Tambajotram-Pivavahan'ny Papa Maneran-tany MADAGASIKARA

Hafaliana feno firariantsoa no iarahabana antsika izay manokatra sy mijery ary mamangy ity tranokalan’ny AFAFI-FET ity. Ho amintsika lalandava anie ny fahasoavan’i Jesoa Tompo sy ny fiombonana ao amin’ny Fanahy Masina.

Efa ela ihany izay no naniriana sy namolavolana ity tranokala ity, hampielezana sy hitoriana ny Vaovao Mahafaly eo anivon’ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana na ny « Apostolat de la Prière » sy ny Fivondronana Eokaristikan’ny Tanora (FET) na « Mouvement Eucharistique des Jeunes », ary koa ho fampahafantarana ny fikambanana amin’ireo liana hahalala sy hiditra hanatevin-daharana ao.

Tontosa izany ankehitriny noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny ezaka nataon’ireo manan-talenta sy tsara sitrapo ary ny Ekipa sy ny mpiara-miasa aminy. Mbola be ny fanatsarana tsy maintsy atao sy ny tovana ombieniombieny. Ho fiaingana sy fanombohana ihany izao. Angatahana ny fanohanantsika rehetra ny fanatsarana azy, na am-bavaka izany na torohevitra na amin’ny hoenti-manana ihany koa aza.

Isaorana manokana ireo teknisianina, izay tsy hoe nanampy fotsiny fa tena nandray an-tanana mihitsy ny fanatontosana. Fa indrindra isaorana Andriamanitra tompon’ny fandaharana sy ny zavatra rehetra, fa izy no mitantana sy manoro antsika amin’ny fanilon’ny Fanahy Masina izay tokony hataontsika

Ho ela velona ao am-pontsika anie i Jesoa Kristy!

Mandrakizay

Ny Aomônie Nasionaly. P. Odon Honoré ANDRIANARISOA sj

Kongresy Eokaristika 2024 ; Mandraisà anjara amin'ny fifaninana logo

Kongresy eokaristika nasiônaly 2024 : fifaninanana logo

Hatao any Quito, Equateur ny Kongresy Eokaristika Iraisam-pirenena ny volana Septambra 2024. Isika  eto Madagasikara, kosa, dia hanatanteraka ny Kongresy Eokaristika Nasionaly any Antsiranana ny 23 – 25 Aogositra 2024. Ny Kongresy Eokaristika moa...

Kongresy Eokaristika 2024 ; Mandraisà anjara amin'ny fifaninana logo

Kongresy Eokaristika Nasiônaly : ireo tsara ho fantatra

Nanatanteraka FILAN-KEVITRA NASIONALY ny AFAFI-FET Madagasikara ny 28 Aprily hatamin’ny 01 May izay niompana tanteraka amin’ny fanomanana ny Kongresy Eokaristika Nasionaly hatao ny 20 hatramin’ny 26 Aogositra 2024 any Antsiranana. Ireto avy no tsara...