Kongresy Eokaristika Nasiônaly : ireo tsara ho fantatra
Nanatanteraka FILAN-KEVITRA NASIONALY ny AFAFI-FET Madagasikara ny 28 Aprily hatamin’ny 01 May izay niompana tanteraka amin’ny fanomanana ny Kongresy Eokaristika Nasionaly hatao ny 20 hatramin’ny 26 Aogositra 2024 any Antsiranana.
Ireto avy no tsara ho fantatra momba ny fisoratana anarana.
1 – Fisoratana anarana
- 01 oktobra 2023 – 28 aprily 2024 ka mandrotsaka 5 000 Ar (tsy averina) eo am-pisoratana anarana. Ny 08 jona 2024 no daty farany hamenoana ny vola rehetra ho an’ireo voasoratra anarana.
- Ny sampana IK, VK, EKA ary AFAFI no afaka misoratra anarana sy mandeha
- Takiana ny “autorisation parentale” voasonian’ny Ray aman-dreny ho an’ny ankizy latsaky ny 18 taona
- Hamoaka « fiche d’inscription » sy « modèle autorisation parentale » ny Foibe Nasionaly
- Ny taratasy fisoratana anarana dia tsy maintsy misy sonian’ny antanatohatra eo anivon’ny Fiangonana : Pretra tompom-paritany, biraon’ny AFAFI-FET Diosezy
2 – Saran-dasy
IK-VK | EKA- AFAFI | DIOSEZY | |
ZONE 3: ATSIMO | 40000AR | 65000AR | Taolagnaro, Toliara, Farafangana, Mananjary, Morombe, Maintirano, Ihosy, Morondava, Fenoarivo Atsinanana |
ZONE 2 : AFOVOANY | 45000AR | 70000AR | Antananarivo, Miarinarivo, Antsirabe, Ambositra, Ambatondrazaka, Moramanga, Toamasina, Fianarantsoa, Tsiroanomandidy |
ZONE 1 : AVARATRA | 50000ar | 75000AR | Mahajanga, Port Bergé, Ambanja, Diego |