Vavaka hasivian’andro ho fiombonam-bavaka amin’ny Ray Masina
Miteraka olana ho an’ny Eglizy manontolo ny fisian’ireo mpitondra fivavahana nanao fanararaotana ara-nofo. Manentana antsika kristianina manontlo hitrotro am-bavaka izany raharaha manahirana ny Fiangonana izany ny Papa François tamin’ny 20 Aogositra 2018 lasa teo, Nasongadiny fa « raha mijaly ny ratsam-batana iray, dia miara-mijaly avokoa ny ratsam-batana rehetra » ( I Kôr 12, 26).
«Ny fivavahana sy ny asa fanonerana na fivalozana, hoy izy, dia tena manampy tokoa ». Koa manainga ny vahoakan’Andriamanitra rehetra izy amin’izany mba hanaza-tena amin’ny asa fivalozana sy fifadian-kanina, izay mifandraika indrindra amin’ny fampianaran’i Jesoa hoe : « Iny karazana fanahy maloto iny dia tsy azo roahina raha tsy amin’ny vavaka sy ny fifadian-kanina » (Mt 17, 20).
Vavaka hasivian’ando eo anivon’ny TPPM
Nanomboka omaly 12 septambra ny vavaka hasivian’andro nentanin’ny TPPM. Na eo aza ny fahatarana dia azontsika atao ny manomboka amin’ny andro izay mety amintsika, ny zava-dehibe kosa dia ny fanaovantsika io vavaka hasivian’andro io.
Hiombom-bavaka isika :
- ho an’ireo niharan’ny herisetra tamin’ny fanararaotana ara nofo nataon’ireo mpitondra Fivavahana tato amin’ny Fiangonana.
- hivavaka ho fibebahan’ireo Pretra na olom-boatokana latsaka tao anatin’izany fakam-panahy izany.
- hivavaka koa ho an’ny Papa Ray Masina izay misedra zava-tsarotra sy mafy ankehitriny amin’ny fitantanana ny Eglizy, ka hananany herim-panahy sy herin-tsaina ary tanjaka sy fahasalamana amin’ny andraikitra sy ny adidy masina ankinin’Andriamanitra aminy.
- hivavaka ho an’ny Eglizy manontolo, izany hoe ho an’ny vita batemy rehetra, mba ho mendrika ny fiantsoana antsika avy isika ka hijoro ho tena kristianina Vavolombelon’i Kristy marina tokoa amin’ny fiainantsika manontolo noho ny Sakramenta noraisina sy ny Fanolorana iainana isan’andro.
Mety hitondra aingam-panahy ihany koa ny famakiana ny Hafatry ny Ray Masina.