Fanasina
Bokim-panabeazana atolotra ny Vavolombelon’i Kristy ny Fanasina. « Ho Vavolombelon’i Kristy, ho Fanasin’ny tany, ho Fahazavan’izao tontolo izao…tsy ampy intsony ny mahay katesizy na ny mahalala an’i Kristy fa ny fiainan’i Kristy mihitsy no ampianarina olona » Mgr TABAO, evekan’i Mananjary (1927-1999).
Ankoatr’ireo fanabezana ny Vavolombelon’i Kristy dia mampiavaka ny Fanasina ny fandalinana ny fiainan’ny olona masina roa fakan-tahaka sy loharanom-pahasoavana ho an’ny FET : Masina Maria sy Masindahy Paoly. Amporisihana ny Vavolombelon’i Kristy handinika sy hianatra ny soa niainan’ireo olomasina roa ireo mba hahafahany mijoro ho Vavolombelona marina tokoa.
Efa ao anaty fandaharan’asa ihany koa ny fanavaozana ny boky Fanasina izay tsy misy intsony ankehitriny.