Russie sy Ukraine : fanokanana amin’ny Fo madion’i Maria
Ry Maria, Renin’Andriamanitra sady Reninay, mitodika aminao izahay amin’izao ora mampahory izao. Reny ianao, tia anay sy mahafantatra anay: tsy misy miafina aminao izay rehetra hifikiranay. Ry Renin’ny famindram-po, imbetsaka izahay no miaina ny tambitambinao tsy hay lazaina, ny fisianao mitondra fandriampahalemana, satria mitantana anay mandrakariva mankany amin’i Jesoa, Mpanjakan’ny fandriampahalemana, ianao.
Saingy indrisy narianay ny làlan’ny fandriampahalemana. Nanadino ireo lesona avy amin’ny zava-doza navelan’ny taonjato teo aloha izahay sy ireo olona antapitrisany maro maty zary sorona tamin’ireo ady lehibe. Notsinotsiniavinay ireo andraikitra noraisina amin’ny maha Firenena Mikambana ary miha-mamadika ny fandriampahalemana izay nofinofisin’ireo vahoaka maro sy ny fanantenan’ny tanora izahay. Mararin’ny fitiavam-bola diso tafahoatra izahay, mikombona ao amin’ireo tombontsoa ho an’ny firenenay fotsiny izahay, manaiky hamainin’ny tsy firaharahiana ny hafa izahay sy ny lemen’ny fitiavan-tena. Naleonay tsy mahalala an’Andriamanitra, miaina miaraka amin’ny hadisoana ao aminay, mamahana herisetra, mamono ny aina, manangona fitaovam-piadiana, mba hanadinoanay fa mpiambina ny hafa sy ny tranobe iombonana izahay. Nopotehinay amin’ny ady ny zaridainan’ny Tany, noratrainay amin’ny fahotana ny fon’Andriamanitra Rainay izay tia anay toy ny mpiray tampo. Tsy miraharaha na iza na iza izahay, afa-tsy ny tenanay ihany. Menatra izahay miteny hoe: mamindrà fo aminay ry Tompo!
Ao anatin’ny fahantrana lalin’ny fahotana, ao anatin’ny faharerahanay sy ny faharefoanay, ao anatin’ny mistery lalin’ny ratsy sy ny ady, dia mampatsiahy anay ianao ry Reny Masina fa tsy mandao anay na oviana na oviana Andriamanitra ary mijery anay am-pitiavana Izy, te hamela heloka anay ary te hampiharina anay mandrakariva. Izy no nanome anay anao sy nanao ny Fonao tsy misy pentina ho fialofan’ny Eglizy sy ny olombelona rehetra. Noho ny hatsaram-pon’Andriamanitra dia miaraka aminay ianao, sy mitantana anay am-pitiavana, na dia ao anaty fiolahana tena tery amin’ny tantara aza izahay.
Mitodika aminao àry izahay, mandondona ny varavaran’ny Fonao izahay zanakao, ianao izay tsy sasatra mandrakariva mamangy sy mitaona anay zanakao ho amin’ny fibebahana. Amin’izao ora manjombona izao, vonjeo izahay ary ampionony. Avereno aminay tsirairay avy ny hoe: “Moa tsy eto ve izaho Reninao?” Hainao ny mamaha ny fatoran’ny fonay sy ny vanim-potoana misy anay. Apetrakay aminao ny fahatokisanay. Azonay antoka fa tsy hanosi-boho-tanana ny fangatahanay ianao ary ho tonga hamonjy anay, indrindra ao anatin’ny sarotra.
Toy izany no nataonao tany Kanàn’i Galilea rehefa nafainganinao ny fotoana hidiran’i Jesoa zanakao an-tsehatra ary nampidiranao ny famantarana voalohany teto amin’izao tontolo izao. Rehefa nampalahelo ny fety, dia hoy ianao taminy: “Lany divay izy ireo” (Jo 2, 3). Ry Reny ô, avereno amin’Andriamanitra indray io teny io satria lany ny divain’ny fanantenanay ankehitriny, levona ny hafalianay, lefy ny maha- mpiray tampo anay. Narianay ny maha-olona, nopotehinay ny fandriampahalemana. Zary manavanana anay ny karazana herisetra sy ny famotehana. Mila maika ny fanampianao reny izahay.
Ry Reny ô, raiso ny fitalahoanay.
Ianao ilay kintan’ny ranomasina, aza avela hilentika ao anatin’ny tafio-drivotry ny ady izahay.
Ianao ilay sambo fiaran’ny fanekem-pihavanana vaovao, tsilovy ny vinavina sy ny làlan’ny fampihavanana.
Ianao ilay “tanin’ny Lanitra”, avereno eto amin’izao tontolo izao ny fihavanan’Andriamanitra.
Vonoy ny fankahalana, lefaho ny valifaty, ampianaro anay ny famelàn-keloka.
Afaho amin’ny ady izahay, arovy amin’ny fampihorohoroana nokleary izao tontolo izao.
Ry Renin’ny Rôzery, fohazo ao aminay ny filàna hivavaka sy hitia.
Ry Renin’ny fianakavian’olombelona, asehoy amin’ny vahoaka rehetra ny làlan’ny firahalahiana.
Ry Renin’ny fandriampahalemana, ampazahoy fandriampahalemana izao tontolo izao.
Enga anie ny ranomasonao, ry Reny ô, mba hampihetsika ny fonay maditra. Ny ranomaso nalatsakao ho anay anie hampamony voninkazo ato amin’ity lohasahanay nohamainin’ny fankahalàna ity. Ary satria tsy mangina ny tabataban’ny fitaovam-piadiana dia ny vavakao anie hampandry fahalemana anay. Hanafosafo ireo mijaly sy mandositra noho ny vesatry ny baomba anie ny tànanao reny. Ny fihin-dreny avy aminao anie hampionona ireo voatery mandao ny tranony sy ny fireneny. Ny fonao malahelo anie hanazatra anay mba ho feno fitserana sy hanosika anay hamoha ny varavarana sy hitsabo ireo olona maratra sy very.
Ry Renin’Andriamanitra, rehefa teo am-pototry ny hazofijaliana ianao, dia hoy i Jesoa, rehefa nahita ny mpianatra teo anilanao: “Indro ny zanakao” (Jo 19,26). Nankininy taminao izahay tsirairay avy. Ary hoy izy tamin’ilay mpianatra sy aminay tsirairay: “ Indro ny Reninao” (Jo 19, 27). Ry Reny, te handray anao izahay ankehitriny ao amin’ny fiainanay sy ao amin’ny tantaranay. Eo ambany hazofijaliana miaraka aminao, ny olombelona reraka sy tohina amin’izao ora izao. Mila mitoky aminao izy ireo, manokan-tena amin’i Kristy amin’ny alalanao,
ny vahoaka Okranianina sy ny vahoaka Rosianina, izay manaja anao am-pitiavana, midodododo mankany aminao, ary ny fonao dia mitempo ho azy ireo sy ho an’ny vahoaka rehetra haripaky ny ady, ny hanoanana, ny tsy fahamarinana ary ny fahantrana.
Ry Renin’Andriamanitra sady Reninay, ankininay sy atokanay amin’ny fomba manetriketrika amin’ny Fonao tsy misy pentina ny tenanay, ny Eglizy ary ny olombelona rehetra, indrindra fa i Russie sy Ukraine. Raiso izao vavaka tanterahinay am-pitokiana sy am-pitiavana izao. Ataovy mitsahatra ny ady, omeo an’izao tontolo izao ny fandriampahalemana. Ny “eny” nivoaka avy amin’ny fonao dia namoha ny varavaran’ny tantara ho an’ny Mpanjakan’ny fiadanana; manantena izahay fa mbola ho avy amin’ny Fonao koa ny fandriampahalemana. Ankininay aminao ny ho avin’ny fianakavian’olombelona, ny zavatra ilaina, ny hetahetan’ny vahoaka rehetra, ny tebitebiny ary ny fanantenan’izao tontolo izao.
Hirotsaka amin’ny tany, amin’ny alalanao anie, ny famindram-pon’Andriamanitra ary hanomboka tsikelikely hanentana ny andronay anie ny dobodoboka malefaky ny fandriampahalemana . Ry vehivavin’ny “eny”, izay nidinan’ny Fanahy Masina, avereno aminay ny lamina avy amin’Andriamanitra. Halao hetaheta ny fonay maina, ianao ilay “loharano velon’ny fanantenana”. Ianao ilay nikolokolo ny maha-olona an’i Jesoa, ataovy mpanefy fiombonana izahay. Mizotra ny làlanay ianao ka mba tariho amin’ny làlan’ny fandriampahalemana izahay.
Amen!