Ny fampiasam-panahy sy ny dingana ao amin’ny EKA
Ny Aim-panahy iveloman’ny AFAFI-FET dia mifototra indrindra amin’ny Fampiasam-panahin’i Md Ignasy avy any Loiola. Notakarina avy amin’ny Fampiasam-panahin’i Md Ignasy.
Mifototra indrindra amin’ny atao hoe Fampiasampanahy ny AFAFI
- FP= Fanazaran‐tena hivelona amin’ny ny Vavaka, ny Tenin’Andriamanitra, ny Eokaristia: Ny fampianaran’i Kristy manontolo sy ny fanarahan‐dia azy.
- Voafintina ao anatin’ny Laretirety 30 Andro, ahitana herinandro 4 araka ny Foto‐kevidehibe manentana azy avy
Tsy ny Zezoita ihany no anoloran’i Md Ignasy ny Fampiasam-panahy, fa rehefa mety ho Kristianina manam-paniriana hanaraka an’i Kristy akaiky kokoa. Fa ny andram-piainana niveloman’i Md Ignasy no tiany hampitaina amin’ny Besinimaro. Ny Aim-panahy iveloman’ny AFAFI-FET dia notakarina avy tao amin’io Fampiasam-panahy io. Hita soritra mazava izany ao amin’ny fiainan’ny EKA sy ny AFAFI, indrindra fa amin’ny alalan’ireo Dingana telo ataony.
Ny Fampiasam-panahy arak’i Md Ignasy avy any Loyola
« Ny atao hoe Fampiasam-panahy mantsy dia ireo fomba rehetra enti-mandini-tena, mandinika, mibanjina, mivavaka am-bava sy an-tsaina, ary koa ireo asam-panahy hafa araka izay holazaina manaraka … Antsoina hoe Fampiasam-panahy ny fomba rehetra entina manomana ny fanahy ho vonona hanaisotra ao amin’ny fitiavana tsy mirindra mamatopatotra rehetra, ary rehefa voaesotra izany, dia mitady sy mamantatra ny sitrapon’Andriamanitra eo amin’ny fandaminana ny fiainana mba hamonjena fanahy » [FP. 01].
Fampiasana : Izany hoe : fihetsiketsehana, fanomanan-tena, toy ny amin’ny fanatanjahantena raha hiatrika fifaninanana lehibe ; toy izany koa ny amin’ny ara-panahy : omanina ny fanahy amin’ny alalan’ny Fampiasana isankarazany (vavaka, fandinihana, fandinihan-tena, vavaka tora-po, vavaka tononina sy an-tsaina, fibanjinana, …), mba ho vonona sy handray ny sitrapon’Andriamanitra, ary hanome voninahitra azy.
Inona àry no tombon-tsoa azo avy amin’ny fanaovana Fampiasam-panahy, ary inona no vokatra azo andrandraina amin’izany ?
Manampy handrindra ny fiainana hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny Fampiasam-panahy, na eo amin’ny safidy ataon’ilay manao laretirety – dia ny hanambady, hanao pretra na ho relijiozy ; na koa raha efa nanan-tsafidy raikitra ilay olona, fa miezaka hampifanaraka tsaratsara kokoa ny fiainany amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ny Fampiasam-panahy dia lahatr’asa manoritsoritra ny fivoarana ara-panahy. Ka ny tanjona dia ny hanentana izay manao ny Fampiasam-panahy ho maimaim-pitiavana hanaraka an’i Kristy, hanao ny sitrapon’Andriamanitra sy hanome voninahitra Azy, amin’ny alalan’ny vavaka Fandinihana ny Tenin’Andriamanitra sy Fibanjinana ny fiainan’i Jesoa Kristy, dia ny misterin’ny fanavotana.
« Soa be tokoa no ho azon’ilay manao Fampiasam-panahy raha fo malalaka sy vonona hahafoy be ho an’ny Mpahary sy Tompony no entiny miroso amin’izany, ka atolony azy ny sitrapony sy ny safidiny rehetra, mba hahazoan’Izy Tompo lehibe indrindra manao izay tiany amin’ny tenany sy izay rehetra ananany, araka ny sitrapony masina » [FP. 05].
Ny Tanjona:
- Ny fanitarana ny Fanjakan’Andriamanitra
- Fivelomana ny Eokaristia amin’ny fiainana andavanandro.
- Inona no akon’ny Sakramenta raisiko ?
- Manova na manavao ny fiainako ve izy?
- Miha Jesoa isan’andro: ezaka hitovy @ Kristy