsika miroso amin’ny Dingana sy ny Fanoloran-tena ny maha ara-dalàna ara-TSakramenta. Koa manaova ezaka ianareo voakasik’izany.
Tambajotram-pivavahan’ny Papa Maneran-tany 2019 (Vavaka fanolorana ny andro):
- Anisan’ny Iraka voalohany ankinin’ny Papa Ray Masina amintsika ny fampielezana ny TPPM na ny vavaka Fanolorana ny andro. Koa amporisihina sy entanina hatrany isika rehetra mba samy hanao ezaka araka izay tratra amin’ny fampielezana azy ity. Aoka tsy hionona na hijanona amintsika mpikambana fotsiny ny fampielezana izany fa hipaka amin’ny Fiangonana manontolo mihitsy sy amin’ny vita Batemy rehetra mbamin’ny isam-pianakaviana.
- Efa talohan’ny JMJ Mada IX izany no vonona ka azo atao ny manafatra na mividy izany mivantana aty amin’ny Foibe Nasionaly. Efa kely sisa ka aza tara. Tokony samy hahavita ezaka tsara kokoa nho ny tamin’ny taona lasa ny tsirairay.
- Ireo rehetra mbola tsy nahaloa ny sarany tamin’ny taon-dasa dia iangaviana hanefa izany mba hahafahanareo maka ny vaovao.
Fampiasana ny Miha-Jesoa
Ny Miha-Jesoa no anisan’ny fitaovana iray lehibe manampy ny mpikambana manontolo (ny ankizy sy ny tanora hatramin’ny AFAFI sy ny mpanabe), andrefesana sy ahitana ny ezaka atao amin’ny fiainana ny Fanolorana ny andro sy ny fiainam-pinoana eo amin’ny fiainana andavanandro. Voatsiahy ao amin’ny fepetra momba ny Dingana izany. Tsy hoe tokony hatao fa tsy maintsy atao raha te handroso marina amin’ny fanarahan-dia an’I Jesoa. Aoka hampiharina eo amin’ny fanabeazana ny fampiasana izany. Azo hafarana na vidina mivantana aty amin’ny Foibe izany.