Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – Desambra 2020
Mba hofahanan’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fiainam-bavaka anie ny fifandraisantsika manokana amin’i Jesoa Kristy
Aina fototra mampiray antsika amin’i Jesoa Kristy ny Tenin’Andriamanitra sy ny Fivavahana. Ny Tenin’Andriamanitra no anovozan-kery entina manamasina ny fiainana andavan’andro, ny fivavahana kosa no fomba entina maneho sy mandrakitra ao am-po izay voambaran’ny Tenin’Andriamanitra ka ifandraisana tsy tapaka amin’Andriamanitra amin’izay rehetra atao rehefa voatolotra an’Andriamanitra ny andro manontolo.
Hoy indrindra ny fampianaran’ny Fiangonana ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika Laharana 2653 : « Ny Fiangonana dia “mamporisika mafy sy amin’ny fomba manokana ny kristianina rehetra (….) hanovo “fahalalana ambony dia ambony momba an’i Jesoa-Kristy”, amin’ny alalan’ny famakiana matetika ny Soratra masina. (…) Kanefa ny vavaka dia tokony hiaraka amin’ny famakiana ny Soratra masina mba hirindran’ny fifanakalozan-kevitra eo amin’Andriamanitra sy ny olombelona, satria « Aminy no ivantanantsika rahefa mivavaka isika, ary Izy no henointsika rahefa mamaky ny teny marin’ny Tompo isika »
Ny vavaka ankaherezin’ny Tenin’Andriamanitra no mampiditra antsika ao anaty sy mampisokatra antsika hanam-pitiavana.
I Mompera Frédéric FORONS Tale Iraisam-pirenen’ny TPPM dia mampahatsiahy ny fampianaran’i Papa Fransoa momba ny fifandraisan’ny vavaka sy ny Iraka sahanin’ny Fiangonana. Asehony mazava tsara fa ny fivavahana sy ny Iraka ataon’ny Fiangonana dia iray tsy mivaky, tsy azo sarahina. Ny Iraka sahanin’ny Fiangonana izay fiahiana ary fanompoana ny olombelona dia tsy ho tontosa raha tsy noho ny herin’ny vavaka. Ilaina, ary manan-danja amin’ny Iraka ataon’ny Fiangonana ny vavaka.
Fa hoy kosa ny Papa Fransoa manentana sy mamporisika antsika hanana fiainam-bavaka anaty: « Ny fivavahana no ivon’ny Iraka tontosain’ny Eglizy. Ny Vavaka no fanalahidy ahafahantsika miditra amin’ny dinika, amin’ny resaka iarahana amin’ny Ray, toy ny nataon’i Jesoa. Isaky ny mamaky sombiny kely amin’ny Evanjely isika, dia mihaino an’i Jesoa izay miresaka amintsika. Miresaka amin’i Jesoa isika. Mihaino an’i Jesoa sy mamaly Azy. Vavaka izany. Manova ny zava-misy eo amin’ny fiainatsika ny vavaka. Ary manova ny fontsika. Ny vavaka manova zavatra. Betsaka ny zavatra azontsika atao, nefa raha tsy misy ny vavaka, tsy mandeha izany ho zary miasa foana. Mivavaha mba hovelomin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fiainam-bavaka ny fifandraisantsika manokana amin’i Jesoa Kristy. Ao anaty fahanginana, samia mivavaka ao am-pony avy ».
Narisoa SJ