Tambajotram-Pivavahan'ny Papa Maneran-tany MADAGASIKARA
Hafaliana feno firariantsoa no iarahabana antsika izay manokatra sy mijery ary mamangy ity tranokalan’ny AFAFI-FET ity. Ho amintsika lalandava anie ny fahasoavan’i Jesoa Tompo sy ny fiombonana ao amin’ny Fanahy Masina.
Efa ela ihany izay no naniriana sy namolavolana ity tranokala ity, hampielezana sy hitoriana ny Vaovao Mahafaly eo anivon’ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana na ny « Apostolat de la Prière » sy ny Fivondronana Eokaristikan’ny Tanora (FET) na « Mouvement Eucharistique des Jeunes », ary koa ho fampahafantarana ny fikambanana amin’ireo liana hahalala sy hiditra hanatevin-daharana ao.
Tontosa izany ankehitriny noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny ezaka nataon’ireo manan-talenta sy tsara sitrapo ary ny Ekipa sy ny mpiara-miasa aminy. Mbola be ny fanatsarana tsy maintsy atao sy ny tovana ombieniombieny. Ho fiaingana sy fanombohana ihany izao. Angatahana ny fanohanantsika rehetra ny fanatsarana azy, na am-bavaka izany na torohevitra na amin’ny hoenti-manana ihany koa aza.
Isaorana manokana ireo teknisianina, izay tsy hoe nanampy fotsiny fa tena nandray an-tanana mihitsy ny fanatontosana. Fa indrindra isaorana Andriamanitra tompon’ny fandaharana sy ny zavatra rehetra, fa izy no mitantana sy manoro antsika amin’ny fanilon’ny Fanahy Masina izay tokony hataontsika
Ho ela velona ao am-pontsika anie i Jesoa Kristy!
Mandrakizay
Ny Aomônie Nasionaly. P. Odon Honoré ANDRIANARISOA sj
Notendren’i Papa Fransoa hisolo tena azy eto Madagasikara Mgr Thomas GRYSA. 52 taona izy ary efa nitana andraikitra maro teto anivon’ny Fiangonana. Iza moa i Mgr Thomas GRYSA ? Teratany poloney Mgr Thomas GRYSA,...
Mba ho sehatra anjakan’ny firaisan-kina sy ny firahalahiana ary ny fandraisana ny hafa anie ny Eglizy izay miaina ny Evanjely sy mitory azy aminkerim-po ary mba hiainany bebe kokoa anie ny fiombonam-po.
Ho an’ny Tanora tafavory hankalaza ny JMJ sehatra nasionaly ao Antsirabe Ry tanora malala tafavory ao Antsirabe amin’ity JMJ sehatra nasionaly ity, faly miarahaba anareo am-pitiavana ny tenako. Miombom-po sy miombom-bavaka aminareo aho ary...
Mba ho foana amin’ny lalànan’ny firenena rehetra maneran-tany anie ny fanamelohana ho faty izay manimba sy manosihosy ny hasina maha olona.
Andriamanitra Rainay ô ! Entanin’ny Fanahinao Masina izahay ka midera sy misaotra Anao. Tsy misy miafina aminao ny fiainanay tanora, ny halemenay sy ny hafanam-ponay. Miredareda ao anatinay ny faniriana te-hamaly sy hanatanteraka ny antsonao...
Mba hahita vahaolana hahafahany manohy ny asany ho fanompoana ny mpiara-belona aminy anie ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany izay tena ianjadian’ny fahasahiranana ara-toe-karena sy ara-tsôsialy.
Mba hanampy ny tanora hibanjina ny ho avy amim-panantenana sy amim-pandraisana andraikitra anie ny traikefam-piainana sy ny fahendren’ny zokiolona izay maneho ny fototra niandohana sy mpitahiry ny fomba amam-panaon’ny vahoaka iray.
Mba hiaina ny fitiavana maimaim-poana sy ny fahamasinana eo amin’ny fiainana andavanandro anie ny fianakaviana kristianina maneran-tany
Mitsangana ho vavolombelon’izany zavatra hitanao zany e!»Mandehana torio amin’ny fiainanao ny Vaovao Mahafaly eI- Teny an-dalana ho any Damasy dia izao ny zava nisehoNisy hazavana nanaitra an’i Saoly ka lavo izy( sy) nandre feo«...
Mba hahita ao amin’i Masina Maria ny fahaiza-mihaino, ny halalin’ny fahaiza-mandanjalanja, ny herim-pinoana ary ny fahafoizan-tena hanampy ny hafa anie ny tanora izay voaantso ho amin’ny hafenoan’ny fiainana Mandritra ity volana mey 2022 ity...