Aoka haka tahaka ireo olomasina manodidina antsika isika hoy ny papa Fransoa
Loharano : Zenith.org
Fakan-tahaka ny olomasina saingy tsy ireo nasandratra ho eo amin’ny laharana maha-olomasina ihany, fa indrindra ireo olomasina manodidina antsika, niezaka nampihatra ny Evanjely teo amin’ny fiainany andavanandro, omban’ny fahasoavan’Andriamanitra.
Firy tamin’ireo olona fantatsika no nampiloa-bava antsika hoe “ tena olomasina ity olona ity !” Mety efa nifanerasera tamin’izy ireo isika, mety misy ao amin’ny fianakaviana na koa amin’ny olom-pantatra sy ny namana.
Tokony hisaotra azy ireo isika ary hankasitraka an’Andriamanitra izay nametraka azy ireo teo anivotsika, ho ohatra velona sy fakan-tahaka, amin’ny fahavelomana sy fahafatesana mifanaraka amin’ny Jesoa Tompo sy ny Evanjeliny.
Namporisika antsika ihany koa ny ray masina Fransoa haneo fitiavana amin’ny fiainana andavanandro : « Toa ny manohy ny
fiainan’ireo olomasina eto an-tany isika rehefa maka tahaka ny fihetsik’izy ireo feno fitiavana sy mpamindra fo. Ireo fihetsika araky ny evanjely ireo no hany mahasetra ny fandravana ataon’ny fahafatesana : fihetsika maneho fitiavana, fanampiana, fotoana iray nihainoana, fitsidihana, teny mahasoa, tsiky…Ohatry ny tsy misy lanjany izy ireny eo imasotsika saingy mandrakizay kosa eo anatrehan’Andriamanitra, mahery noho ny fahafatesana ny fitiavana sy ny fiombonam-po”.
Nolazain’ny papa ihany koa ny loharanon’ny fiantsoana ny rehetra ho masina : ny batemy. Tsapatsika ve io fanomezana lehibe io ? Zanak’Andriamanitra avokoa isika rehetra ! Tsaroantsika ve fa nandray ny marik’Andriamanitra isika ary tonga zanany fony natao batemy ?
Raha lazaina amin’ny fomba tsotra dia mitondra ny anaran’Andriamanitra isika, Andriamanitra no anaram-pianakaviana entintsika satria zanany isika. Eo no mitoetra ny loharanon’ny antso ho amin’ny fahamasinana !
Ireo olomasina ankalazaintsika amin’ny Fetin’ny olomasina dia ireo niaina ny fahasoavana noraisin’izy ireo tamin’ny batemy, nitazona manontolo ilay marika napetraka taminy, nitondra tena ho zanak’Andriamanitra, nitady izay anahafana an’i Jesoa ka tonga amin’ny tanjona notratrariny satria « mahita an’Andriamanitra amin’ny maha izy azy. »