Fitoriana ny Evanjely : mbola maro ireo maty maritiry
Loharano : Anne Kurian – Zenit.org, 24 martsa 2015
Nankalazaina ny 24 martsa teo ny “Androm-bavaka sy fifadian-kanina ho fahatsiarovana ireo misiônera maty maritiry” faha XXIII. Marihina fa ny 24 martsa 1980 no namonoana an’i Mgr Oscar Romero, arisevekan’i San Salvador, hasandratra ho olontsambatra ny 23 mey ho avy izao.
343 ireo misiônera maty novonoina ny 2001 ka hatramin’ny 2014. Raha jerena manokana ny tamin’ny herintaona dia 26 ireo misiônera nisy namono (pretra 17, relijiozy lahy 1, relijiozy vavy 6, laika 1). Ireo tranga voamarina ihany no tanterina amin’ireo tarehimarika ireo.
115 ny misiônera nisy namono tamin’ny taona 80 (1980 – 1989) raha toa ka 604 ny taona 90 (1990 – 2000). Anisan’ny nampiakatra io isa io ny zava-nisy tany Rwanda satria 248 ireo misiônera namoy ny ainy nandritra ny “vono moka” nisy tany an-toerana.
Tsidiho ny Zenit.org raha te handalina kokoa ianao.