Foibe nasiônaly sy Ekipa nasiônaly
Ny Foibe Nasiônaly
Manana Foibe Nasiônaly ny AFAFI-FET. Ao Antananarivo no misy azy io, ao amin’ny CNPC Antanimena Varavarana faha 36 sy 38, andamosin’ny paositra. Saika mivoha isan’andro ny birao, afa-tsy ny sabotsy sy alahady ary amin’ny fotoana izay anaovan’ny Ekipa Nasiônaly fitsidihana miaraka any amin’ny diôsezy any. Ny « secrétariat » no ao amin’ny Varavarana faha 36 ; ny biraon’ny Aomônie kosa no ao amin’ny faha 38.
Tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Foibe Nasiônaly Ny Aomônie Nasiônaly. Hatramin’ny 31 Jolay 2008 ka mandraka ankehitriny dia P. Odon Honoré ANDRIANARISOA sj, avy amin’ny Fikambanan’iJesoa, no mitantana ny AFAFI sy ny FET eto Madagasikara, rehefa nankatoavin’ny Fivondronamben’ny Eveka. Izy no nandimby an’i P. Julien RAKOTOSOA sj izay naharitra 30 taona mahery teo amin’ny fintantanana ny FET.
Miainga ao amin’ny Foibe Nasiônaly ny fampielezana ireo fitaovam-panabeazana rehetra ilaina ao amin’ny Fikambanana, toy ny boky, gazety, famantarana amin’ny Dingana, taratasy fifandraisana, vavaka Fanolorana ny andro…
Misy mpiandry raharaha tsy tapaka ao amin’ny Foibe Nasiônaly. Ny Aomônie kosa dia saika ny tolak’andro no ahitana azy ao, ankoatra ny Talata sy Alakamisy tontolo andro. Misy filazana kosa atao amin’ny alalan’ny petadrindrina raha sendra misy fiovana na fikatonan’nybirao.
Afaka mandalo amin’ny Foibe Nasiônaly avokoa rehefa mety ho mpikambana ao amin’ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana sy ny Fivondronana Eokaristikan’ny Tanora.
Ny Ekipa Nasiônaly
Mpiara-miasa voalohany amin’ny Aomônie Nasiônaly ny Ekipa Nasiônaly. Fiaraha -mikaroka ny sitrapon’ Andriamanitra amin’ny fampandehanana ny fanabeazana sy ny fanofanana eo anivon’ny AFAFI sy ny FET manerana ny Nosy no tena ilofosan’ny Ekipa Nasiônaly. Izany dia araka ny toe-tsain’ny Apôstôly : miray saina, miray hina, miaradia, miombom-po amam-panahy amin’ny fanantontosana ny fitoriana nyVaovao Mahafaly.
11 no isan’ny mpikambana rehetra, ka Pretra 1 (Aomônie), Relijiozy 1 (Frera Zezoita) ary Lahika ny 8, ka 5 vehivavy ary 4 lehilahy.
Tsy mandray karama fa antson’Andriamanitra no manosika azy ireo hiasa.
Mivory indray mandeha isam-bolana, raha tsy misy antony manokana.
Mandray anjara na manampy amin’ny fitsididihana ataon’ny Aomônie amin’ny fotoana maha afaka azy avy ny mpikambana ao anati’ny Ekipa.
Manao Fampiasam-panahy na laretirety 5 andro isan-taona , ankoatran’ny Fihatahana Masina.