JMJ Mada X : hafatry ny Papa ho an’ny tanora malagasy
Ho an’ny Tanora tafavory hankalaza ny JMJ sehatra nasionaly ao Antsirabe
Ry tanora malala tafavory ao Antsirabe amin’ity JMJ sehatra nasionaly ity, faly miarahaba anareo am-pitiavana ny tenako. Miombom-po sy miombom-bavaka aminareo aho ary misaotra an’ireo evekanareo izay tsy mitsahatra mitantana anareo am-pahavitrihana mandrakariva amin’ny zotra ataonareo hanara-dia an’i Kristy.
Nofidinareo hodinihana amin’izao fihaonana izao ny lohahevitra hoe: “Mitsangàna fa ataoko vavolombelon’ny zavatra hitanao ianao” (jer. Asa 26,16). Teny nataon’i Jesoa tamin’i Paoly, tamin’ny andro nibebahany ireo teny ireo, rehefa nanankina iraka taminy Izy. Fa miantefa aminareo ho toy ny fanentanana hodinihana ihany koa io teny io androany manoloana ny zava-misy atrehinareo eo amin’ny sehatra ara-tsosialy, ara-pitondran-tena, ara-toe-karena sy ara-tontolo iainana, mba hahatonga ny Eglizy eto Madagasikara havitrika kokoa hatrany sy handrafetana fiarahamonina fatra-panaja ny hasina maha olona. Manasa anareo ho amin’ny fanantenana sy ny iraka manoloana ny zava-misy iainan’ny firenenareo ankehitriny Izy Tompo.
“Mitsangàna ianao”! Taorian’ny krizy ara-pahasalamana izay nampiditra anareo tao amina zava-misy tsy nampoizinareo, sy nampihena ny fahafahanareo hihaona hanamafisana ny firahalahiana sy ny hahazoana namana vaovao; ankehitriny dia mandalo krizy hafa indray izao tontolo izao noho ny ady, indrisy fa miharitra ny vokatr’izany koa ianareo. Manoloana ireo fahasarotana rehetra ireo izay mbola nampian’ireo rivo-doza nisesy nandrava ny Nosinareo, dia mety ho kivy ianareo. Nefa manome fanantenana anareo ny Tompo: mitsangàna ianao! Manasa anareo izy mba tsy hanaiky ho resin’ny fisalasalana, fa mba hanana vinavina sy hiasa, ho sahy indray hanana fijery feno fahatokisana ny hoavy. Tsy ho tanteraka anefa izany raha tsy mandray andraikitra hanorina tontolo vaovao araka ny fanilovan’ny Evanjely ianareo.
Hataoko vavolombelon’ny zavatra efa hitanao ianao. Ny Tompo no mangataka anareo ho misionera eo amin’ireo rahalahy sy anabavinareo ary rahavavinareo. Araka izany, na aiza na aiza misy anareo dia manana ny iraka sarobidy hijoro ho vavolombelona ianareo; amin’ny alalan’ny finoanareo sy ny fandraisanareo andraikitra dia azonareo atao ny manampy hanova ny tantara. Manomboka amin’ny fandalinana ny fifandraisana maha olona sy ny fanajana ny soa iombonana izany, tsy hadino koa ny fitandroana ny tontolo iainana. Ry tanora malala, “aza avela ho ny hafa no ho mpandray anjara hitondra ny fiovana mialoha anareo! Ianareo no tompon’ny hoavy! Amin’ny alalanareo no hidiran’ny hoavy ho tonga ankehitriny eo amin’izao tontolo izao” (Christus vivit, n°174). Ho tonga mpiantsehatra hanorina fiarahamonina vaovao ianareo raha toa ka mampifanaraka ny fiainanareo amin’izay atoron’ny fiainana kristianina sady miaraka amin’ny faharesen-dahatra mafy, miorina amin’ny Evanjely sy ny fisokafana amin’ny hafa. Rehefa izany dia hitondra soa amin’ny lafiny maro ho an’ny firenenareo ianareo, “satria fomba fiaina miorina amin’ny fifankatiavana izay mifaka amin’ny fitiavan’Andriamanitra no tena fanafody manasitrana ny ratran’olombelona” (Hafatra ho an’ireo mpandray anjara tamin’ny Fetin’ny tanora, Medjugorje, 1-6 aogositra 2022).
Ry tanora malala, mirary anareo higoka ny hafalian’ny fiarahana amin’i Jesoa aho. Aza matahotra ny hiverina aminy ao anatin’ny fotoana feno sedra satria hanarina anareo sy hanome anareo hery mandrakariva hahafahanareo manomboka fiainam-baovao indray ny famindram-pony.
Hankiniko amin’i Masina Maria ianareo, ary ankiniko aminy ihany koa i Madagasikara. Hanopy ny fijerin-dreny aminareo tsirairay avy anie izy ary hanampy anareo ho mpianatra mahafatra-po an’i Jesoa zanany. Mitso-drano anareo rehetra sy ny fianakavianareo ary ny olona rehetra izay miaraka aminareo amin’ny alalan’ny tohana ara-panahy aho. Ary miangavy anareo koa aho, raha sitrakareo, tsy hanadino ny hivavaka ho ahy.
Roma, Md Jean-de-Latran, 10 aogositra 2022
Papa Fransoà
Loharano : EKAR Madagasikara