Mitsidika antsika ny tehin’i Mb Terezy avy any Avila
Tonga ny alatsinainy 19 janoary teo ny tehin’I Mb Terezy avy any Avila. Hitety faritra maro eto Madagasikara izy hatramin’ny alahady 25 janoary ho avy izao.
Iza moa I Mb Terezy avy any Avila?
Teraka ny 28 martsa 1515 tany Gotarrendura (Espagne) izy. Nankafiziny ireo rendrarendran’ny fiainana maha tanora nanomboka teo amin’ny faha 14 taonany. Na dia mafy taminy aza dia nanampy azy handresy ny fakam-panahy ny nampidiran-drainy azy tao amin’ny tranon-drelijiozy Santa María de Gracia tamin’ny 1531.
Tsy nankasitrahan-drainy ny hirosoany amin’ny fianan-dreliziozy. Nanao an-ditra i Terezy, niditra antsokosoko tany amin’ireo karmelita ary ny 3 novambra 1534 no nanonona ny voadiny.
40 taorian’ny nahafatesany izy no nasandratry ny Papa Grégoire XV ho olo-masina ny 12 martsa 1622.
Maro ny nampiavaka ny fiainan’i Mb Terezy avy any Avila, telo no asongadina amintsika :
– Nanavao ny fitsipika iainan’ireo karmelita izy niaraka tamin’i Md Jean de La Croix. Fahantrana, fanekena ary fanetren-tena, ireo no toetra telo entina mandavorary ny fivavahana ao anatin’ny fahanginana.
Ho “apostôlin’ny apostôly”, io no anisan’ny tarigetra napetrany.
– Anisan’ireo olona 4 mitondra ny « Ratran’i Fo masin’i Jesoa » izy (Transverbération)
– Izy no vehivavy voalohany nasandratra ho mpampianatry ny Fiangonana tamin’ny taona 1970.
Ireo toerana hotsidihin’I Mb Terezy
Alarobia 21 : Katediraly Andohalo, Sekoly Maria Manjaka, Karmelita avy any Turin eny Ilanivato, Karmelita Ampasanimalo, Karmelita eny Andohatapenaka.
Sorona Masina eny Andohalo amin’ny 9 ora maraina.
Alakamisy 22 : Karmelita any Moramanga, Mompera Karma eny Itaosy
Zoma 23 : Mompera Karma Arivonimamo, karmelita misionera any Ambohijanamasoandro
Sabotsy 24 : karmelitan’ny Mb Terezy avy any Turin, Itaosy ; EKAR Mb Terezy, Ambohibemasoandro ; Karmelita any Amboatavo, Itaosy; Paroasy Md Misely, Itaosy.
Alahady 25 : Sorona Masina ao amin’ny EKAR Md Misely Itaosy
Mazotoa ary miara-mivavaka amin’ny Mb Terezy avy any Avila amin’izao fitsidihany antsika izao.
Mankalaza ny faha 500 taona nahaterahan’i Mb Terezy ihany koa ny Fiangonana ka fotoana izao handalinana misimisy kokoa ny fiainan’ity olomasina ity.