Mgr Thomas GRYSA : nonce apostolique vaovao eto Madagasikara
Notendren’i Papa Fransoa hisolo tena azy eto Madagasikara Mgr Thomas GRYSA. 52 taona izy ary efa nitana andraikitra maro teto anivon’ny Fiangonana.
Iza moa i Mgr Thomas GRYSA ?
Teratany poloney Mgr Thomas GRYSA, teraka tany Poznan ny 16 oktôbra 1970 izy. Nohamasinina ho pretra ny 25 mey 1995 ary nandalina ny Droit canon. Ny 01 jolay 2001 kosa izy no nanomboka niasa tao amin’ny sampandraharaha misahana ny diplômasia eo anivon’ny fiketrahana masina.
Mgr Thomas GRYSA : niasa tany amin’ny firenena maro
Maro ireo firenena efa niasany : Rosia, Inde, Belgique, Mexique, Brésil, Israël ary Etazonia. Nanampy ny iraka maharitry ny Papa Ray Masina eo anivon’ny Firenena Mikambana izy nandritra ny telo taona (2016 – 2019).
Mahafehy fitenim-pirenena maro Mgr Thomas GRYSA. Isan’ireny ny rosiana, frantsay, anglisy, espaniola, portogey ary italianina.
Miombom-bavaka isika mba hahavita soa ny iraka hataony eto amintsika izy.