Nitsidika an’i Afrika ny Papa Fransoa : Fifampizaràna an-tsary
Nitsidika an’i Afrika ny Papa Fransoa ny 25 ka hatramin’ny 30 novambra lasa teo. Kenya, Ouganda ary Centrafrique, ireo no firenena notsidihany. Feno tokoa ny fandaharam-potoana (jereo eto ny antsipiriany) ary mafonja ny hafatra nentin’ny Ray masina.
Indreto misy sary vitsivitsy ifampizaràna amintsika :
1. Karibu PAPA Francis
Nigadona teo amin’ny seranan’i « Jommo Kenyatta », Nairobi ny Ray Masina ny alarobia 25 novambra tamin’ny 5 ora hariva. Nanemitra ny làlana ny olona marobe. « Tonga soa, Papa Fransoa »
2. Fihaonana iraisam-pinoana
« Tsy tokony ampiasaina anamarinana herisetra sy fialonana ny anarany masina », hoy ny Papa Fransoa.
3. Maro ireo tanora tonga tao amin’ny kianjan’i Kisarani
« Aoka hihaino ny hafa ary hifandray tanana »
4. Torak’izany ihany koa ireo tanora ougandey
5. Namugongo, toerana fanajana ireo maritiry ao Ouganda
Nasandratry ny Ray masina Paul VI ho olomasina ireo maritiry tany Ouganda ny 18 oktôbra 1964. Isan’ireo KIZITO izay maty maritiry teo amin’ny faha-14 taonany.
6. Catherine Samba-Panza, filohan’ny tetezamita ao Centrafrique
« Angatahako famelana ireo ratsy rehetra natao teto Centrafrique »
7. Fihaonana tamin’ireo mpitsoam-ponenana
« Tsy misy fandriampahalemana raha tsy misy famelana…mpirahalahy isika rehetra » Hoy ny Papa
8. Fanokafana ny varavarana masina – Katedralin’i Bangui

Sary : Jerome Delay – AP/SIPA
9. Fihaonana tamin’ireo mpino silamo – Mosquée Koudoukou, Bangui
« Aoka hifampitondra toa ny mpirahalahy isika » Hoy ny Ray Masina
10. Sorona masina tao amin’ny kianja Barthélemy Boganda, Bangui

Sary : Giuseppe Cacace – AFP
11. Nitsidika ireo zaza tsy salama ihany koa ny Ray masina

Sary : AP/SIPA
12. Miresaka amin’ireo mpanao gazety ao anaty fiaramanidina
Raha te hijery sary misimisy kokoa ianao dia tsidiho ny : www.photogallery.va