Kongresy Eokaristika Nasiônaly 2024 : miantso ny mpino ny Fivondronamben’ny Eveka
« Ny Fihavanana no manasitrana an’izao tontolo izao, mpiray tampo avokoa ianareo (Mt 23, 8) ».
Homba antsika mianakavy anie ny Fiadanan’ny Tompo
Tamin’ny Taona 2020 no efa vonona hankalaza Kongresy Eokaristika iombonan’ny nosy manontolo niaraka tamin’ny Jobilin’ny FET isika. Tsy tanteraka anefa izany noho ny hetraketraky ny Covid 19. Isaorana Andriamanitra fa lasa ilay « korontanaviriosy » (araka ny anarana niantsoantsika azy).
Hita anefa ny hasarobidin’ny Kongresy Eokaristika satria manan-danja loatra ny Eokaristia izay « loharano sy fototra ary ivon’ny fiainana kristianina » (Konsily Vatikana II). Noho izany araka ny notapahana tamin’ny 2020 dia ambaranay Eveka Raiamandreninareo fa hatao any Antsiranana, ny 23-26 Aogositra 2024, ny Kongresy Eokaristika fahatelo iombonan’ny Nosy sy ny fankalazana ny Jobilin’ny Afafi-FET.
Ny lohahevitra entintsika miaina an’io Kongresy io dia ilay atolotry ny Kongresy Eokaristika Iombonana eran-tany hoe: «Ny Fihavanana no manasitrana an’izao tontolo izao, mpiray tampo avokoa ianareo (Mt 23, 8) ».
Mifanaraka tsara amin’ny zava-misy iainantsika izany loha-hevitra izany ka hanampy antsika- ny isam-batan’olona sy ny isam-pianakaviana- hifikitra amin’i Jesoa, ho « Eglizy kely » maneho ny Eglizy fianakaviam-ben’Andriamanitra. Ary ho mpampihavana eo anivon’ny firenena izay mandalo vanim-potoana sarotra. Fantatsika ny anjara toeran’ny Fihavanana eo amin’ny fiaraha-monina Malagasy, soatoavina tena mamintsika tokoa saingy mila « diovina » hatrany hatrany satria nosimbain’ny fahotana. Ny fiombonana ao amin’ny Eokaristia no fihavanana fara-tampony ka afaka manadio azy, ho tonga fihavanana sady kristianina no Malagasy, fihavanana hampiombona antsika ho Fianakaviam-ben’Andriamanitra, ho Olo Araiky, “Fratelli Tutti”.
Ny Arsidiosezin’Antsiranana handray ny Kongresy Eokaristika dia ao anatin’ny Sinaody faha-7 rahateo ary mifanaraka amin’ny lohahevitr’izao kongresy izao ny loha hevitra halalinin’izy ireo manao hoe: « Fianakaviana, Eglizy kely mifampitsimbina, mifanasoa mikatsaka ny soa iombonana ».
Io Kongresy Eokaristika io dia manomboka amin’izao fanasana izao ka hatramin’ny andro hankalazana azy any Antsiranana. Noho izany ny fiomanana no tena zava-dehibe. Koa ny sokajim-piainana, araka ny fikambanana sy firohotana… dia mila miomana amin’ny vavaka sy amin’ny fandalinana io lohahevitra io mba hanampy antsika hanana fiainana Eokaristika, handrisika antsika hirotsaka hanatsara ny fiaraha-monina misy antsika izay tsikaritra ho mikorosy fahana ankehitriny. Ny dinidinika sy ny fampianarana ary ny fankalazana ataontsika dia fanehoana ny finoana ny Eokaristia izay mampihavana antsika sy mampandray anjara antsika hikatsaka mandrakariva ny Soa Iombonana hanasitranantsika ny Tranobe Iombonana efa mihasimba. Tsy irery isika amin’izany fa miara-dalana amintsika i Kristy Fihavanantsika (Ef 2, 14).
Manasa antsika mianakavy àry hiaraka hanao vavaka totoafo, hanomana ny fo amam-panahy hankalaza izao Kongresy Eokaristika fahatelo izao. Manasa antsika ihany koa ho tonga any Antsiranana ny 23-26 Aogositra 2024. Hiara- handinika momba ny Eokaristia fototry ny fiainana kristianina Katolika sy ny momba ny Fihavanana soatoavina Malagasy isika. Izao tokoa ny andro tsara, androm-pahasoavana. Miantso antsika i Jesoa « mankanesa aty amiko ianareo izay manana entana mavesatra fa hanamaivana anareo aho, ento ny jiogako ary mianara amiko fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po aho ary maivana ny jiogako » (Mt 11, 29).
Ankinintsika amin’i Masina Maria, Mpiaro an’i Madagasikara, ilay Tabernakla Velona ny fiomanantsika. Ankinintsika amin’I Md Josefa Ray Mpiaro ny Eglizy erantany ihany koa ny fianakaviana mba ho « Eglizy kely » tokoa. Ary I Lucien Botovasoa Olontsambatra ilay nanana fitiavana manokana an’i Jesoa hajaina ao amin`ny Eokaristia Masina, modely amin’ny fampihavanana anie hanampy antsika amin’ny vavaka ataony.
Mitsodrano anareo izay Eveka raiamandreninareo ary manantena ny fahatongavantsika maro any Antsiranana amin’ny 23-26 Aogositra 2024.
Amin’ny anaran’ny Evekan’I Madagasikara
Natao teto Antananarivo 21 Aogositra 2023
Fetin’I Victoire Rasoamanarivo Olontsambatra
Mgr Gabriel RANDRIANANTENAINA
Sekretera Jeneralin’ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara