Vavaka telo, hanampy antsika hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra
Loharano – Zenith.org, 27 janoary 2015
Nanolotra vavaka telo ny Papa Fransoa mba hahafahantsika manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra : « mivavaka mba hanam-piniavana hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra, mivavaka mba hahafantatra ny sitrapon’izy Ray ary, farany, rehefa hainao ny sitrak’izy Andriamanitra, mivavaka mba hanatanteraka izany ».
Nandritra ny fifampizarany mikasika ny Evanjely nosoratan’I Md Marka (Mk 3, 31 -35) ka nilazan’i Jesoa hoe « fa na iza na iza manao ny sitrapon’Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko » dia nanamafy ny Ray masina fa « ny fanekena ny sitrapon’Andriamanitra » no « lalan’ny fahamasinana, lalan’ny kristianina ».
Mitaky ezaka io lalana io mba « ho tanteraka ny lahatr’Andriamanitra », ho tontosa ny « famonjena kasain’izy Ray » ; « mifanohitra amin’ny tsy fanekena nataon’i Adama » sy ireo fihetsika « tsy fankatoavana », toy ny fahotana, io lalana io.
« Ny fankatoavana no lalana » ary tsy misy lalana hafa ankoatr’io. « Nanomboka tamin’i Jesoa tany an-danitra, tamin’ny finiavany hankato ny Rainy » sy Maria tety an-tany, izay niteny tamin’ny anjely hoe « Aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao », izany fankatoavana izany.
« Tsy mora » ny « manao ny sitrapon’Andriamanitra » hoy ny Ray masina ka namporisika izy mba hatao in-3 miatoana ny vavaka : « mivavaka mba hanam-piniavana hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra, mivavaka mba hahafantatra ny sitrapon’izy Ray ary, farany, rehefa hainao ny sitrak’izy Andriamanitra, mivavaka mba hanatanteraka izany ».
Nohazavainy ireo vavaka telo ireo :
« Mivavaka mba homen’izy Tompo finiavana hanao ny sitrapony » ka tsy « hiady varotra noho ny tahotra ny sitrapon’Andriamanitra.»
Avy eo « mivavaka mba hahalala ny sitrapon’Andriamanitra amiko, ny fiainako, ny fanapahan-kevitra tokony horaisiko…ny fomba hiatrehana ireo trangam-piainana…»
« Ary rehefa fantatro ny sitrapon’ny Ray, mivavaka hatrany mba hanantanteraka azy. Mba hanao io sitrapo izay tsy ahy fa azy. Ary tsy mora izany ».
Hoy ny Papa namarana ny fizarana hoe « toy ny nolazainy tamin’ireo vahoaka nanaraka azy, enga anie mba afaka hiteny ny nataontsika ny Tompo hoe : rehefa manao ny sitrapon’Andriamanitra isika dia lasa ankohonan’I Jesoa, toy ny reniny, rainy, anabaviny ary rahalahiny ».