Vavaka iombonana ho an’ny tsingerin-taona faha-dimin’ny Laudato Si
Feno 5 taona ny Laudato Si.
Ankoatry ny vavaka samirery dia hiaraka hanandratra ity vavaka ity isika ny alahady 24 mey amin’ny mitataovovonana.
———–
Ry Andriamanitra tia anay,
Mpahary ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra eo aminy,
Nataonao nitovy endrika taminao izahay, ary nataonao ho
mpiandry ny voaharinao sy ny tranobe iombonanay.
Nitso-drano anay ianao tamin’ny nanoloranao ny
masoandro, ny rano sy ny tany miavosa mba hahafahanay mivelona.
Sokafy ny fanahinay ary hetseho ny fonay
mba hahafahanay rehetra mikolo ny voahary izay nankininao taminay.
Ampio izahay mba hahatsapa fa tsy anay irery ihany ny tranobe iombonana,
fa ho an’ny taranaka mifandimby ihany koa, ary adidinay ny miaro azy.
Enga anie izahay ho afaka manampy ireo sahirana
mitady sakafo sy loharanon-karena izay ilain’izy ireo.
Mitoera eo amin’ireo fadiranovana amin’izao fotoan-tsarotra izao
indrindra amin’ireo tena mahantra sy marefo.
Afaho amin’ny tahotra sy ny ahiahy ary ny fiolonolonana izahay
ary ovao ho fahatsapana fanantenana ireny
mba hahafahanay rehetra mahalala ny fiovam-po marina.
Ampio izahay mba hahay hamorona sy hifanohana
eo am-piatrehana ny voka-dratsin’ity valanaretina maneran-tany ity.
Omeo anay ny herim-po hanaiky ny fiovana izay ilainay
amin’ny fikatsahanay ny soa iombonana.
Amin’izao fotoana izao indrindra no tokony hahatsapanay
fa iray izahay rehetra,
amin’ny ezaka hamalianay ny hiakan’ny tany sy ny antsoantson’ny mahantra.
Amin’ny anaran’i Kristy Tomponay no anaovanay izany vavaka izany.
Amen