Miaradia
Bokim-panabeazana ho an’ny EKA ny Miara-dia. Atolotra an’ireo tanora maniry hahalala an’i Kristy, ho tia azy, hifanerasera aminy mba ho babony manontolo ny Miara-dia.
Miompana amin’i Kristy ny Miara-dia. Ahoana ny fomba fiainana ao anaty Ekipa ? Inona no toe-panahy tsara ananana rehefa mivory ? Ahoana no fomba anomanana tsara ny dingana mba hahatongavana amin’ny fiainana kristianina tonga lafatra ? Manampy anao haka fanapahan-kevitra matotra miorina amin’i Kristy ny Miara-dia.
EKA ianao ? Eny am-pelatananao ve ny Miara-dia ? Raha eny dia aza hadinoina ny mamadika azy matetika, tsy ny fanaovana tsianjery no tanjona fa fiainana ! Raha tsia kosa dia fotoana izao handalinanao bebe kokoa ny aim-panahy maha ekipa kristianina ankehitriny anao ! Hanampy anao amin’izany ny Miara-dia.