Ny Click To Pray aty Afrika
Maro ankehitriny ireo mampiasa ny Click To Pray aty Afrika. Fitaovana iray hahafahana miditra ao amin’ny Tambajotram-pivavahan’ny Papa izy io. Hahafahana miara-mivavaka amin’ny Ray Masina ary hahazoana tolo-kevitra amin’ny vavaka hatao andavanandro ny fampiasana azy.
Any Cameroun ohatra dia ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny toeram-piasana no tena mampiasa ny Click to Pray na dia eo aza ny adidy iantsorohany. Maka fotoana anaovana fandinihana masina izy amin’ny maraina. Ankoatry ny fangatahana ampanaovin’ny Ray Masina dia atolotr’izy ireo ihany koa ny asany. Miasa am-pilaminana izy avy eo satria fantany fa manolotra vavaka roa hafa hataony amin’ny atoandro sy ny hariva ihany koa ny Click To Pray mba hahafahany manao tombana ny ezaka vita nandritry ny andro.
Faly tokoa ny tanora any repoblika demokratikan’I Congo (RDC) mampiasa ny Click To pray. Tsapany fa mifandray amin’ny olona maro izy ao anatin’ny vavaka. Amporisihana ary izy ireo hanambatra ny vetsovetsony amin’ny fangatahana ampanaovin’ny Papa mba hahafahan’izao tontolo izao mivavaka ho azy.
Afaka mampiasa tsara ny Click To Pray ireo izay tsy manana olana aram-piteny any Rwanda. Feno fankasitrahana ny fony noho ny aim-panahy sy ny fahasoavana entin’ity fitaovana ity.
Mitombo isan’andro ankehitriny ny isan’ny olona mampiasa ny Click To Pray aty Afrika. Marina fa tsy ny rehetra no manana finday hahafahana miditra ao. Miteraka hafaliana kosa anefa ny fampiasana azy ary tsapan’ireo mampiasa azy isan’andro fa iray aina amin’ny Fiangonana sy ny Ray Masina izy.
RP Thomas MBATNA SJ, mpandrindra ny TMPP aty Afrika