Vavak’ilay apostolin’ny famindrampon’Andriamanitra
Ry Jesoa Tompo ô
Ovay amin’ny famindramponao
Izay rehetra ao amiko
Ataovy mahay mamindra fo ny masoko
Mba tsy hitsara ivelany fotsiny
Sady tsy hiahiahy an’iza na iza,
Fa ho hitako amin’ny fanahy rehetra izay tsara ao aminy
Ary mba ho afaka hanampy azy rehetra aho.
Ataovy mahay mamindra fo ny sofiko
Hihaino lalandava ny fahasahiranan’ny olombelona
Ka tsy hanetsintadiny amin’izay antso vonjy ataony
Tompo ô, ampio aho
Mba hahatonga ny lelako ho mpamindra fo,
Ka tsy hanaratsy na oviana na oviana ireo namako,
Fa ho teny fankaherezana sy famelan-keloka anie
No holazaiko azy ireny tsirairay avy
Ataovy mahay mamindra fo
Sy feno fiantrana ny tanako
Mba handraisako izay rehetra mafy
Sy mavesatra amin’ny hafa
Hanamaivana ny jiogany
Ataovy mahay mamindra fo sy vonona lalandava
Hamonjy ny namako ny tongotro,
Na dia reraka tsy ho afa-mamindra aza aho,
Haka aina eo am-panompoana anie aho!
Ataovy mahay mamindra fo
Sy misokatra amin’ny fijaliana rehetra ny foko
Tsy arindriko amin’iza na iza ny foko
Eny fa na dia amin’ireo mamiravira azy aza,
Ary dia hihidy ao amin’ny fon’I Jesoa Tompo aho,
Tsy hiteny na oviana na oviana amin’ny olona izay fahoriako aho
Hitoetra eo amiko anie ny famindram-ponao ry Tompo
Ary ovao ao aminao aho ry Jesoa,
Fa ho ahy dia ianao no izao rehetra izao
Amena