Hafatry ny Papa Fransoa ho an’ny Andro faha 57 ho an’ny Fifandraisan’ny Mpiara-belona
Miteny amin’ny fo
« Araka ny marina amin’ny fitiavana » (Efezianina 4,15)
Ry kristianina hava-malala!
Rahefa avy nandinika, taona vitsivitsy lasa izay, momba ny matoanteny “mandeha sy mijery” ary “mihaino” izay antoky ny fifandraisana tena izy dia te hifantoka kely amin’ny hoe “miteny amin’ny fo” aho amin’ity hafatra ho an’ny andro maneran-tany faha 57 ho an’ny Fifandraisan’ny Mpiara-belona ity. Ny fo no manosika antsika handeha, hijery ary hihaino, ny fo no manosika antsika ho amin’ny fifandraisana mivelatra sy mahafinaritra. Taorian’ny niofanantsika amin’ny fihainoana izay mitaky fiandrasana sy faharetana ary tsy fidrikinana amin’izay fomba fijerintsika dia afaka miroso ao amin’ny fifampiresahana sy fifampizarana tsy mihafahafa isika, izay indrindra ilay hoe mifandray am-po. Ho afaka hiteny araka ny fahamarinana ao amin’ny fitiavana (jer. Ef 4,15) ihany koa isika rahefa mihaino ny hafa amin’ny fo madio.
Tsy ny hilaza ampahibemaso ny marina na dia manahirana azy izany matetika no tokony hatahorantsika, fa ny hanao ny marina tsy misy fitiavana, tsy misy fo. Satria “ny programan’ny kristianina, araka ny nosoratan’i Benoît XVI, dia ny “fo mahita” [1. Taratasy ansiklika Deus caritas est, n. 31.]. Fo maneho ny marina momba antsika amin’ny alalan’ny fitepony, ary noho izany antony izany dia tokony hohenoina. Mampirisika izay mihaino hiditra ao anaty onjam-peo mitovy izany, hany ka lasa tsapany ao am-pony ny fitepon’ny fon’ny hafa. Mety hitranga vokatr’izany ny fahagagana avy amin’ny fihaonana izay hitondra antsika hifampijery amim-pangorahana sy handray am-panajana ny fahalemen’ny tsirairay fa tsy hitsara amin’ny alalan’ny tsaho sy hamafy korontana sy fisaratsarahana.
Mampitandrina antsika i Jesoa fa fantatra amin’ny voany ny hazo rehetra (jer. Lk 6,44): “Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony; fa ny olona ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy avy amin’ny rakitra ratsin’ny fony; fa ny be ao am-pony no itenenan’ny vavany” (and. 45). Koa tsy maintsy diovina izany ny fo mba ho afaka hifandray araka ny marina am-pitiavana. Ny fihainoana sy ny firesahana amin’ny fo madio ihany no ahafahantsika mahita ny any ambadik’izay miseho eto ivelany ary mandresy ny tabataba tsy fantatra mazava misy eo amin’ny sehatry ny fampahalalam-baovao ihany koa, izay tsy manampy antsika hamantatra ny fahasarotan’ny tontolo iainantsika. Mitaky fotoana amintsika ny antso hiteny amin’ny fo noho izy mora mirona amin’ny tsy firaharahana sy ny fahatezerana, izay indraindray koa noho ny fampahalalam-baovao diso dia mandiso sy mampiasa ny marina ho fitaovana.
Mifandray am-pitiavana
Ny mifandray am-pitiavana dia midika fa izay mamaky (ny ataontsika) na mihaino antsika dia voatarika hahatsikaritra ny fandraisantsika anjara amin’ny hafaliana sy ny tahotra, amin’ny fanantenana sy ny fijalian’ny olombelona, vehivavy na lehilahy, amin’izao androntsika izao. Izay miteny toy izany dia tia ny hafa satria miahy azy sy miaro ny fahafahany ary tsy mandroba izany fahafahany izany. Hitantsika ao amin’ilay Mpandeha mifono mistery miresaka amin’ny mpianatra eny an-dalana ho any Emaosy taorian’ny zava-doza nitranga tao Golgotà io fihetsika io. Miteny amin’izy ireo amin’ny fo i Jesoa tafatsangan-ko velona, am-panajana no iarahany amin’izy ireo izay ao anatin’ny alahelo, manolotra soso-kevitra izy fa tsy manery, eo am-panokafana amim-pitiavana ny sain’izy ireo hahatakatra ny hevitra lalina fonosin’ny zava-nitranga. Araka izany dia afaka mihiaka an-kafaliana izy ireo fa nirehidrehitra tao anatiny ny fony rehefa niresaka tamin’izy ireo teny an-dalana Izy sy nanazava ny Soratra Masina (jer. Lk 24,32).
Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny tantara voamariky ny fampivangongoana sy ny fifandrohizana – izay indrisy fa tsy afa-bela amin’izany na dia ny ankohonam-piainan’ny Eglizy aza -, ny firotsahana amin’ny fifandraisana “amin’ny fo sy am-pitiavana tanteraka” dia tsy mahakasika ireo matihanina amin’ny fampahalalam-baovao fotsiny fa andraikitry ny tsirairay.
Voantso hikaroka sy hilaza ny marina isika rehetra ary hanao ny marina am-pitiavana. Isika kristianina, indrindra indrindra, no ampirisihina mba hiaro ny lelantsika amin’ny ratsy (Jer. Sal 34,14), satria, araka ny fampianaran’ny Soratra Masina, dia azontsika atao tsara amin’ny alalan’io lela io ny midera an’Andriamanitra sy manaratsy olona izay nohariana hitovy endrika amin’Andriamanitra (jer. Jak 3,9). Tsy tokony hivoaka ny vavantsika ny teny ratsy, “aoka tsy haloaky ny vavanareo ny teny ratsy, fa ny teny soa mampandroso amin’ny tsara, araka izay ilaina, mba hahazoan’izay mihaino fahasoavana” (Ef 4,29).
Mahavaky ny fo mihirim-belona ny lahateny feno hatsaram-panahy indraindray. Ahitantsika soritra an’izany amin’ny literatiora. Tsaroako eto ny pejy tsy hay hadinoina ao amin’ny tantara foronina Les fiancés, ao amin’ny toko faha 21, amin’ny fo no itenenan’i Lucia amin’ny olon-tsy fantatra mandra-pahatongan’ity farany, izay ketraka sy nampijalian’ny fijaliana anaty, hanaiky ho resin’ny hery malefaky ny fitiavana. Iainantsika koa izany eo amin’ny fiaraha-miainan’ny mpiara-monina, ary tsy resaka “fahalalam-pomba” fotsiny ny hatsaram-panahy fa tena fanoherana ny habibiana mihitsy izay, indrisy, mety hanapoizina ny fo sy hamotika ny fifandraisana. Ilaintsika ao amin’ny haino aman-jery izany hatsaram-panahy izany mba tsy hamahana lolom-po mivaivay, miteraka hatezerana ary mitarika fifandonana ny fifandraisana, fa mba hanampy ny olona hieritreritra am-pahatoniana, hamantatra amin-tsaina mitsikera mahitsy sy am-panajana mandrakariva ny zava-misy iainany.
Ny fifandraisan’ny fo amin’ny fo: “ampy ny mitia mba ho afaka maneho hevitra tsara”
Iray amin’ireo ohatra mazava tsara sy mahavariana indrindra amin’ny hoe “miteny amin’ny fo” ny an’i Masindahy François de Sales, mpampianatry ny Eglizy, izay nanokanako vao tsy ela akory izay an’ilay taratasy apôstôlika hoe Totum amoris est (Fitiavana daholo ny zava-drehetra), 400 taona aty aorian’ny nahafatesany. Miaraka amin’io tsingerin-taona sarobidy io dia misy tsingerin-taona hafa tiako hotsiahivina ihany koa amin’ity taona 2023 ity, dia ny : faha 100 taona nanambaran’i Pie XI azy, tao amin’ny Ansiklika Rerum omnium pertubationem, ho olomasina mpiaro ny mpanao gazety. Olona mahay i François de Sales, mamiratra, mpanoratra namokatra be, teôlôjianina tena lalim-pandinihana, Evekan’i Genève tamin’ny fiandohan’ny taon-jato faha 17, tao anatin’ireo taona sarotra voamariky ny fifandirana mahery vaika tamin’ny Kalvinista. Ny halemem-panahiny, ny maha olona azy, ny fahavononany hifampiresaka am-paharetana amin’ny olona rehetra, indrindra tamin’ireo izay nanohitra azy, dia nahatonga azy ho vavolombelona miavaky ny fitiavan’Andriamanitra feno famindram-po. Azo lazaina, momba azy, fa “ny teny an-kamorana mahamaro sakaiza ary ny fiteny mamy mahamaro tenim-pifanajana” (Sir 6,5). Ny iray amin’ireo fanambaràny malaza indrindra hoe “miteny amin’ny fo ny fo” dia tena naharesy lahatra azy, sy nanome aingam-panahy ireo taranaka tsy nahafoy azy taty aoriana toa an-dry Md John Henry Newman ka nanao ho teny filamatra ny hoe: “Ampy ny mitia mba ho afaka maneho hevitra tsara”. Maneho izany fa, ho azy, ny fifandraisana dia tsy tokony hahetry, na oviana na oviana, amin’ny rendrarendra fotsiny, amin’ny fitenintsika azy ankehitriny – fomba fivarotana – fa tsy maintsy hahitana taratra ny fanahy sy ho endrika hita mason’ny loharanom-pitiavana tsy hita maso. Ho an’i Masindahy François de Sales dia “ao am-po sy amin’ny alalan’ny fo indrindra no anatanterahana ity dingan’ny fampiraisana sarobidy sy mahery vaika ity, avy amin’izany no hahafantaran’ny olona an’Andriamanitra” [2. taratasy apôstôlika Totum amoris est (28 décembre 2022)]. Tamin’ny alalan’ny “fitiavana marina” no nahavitan’i Masindahy François nifandray tamin’i Martin moana marenina, ka tonga namany io avy eo; ary izany indrindra no ahatsiarovana azy ho mpiaro ny olona mijaly noho ny fahasembanana amin’ny fifandraisana.
Avy amin’io “mari-drefin’ny fitiavana” io, tamin’ny alalan’ny asa sorany sy ny oha-piainany, no ampahatsiahivan’ny Eveka masin’i Genève antsika fa “maneho ny maha izy antsika izay tenenintsika”. Lesona manoha riana io ankehitriny, fotoana iainantsika indrindra ao anaty tambajotran-tserasera, izay matetika ampiasana ny fifandraisana mba hijeren’izao tontolo izao antsika araka izay tiantsika ho isika fa tsy araka izay tena maha isika antsika. Nanonta boky maro tamin’ireo asa sorany i François de Sales sy nampiely izany tao amin’ny ankohonam-piainan’i Genève. Io tsindrimandry amin’ny “fanaovan-gazety” io no nahatonga azy halaza haingana ary vetivety foana dia niparitaka hatrany ivelan’ny dioseziny izany ary mbola mitohy hatramin’izao. Araka ny fanamarihan’i Masindahy Paoly VI dia “lahatsoratra mahafinaritra, mampianatra ary mandrisika” [3. Lettre Apostolique Sabaudiae gemma , à l’occasion du quatrième centenaire de la naissance de saint François de Sales, Docteur de l’Église (29 janvier 1967).] ny asa sorany. Moa tsy izany indrindra ve no tokony hampiavaka ny lahatsoratra sy ny fanadihadihana ary ny fandaharana amin’ny radio sy ny fahitalavitra na any amin’ny tambajotra sosialy raha jerena ny tontolon’ny serasera amin’izao fotoana izao? Enga anie ireo matihanina amin’ny serasera mba hanaiky hoentanin’ny aingam-panahin’io olomasin’ny halemem-panahy io, amin’ny fitadiavana sy ny filazana ny marina amin-kerim-po sy fahafahana , handà ny fakam-panahy tsy hampiasa ny fomba fiteny masiaka sy mahery setra.
Miteny amin’ny fo ao amin’ny dingan’ny fiarahan-dia
Araka ny efa nohamafisiko dia “tena ilaina ny mihaino sy mifampihaino na dia ao amin’ny Eglizy aza. Io no fanomezana tsara sy sarobidy indrindra azontsika ifanolorana” [4. Message pour la LVIe Journée Mondiale des Communications Sociales (24 janvier 2022)]. Teraka avy amin’ny fihainoana tsy misy fitsarana an-tendrony sy fihainoana tsara ary fahavononana hihaino ny “fandraisam-pitenenana” araka an’Andriamanitra, tohanan’ny fanatonana ny hafa sy ny fangorahana ary ny halemem-panahy. Maika ny filantsika ao amin’ny Eglizy ny fifandraisana mandrehitra ny fo mba hanadio ny ratra sy hanazava ny lalan’ireo rahalahy sy anabavintsika. Miandrandra mafy aho ny mba hanaiken’ny fifandraisana ao amin’ny Eglizy ho tarihin’ny Fanahy Masina, sady malemy fanahy no mpaminany, hahita fomba sy endrika vaovao ho an’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly izay hiantsoana azy ato amin’ny taona arivo fahatelo. Fifandraisana mametraka ho ivo ny fifandraisana amin’Andriamanitra sy ny mpiara-belona, indrindra ireo tena sahirana, hampirehitra ny afon’ny finoana fa tsy hitahiry ny lavenona izay maneho ny maha izy azy miodina eo amin’ny tenany. Fifandraisana miorim-paka eo amin’ny fanetren-tena sy ny fihainoana ary ny fahalalahana miteny, tsy mampisaraka velively ny marina sy ny fitiavana.
Mampitony ny saina ny fanandratana ny voambolan’ny fandriampahalemana
“Ny vava malefaka mahafolaka ny taolana” hoy ny bokin’ny Ohabolana (25,15). Ankehitriny, ny miteny amin’ny fo dia tena ilaina kokoa noho ny hatramin’izay, mba hampiroboroboana ny kolontsain’ny fandriampahalemana any amin’izay misy ady ; mba hanokafana ny lalana hahombiazan’ny fifampiresahana sy ny fampihavanana any amin’izay misy fankahalana sy rehefa mirongatra ny tsy fitiavana. Ao anatin’ny tontolon’ny fifandonana maneran-tany izay fantatsika dia tena maika ny hanamafisana ny fifandraisana tsy misy fankahalana. Ilaina ny mihoatra ny «fahazarana manilika avy hatrany ny mpifaninana amin’ny tena, amin’ny famoahana teny manala baraka azy no mahazo vahana kokoa, toy izay hoe ny fifanakalozan-kevitra malalaka ary ifanajana » [5. Tarat. Ansiklika Mpiray tampo avokoa isika, n. 201]. Mila mpiserasera vonona hifanakalo hevitra isika, handray anjara amin’ny fampiroboroboana ny fanafoanana tanteraka ny fitaovam-piadiana ary hanolo-tena amin’ny famongorana ny kolontsaina tia ady izay miafina ao am-pontsika, araka ny nampirisihan’i Masindahy Joany XXIII ao amin’ny Ansiklika Pacem in Terris hoe: “Ao amin’ny fifampitokisana ihany no ahafahan’ny tena fandriam-pahalemana miorina” (n° 61). Fitokisana mila mpiserasera tsy kanosa fa sahy sy tia karokaroka, vonona hanao vy very ny ainy hitady toerana hihaonana hahitana marimaritra iraisana. Toy ny tamin’ny 60 taona lasa dia miaina ao anatina vanim-potoana maizina isika izao, fotoana izay mampitebiteby ny olombelona noho ny firongatry ny ady izay tsy maintsy hatsahatra haingana araka izay azo atao, anisan’izany ny tontolon’ny fifandraisana. Mahaketraka ny mandre fa mora dia mora ny manonona teny mihantsy fanapotehana ny vahoaka sy ny taniny. Teny izay, indrisy, fa miova ho ady amin’ny fomba feno herisetra. Izany no antony tsy maintsy hanariana ireo teny rehetra mihantsy ady, toraka izany koa ireo endrika fampielezan-kevitra rehetra manodinkodina ny marina, manapotika azy noho ny firehan-kevitra ironana. Ny mifanohitra amin’izany anefa no tokony ho izy, tsy maintsy hampiroboroboana eo amin’ny ambaratonga rehetra ny fifandraisana izay manampy amin’ny famahana ny disadisa eo amin’ny samy vahoaka.
Amin’ny maha kristianina dia fantatsika fa miankina amin’ny fibebahan’ny fo ny fiadanana, satria ny otrikaretin’ady dia avy ao anatin’ny fon’ny olombelona [6. Hafatra ho an’ny andro maneran-tany ho an’ny fandriam-pahalemana, 1 janoary 2023]. Avy amin’ny fo no ivoahan’ny teny marina hialana amin’ireo aloky ny tontolo mikombona sy voazarazara ary hanorenana riba tsara kokoa noho izay noraisintsika. Ezaka takiana amintsika tsirairay avy izany, fa mitaky indrindra koa ny fandraisan’andraikitr’ireo matihanina amin’ny fifandraisana mba hotontosain’izy ireo ho toy ny asa fanirahana ny asany.
I Jesoa Tompo, Teny avy amin’ny fon’ny Ray, anie hanampy antsika ka hahatonga ny fifandraisantsika halalaka sy mazava ary am-pitiavana.
I Jesoa Tompo, Teny tonga nofo, anie hanampy antsika hihaino ny fiitepon’ny fo, hahita indray hoe mpiray tampo isika sy hanilika ny fankahalana izay mampisara-bazana.
I Jesoa Tompo, Tenin’ny fahamarinana sy fitiavana, anie hanampy antsika hilaza ny marina am-pitiavana hahatsapantsika fa mifampiahy isika.
Rôma, Md Jean de Latran, 24 janoary 2023, fahatsiarovana an’i Md François de Sales.
FRANSOA