Mahita ny zavatra rehetra mihavao ao amin’i Kristy
Migadona indray àry ity ny taom-pikatrohana vaovao 2021-2022, roso hatrany ny diantsika « mahita ny zavatra rehetra mihavao ao amin’i Kristy » mamakivaky ny andro sy ny volana ary ny taona. Roso ny dia, aza matahotra ! Indro àry atolotra antsika ny SORIDALANA hahafahantsika mijoro ho tena Iraka sy Vavolombelona ary Endrik’i Kristy marina eo amin’ny fiainantsika manontolo ka ho mpitondra Aina sy Famonjena ho an’ny manodidina antsika sy ny fiaraha-monina misy antsika.
Andininy 1 : Teny Faneva
« Mahita ny zavatra rehetra mihavao ao amin’i Kristy »
Nofidina manokana io teny Faneva io ho fiaraha-mientana amin’ny Fianakaviam-be Ignasianina maneran-tany, amin’izao Taona ignasianina izao. Iarahantsika mahalala mantsy fa ny TPPM miaraka amin’ny AFAFI-FET, eo amin’ny sehatra maneran-tany, dia nankinin’ireo Papa nifandimby amin’ny Fikambanan’i Jesoa manokana ny fitantanana sy ny fiahiana azy, ary vao tsy ela akory ny Papa François no nanavao sy nanamafy izany.
Fahatsiarovana roa lehibe no tafiditra amin’io Taona Ignasianina io dia:
- Ny faha-500 taonan’ny ratra nahazo ny tongotr’i Md Ignace de Loyola, mpanorina ny Fikambanan’ny Jesoa. Notsaboina ny ratra nahazo ny tongony ankavia vokatry ny bala tafondro ; naharitra volana maromaro ny fitsaboana. Rehefa nihatsara ka nanao fialan-tsasatra iny Ignace dia nanomboka tsikelikely ny dingam-pibebahany, nohazavain’i Kristy tamin’ny alalan’ny vaky boky : « Fianarana an’i Jesoa Kristy sy ny Evanjely ary Tantaran’ny olomasina (Md François d’Assise, Md Dominique) ». Ny ratra nahazo ny tongony no nanjary sampanana nitarika azy amin’ny fibebahana. Raha nihazakazaka handrombaka ny voninahitr’izao tontolo izao izy teo aloha, dia nanjary niezaka naneho ny voninahin’Andriamanitra ankehitriny, tsy hanana Tompo afa tsy i Jesoa-Kristy. Ny fihavaozam-piainana ao amin’i Kristy no nanentana azy “Hahita ny zavatra rehetra mihavao ao amin’i Kristy”.
- Ny faharoa : dia ny faha-400 taona nananganana ho olomasina an’i Masindahy Ignace de Loyola sy Masindahy François Xavier, izay natao tamin’ny 12 marsa 1622. Hifarana amin’ny 31 Jolay 2022*, andro ankalazana ny fetin’i Md Ignace, ity Taona ignasianina ity.
Ny Lohahevitra nofidina ho an’ity fankalazana ity no sady Teny Faneva iainantsika AFAFI-FET ho an’ny taom-pikatrohana 2021-2022 rahateo : « Mahita ny zavatra rehetra mihavao ao amin’i Kristy », dia mitarika antsika « hohavaozin’ny tenan’i Kristy » amin’izay atao rehetra, amin’ny fiainana manontolo mihitsy. Azo itarafana io Teny Faneva io ihany koa anefa ny voalaza ao amin’ny Apôkalipsa na ny Boky Fanambarana nosoratan’i Md Joany 21, 5 : « Indro havaoziko ny zavatra rehetra ».
Hanampy antsika amin’ny fiainana sy fampiharana ny Teny Faneva dia ireto misy taridalana vitsivitsy, ankoatra izay heverintsika manokana handalinana izany :
Andininy 2 : Md Ignace sy ny Fampiasam-panahy
« Ny Fampiasam-panahy (Exercice Spirituel) dia iray amin’ireo vokatra manan-danja indrindra amin’ny dian’ny fiovam-pon’i Md Ignace, navela ho lova ho an’ny olombelona rehetra, ho fitaovana mitondra tombontsoa hanehoana ny lalana mankany amin’Andriamanitra » (RP. Arturo SOSA, Jeneralin’ny Fikambanan’i Jesoa).
- Fandalinana ny tantaran’i Md Ignace. Azo atao ny manao tantara an-dapihazo (Sary velona), na koa fifaninanana momba izany. Azo vidina aty amin’ny Foibe ny boky misy ny tantaran’i Md Ignace.
- Fanaovana ny Fampiasam-panahy (Laretirety, Fihatahana Masina…) manaraka ny tari-dalana natolony ;
- Fandalinana hatrany « Ny Lalan’ny Fo », izay aim-panahin’ny TPPM, notakarina avy ao amin’ny Fampiasam-panahy ihany ;
- Fampiharana ny Miha-Jesoa na ny fanaovana Fandinihana ny kônsiansy.
Andininy 3 : Tenin’Andriamanitra (Soratra Masina)
Ezaka ataon’ny AFAFI-FET hatrany ny hahalala sy hiaina ny Tenin’Andriamanitra ; ilaina, noho izany, ny fandalinana azy bebe kokoa. Hohalalinina manokana amin’izany ireto Boky ireto :
- Ao amin’ny Testamenta Taloha : ny Pentateoka na ilay antsoina ihany koa hoe Boky dimin’i Moizy.
- Ao amin’ny Testamenta Vaovao : ny Evanjely nosoratan’i Md Matio, Md Marka, Md Lioka na ilay antsoina hoe Evanjely sinôptika.
- Ny Boky Fanambarana nosoratan’i Md Joany na ny Apokalipsa Toko 21 sy 22. Singanina manokana ireo Toko roa ireo noho izy maneho : Ilay Jerosalema Vaovao, Ilay Jerosalema ho avy ; maneho ny fanavaozan’i Kristy zavatra rehetra ; ary itarafana indrindra izay ambaran’ny Teny Faneva hoe : « Mahita ny zavatra rehetra mihavao ao amin’i Kristy ».
Andininy 4 : Fampielezana ny Tambajotram-pivavahan’ny Papa Maneran-tany na ny TPPM
- Anisan’ny singa mandrafitra tsy tapaka ny Soridalana isan-taona ny fiainana sy fampielezana ny TPPM. Ny antony dia noho izy io IRAKA manokana miantefa amin’ny AFAFI-FET avy amin’ny Papa Ray Masina. Tsy mahagaga izany, nefa kosa tena zava-dehibe loatra, satria ny TPPM sy ny AFAFI-FET miaraka aminy dia natokan’ny Papa ho « Asa aman-draharahan’ny Papa manokana » (Œuvre Pontificale).
- Entanina ny isan-diosezy sy isaky ny Ekipa fototra ary ny mpikambana tsirairay mihitsy, hanao ezaka amin’ny fomba mahomby ho entina mampahafantatra sy mampiely izany amin’ny kristianina. Aoka tsy hionona fotsiny amin’ny famarotana na fizarana ny taratasy kely TPPM misy ny fangatahan’ny Papa isam-bolana isika.
Andininy 5 : Ny AFAFI-FET miara-mitempo amin’ny Eglizy ( Sentire cum Ecclesia)
- Eo am-panomanana ny sinaody lehibe hataon’ny Eveka amin’ny 2023 ny Eglizy maneran-tany ankehitriny. Andraisan’ny diosezy rehetra anjara io fanomanana io nanomboka tamin’ny 17 oktobra 2021 lasa teo. Mandritra ny roa taona ny fanomanana io sinaody lehibe io, izay hifantoka amin’ny Lohahevitra hoe : « Mba ho Eglizy miara-dia : fiombonana, fandraisana anjara, asa fanirahana ». Misy dingana telo ny hanatanterahana ny sinaody : eo amin’ny sehatra diosezianina, eo amin’ny sehatra kaontinanta ary ny fihaonam-ben’ny Eveka maneran-tany.
koa :
- Entanina isika AFAFI-FET hiombona amin’ny Eglizy maneran-tany amin’ny fitondrana am-bavaka ho fandraisana anjara amin’ny fanomanana io sinaody io.
Andininy 7 : Andro maneran-tanin’ny TPPM/AFAFI-FET sy ny Olomasina Mpiaro
- Homarihina sy hankalazaina amin’ny fomba manokana hatrany, toy ny fanao isan-taona, ny Andro maneran-tany ho an’ny TPPM/AFAFI-FET, dia ny Alahadin’ny Sakramenta Masina izany na ny Vatana aman-dRan’i Kristy. Toraka izany koa ny fetin’ny Olomasina Mpiaro : Mb Terezin’i Jesoa Zazakely sy Md François Xavier.
- Hanaovana ezaka manokana ny fitoriana ny Vaovao mahafaly amin’ny fomba miavaka na amin’ny endrika vaovao amin’io volana desambra io, izay anamarihantsika ihany koa ny fetin’i Md François Xavier no sady tafiditra rahateo ao anatin’ny taona ignasianina.
- Entanina ihany koa ny fiombonana amin’ireo hetsika karakarain’ny Fikambanan’I Jesoa hanamarihana ny taona ignasianina.
Andininy 8 : Soridalana maharitra vokatry ny Taon-jôbily faha 100 taonan’ny FET
Araka ny efa niaraha-nahita tamin’ny Filan-kevitra nasionaly natao farany tany Ambiatibe, ny 14 – 17 oktobra 2021 lasa teo, dia atolotra antsika ary hampiharina manomboka izao ny Soridalana maharitra vokatry ny fankalazana ny faha 100 taona niorenan’ny FET teto Madagasikara. Soridalana ho an’ny AFAFI-FET manontolo izy io ary hitohy isan-taona ny fampiharana azy. Aoka ho tsaroana sy ho tadidiana mandrakariva fa Ezaka masina ataontsika ny mitondra ity Fikambanana ity ho any amin’ny faha 100 taona manaraka, ka hankalazan’ireo taranaka any aoriana indray ny faha 200 taona.
Hohitantsika amin’ny pejy manokana io Soridalana io.
Andininy 9 : Fanajana ny Tranobe iombonana sy Fitiavan-tanindrazana
Hotohizina hatrany ny ezaka rehetra efa natao, ary hohatsaraina bebe kokoa aza izany, amin’ny fiarovana sy fikolokoloana ny Tranobe iombonana sy ho fitiavan-tanindrazana. Aoka mba hisy asa mivaingana azo tsapain-tanana ataon’ny isan-diosezy na ny Ekipa fototra momba izany. Amin’izany dia hisy fotoam-pivoriana hiresahana sy hifampizarana ary hampianarana manokana momba ny fitiavan-tanindrazana.
Hampidirina amin’ny fandaharam-panabeazana ato amin’ny AFAFI-FET ny Fanabeazana miaina sy mitia na ny EVA (Education à la vie et à l’amour). Hanao ezaka ny Mpanabe amin’ny fandalinana izany hanamora ny fampitana azy amin’ny mpikambana.
Andininy 10 : Tatitra isan-taona
Hatao laharam-pahamehana ny fanaovana tatitra feno isan-taona amin’ity indray mitoraka ity araka ny efa niaraha-nanapaka tamin’ny Filankevim-pirenena farany teo ka hatao tonga mialohan’ny faran’ny taona 2021 izany. Hasongadina amin’izany ny antontanisa.
Ireo àry no SORIDALANA ho entintsika mamakivaky indray ity Taom-pikatrohana 2021-2022 ity. Misy Andininy folo (10) izy io ka tsy misy hataontsika latsa-danja ny fampiharana azy.
——–
* Hofaranana amin’ny 31 jolay ny sinaoda ka nahemotra amin’ny 21 aogositra ny famaranana ny taona ignasianina.