Sehatra anehoana ny maha misiônera ny paroasy
« Mba ho entanin’ny toetsaina misiônera anie ny Paroasintsika ka hanjary toerana fampitàna ny finoana marina sy fijoroana ho vavolombelon’ny asa fitiavanamana. »
Ny mpino rehetra vita Batemy no nantsoin’Andriamanitra ho ao amin’ny Fanjakany, sy nomanin’ny Tompo hanao asan’Apôstôly. Ny asam-pamonjena voalohany sady tsy azo avela dia ny mampiseho toe-tsaina kristianina tsara eo amin’ny mpiara-monina : « fijoroana ho Iraka sady Vavolombelon’i Kristy » ; ilay toe-tsaina misiônera tsy maintsy ananan’ny vita Batemy rehetra. Ny Batemy mantsy no maha Mpaminany antsika, ary ny Mpaminany dia olona voantson’Andriamanitra manokana hitondra ny teniny sy ny Hafany ho an’ny olona rehetra tsy ankanavaka. Hoy i Izaia mpaminany raha namaly ny antson’Andriamanitra hanao ny raharahan’ny Mpaminany izy : « Inty aho, iraho aho » (Iz 6, 5).
Koa ny tsirairay mihitsy no tsy maintsy manana ny toe-tsain’ny Mpaminany amin’ny maha Iraka azy, Amin’izany ny asam-pamonjena voalohany sady tsy azo avela dia ny mampiseho toe-piainana kristianina tsara eo anivon’ny fiaraha-monina.
Endrika manokana ananan’ny asan’apôstôly sy ny toe-tsaina misiônera, sady famantarana sy fomba mandaitra tokoa amin’izao androntsika izao, noho izy mampiseho an’i Kristy eo amin’ny mpino, dia ny mijoro ho vavolombelona amin’ny fiainana manontolo, asesiky ny Finoana sy ny Fanantenana ary ny Fitiavana. Rehefa ny tsirairay no samy miezaka hanana izay fo na toe-tsaina misionera izay, dia ny Fiangonana na ny Paroasy iray manontolo mihitsy no indray mientana amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly eo anivon’ny mpiara-belona sy ny Firenena manontolo. « Ny Paroasy, hoy ny Papa Fransoa, no marika maha eo ny Fiangonana amina faritany iray, toerana fihainoana ny Tenin’Andriamanitra sy fitomboan’ny fiainana kristianina, toeran’ ny fifanakalozan-kevitra, ny fifankatiavana ary ny fitsaohana sy ny fankalazana » (Ny Hafalian’ny Evanjely, § 28).
« Ny kristianina àry dia voantso hanao asa famonjena amin’ny lafiny maro samihafa eo amin’ny fiainany ; hotsarovany anefa fa natao hiaraka ny olombelona ary sitrak’Andriamanitra hovorina ao amin’i Kristy ny mpino ho tonga vahoakan’Andriamanitra (I Pr 2, 5-10) ary tiany havondrona ho Vatana iray (I Kor 12, 12). Koa mifanaraka tsara amin’ny toetra maha olombelona sy maha kristianina ny mpino ny asa famonjena, sady famantarana ny Fiombonan’ny Fangonana sy ny firaisany ao amin’i Kristy, Ilay nilaza hoe : ‟Na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho ” » Mt 18, 20) (Konsily Vatikana II, APL 18).
Ny Fiangonana, noho izy nirahin’Andriamanitra ho amin’ny firenena rehetra mba ho sakramentam-pamonjena ny daholobe, sy noho ireo adidy manokana takìn’ny maha-katôlika azy sy amin’ny fanekena ny didin’ny mpanorina azy, dia miezaka amin’ny heriny manontolo ho amin’ny fitoriana ny Evanjely amin’ny olombelona rehetra : “Koa mandehana ianareo, ataovy tonga mpianatro ny firenena rehetra, manaova batemy azy ireo amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, ary ampianaro izy ireny hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo lalandava ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao” (Mt 28,19-20).
Noho izany dia aoka isika kristianina, mpiray Fiangonana na Paroasy hiray zava-kendrena rehefa mandray andraikitra na manao asa famonjena, mitory ny Vaovao Mahafaly. Aoka ho Apôstôly, na ao amin’ny fianakaviana na eo amin’ny Fiangonana sy ny fiaraha-monina, satria ireny no ahitana fa tena mpampita ny finoana marina isika ary fiaraha-miezaka ny asa fitoriana. sy mijoro ho vavolombelon’ny asa fitiavanamana isika.
Narisoa SJ