Vavaka ho an’ny JMJ Mada X
Andriamanitra Rainay ô ! Entanin’ny Fanahinao Masina izahay ka midera sy misaotra Anao. Tsy misy miafina aminao ny fiainanay tanora, ny halemenay sy ny hafanam-ponay. Miredareda ao anatinay ny faniriana te-hamaly sy hanatanteraka ny antsonao miantefa aminay tsirairay avy, araka ny fanentanan’ny Papa Joany Paoly faharoa hoe : « Miezaha ho tanora tia vavaka, mandray andraikitra, mahay miafy sy mifampizara, tsy hivily amin’ny lala-mahitsy, ho tanora apôstôlin’ny tanora. »
I Jesoa Zanakao ihany koa dia naniraka anay toy ny nataony tamin’i Md Paoly nibebaka manao hoe : « Mitsangàna fa ataoko vavolombelon’ny zavatra hitanao ianao. » Koa ombao mandrakariva ny fahasoavanao izahay ry Ray, ary enga anie ny Fanahinao Masina hankahery sy hitari-dalana anay, mba hahatontosanay izany iraka izany araka ny Sitrakao.
Miaraka amin’i Masina Maria Renin’ny Zanakao sady Reny no modely ho anay tanora, ary ireo Olomasina sy Olontsambatra mpiaro manokana ny JMJ izahay no mitalaho izany aminao.
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay.
Amen