Misokatra ny taom-panabeazana 2014-2015 !
« Mba ho ao aminareo ny fifaliako » (Joany 15, 11)
Afafi ! – FET !
Io teny Fanevan’ny Taon-jôbily iraisan’ny AFAFI-FET maneran-tany sady tenin’i Jesoa tamin’ny Mpianany io no entinay avy aty amin’ny Foibe Nasiônaly miarahaba antsika rehetra Aomônie, Zoky am-panahy, Mpanabe sy ny AFAFI-FET tsy ankanavaka manerana ny Nosy amin’izao fiandohan’ny taom-pikatrohana vaovao 2014 – 2015 izao.
Mirary koa izahay raha mirary ny hampitoetra lalandava ao am-pontsika ny fahasoavan’Andriamanitra ka hahafahantsika mijoro ho tena Iraka sy Vavolombelon’i Kristy amin’ny fiainantsika manontolo. Ho taom-pahombiazana ho an’ny AFAFI sy ny FET manontolo anie ity taom-pikatrohana vaovao ity.
Indreto ary ireo lahadinika ifampizarana amintsika amin’izao fanombohana ny taom-panabezana izao :
- Jery todiky ny taona lasa
- Soridalana 2014-2015
- Tetiandro mikasika ireo fankalazana isan-tsokajiny
- Fisoratana anarana ho an’izay ho any Rôma
- Fifampitondrana am-bavaka amin’ny samy diôsezy
- Lakroa AFAFI-FET :
- T-Shirt faha-100 Taona :
- Logo FET na AFAFI-FET :
- Vavaka fanolorana ny andro 2015
- Gazetim-panabeazana « ny Hafatro » sy « Firaisankina »