Laudato si, ho fiarovana ny fonenana iombonana
Hiatrehana ny faharavan’ny tontolo iainana ny Laudato si

Loharano : International Globpost
« Hoderaina anie ianao ry Tompoko » io no lohatenin’ny ansiklika navoakan’ny Papa Fransoa tamin’ny 24 mey 2015 lasa teo.
Ho fiarovana ny tany, fananana iombonana no votoatin’ny taratasy ary manoritra soridalana entina miatrika ireo fanamby goavana ateraky ny faharavan’ny tontolo iainana ankehitriny ny Papa Ray Masina.
Mizara toko 6, ahitana laharana 246 ity ansiklika ity ary misy fanamarihana maro miainga avy amin’ny fampianaran’ny Fiangonana.
Hifampizarantsika miandalana eto ireo toko 6 ireo ka ny toko voalohany no entina amitsika anio.
Toko voalohany : « Ireo zava-mitranga ao an-tranotsika »

Loharano : macp.gov.mg
Iarahantsika mahalala ny zava-misy ankehitriny :
- Ny fiovaovan’ny toetr’andro ;
- Ny tsy fahampian’ny rano fisotro madio ;
- Ny faharinganan’ny zava-boaary ;
- Ny tsy fitoviana misy eo amin’ireo firenen-tsamihafa…
Raha aravona ireny rehetra ireny dia miharatsy ny tontolo iainana, mikorosy ihany koa ny tontolo maha olona ary mizara ny hevitry ny olona manoloana ny zava-misy.
Raha hamaky ny Laudato si : http://w2.vatican.va/content/francesco/fr/encyclicals/documents/papa-francesco_20150524_enciclica-laudato-si.html