JMJ Mada X Antsirabe : hafatry ny eveka ho an’ny tanora
Ry Tanora malala,
Mifarana soa aman-tsara ny JMJ Mada faha X notontosaintsika niaraka teto Antsirabe. Hafaliana tsy omby tratra ny anay Eveka Raiamandreninareo niaraka taminareo nandritra ny andro maromaro, niara-nigoka taminareo ny harem-panahy tsy hay lazaina vokatry ny fahasoavan’Andriamanitra nomeny ny Eglizy eto Madagasikara. Tsapanay ho nihatanora koa izahay niaraka taminareo, velom-panantenana amin’ny hoavin’ny Eglizy eto amin’ny Nosintsika mahita anareo vontom-pinoana ary sahy maneho amin’ny fomba mendrika ny maha vavolombelon’i Kristy eo amin’ny hatanoranareo. Lehibe tokoa izao fanehoam-pinoana ataontsika izao ka mahavelom-pisaorana an’Andriamanitra, ary misaotra ihany koa an’ny ireo rehetra nitoto nahafotsy sy nahandro naha-masaka azy. Miara-miaiky isika fa tsara ny fihaonana: niantomboka tamin’ny fandraisana anareo tanora rehetra izany ka tody amin’izao famaranana izao.
Eto am-pamaranana izao fotoan-dehibe izao àry dia hafaliana ho anay Evekan’i Madagasikara, amin’ny maha Raiamandreny anay, ny mametraka hafatra ho anareo izay hiainga hihazo ny toerana misy anareo tsirairay avy mba hanohizanareo ny fanehoam-pinoana niainanareo nandritra izao JMJ Mada faha-X izao.
Ry tanora malala, “mitsangàna”. Maro ireo zava-mitranga eo amin’ny fiainanareo, na ao an-tokantrano, na eo anivon’ny fiaraha-monina sy ny firenena, na ao amin’ny Eglizy mila ny hery maha tanora anareo ka ilazana mandrakariva hoe mitsangàna. Olona misy hery no afaka mitsangana ary manamarika ny fahasalamana ny fahafahana mitsangana. Toa an’i Paoly, tsy irery ianareo rehefa vonona ny hitsangana fa eo i Jesoa izay sady mandidy hoe mitsangàna no manome ny fahasoavany ihany koa hahafahanareo mitsangana. Ny fahatapahan-kevitra hitsangana no zava-dehibe, rehefa vonona ianareo dia efa eo i Kristy hampitsangana ary hanome hery hahafahana mandeha.
Ary rehefa tapa-kevitra ny hitsangana dia mandray ny iraka hijoro ho vavolombelona avy Aminy. Tena sahaza ny hatanoranareo ary manafaingana ny dingana rehetra hataonareo ny fahatsapanareo fa tokony hitsangana hijoro ho vavolombelon’i Kristy eo amin’ny sehatra maro ianareo.
Mandraisa andraikitra amin’ny fiarahamonina: mijoroa hiady amin’ny kolikoly amin’ny lafiny rehetra ary aza levonina ao anatin’ny fitiavam-bola ny toe-panahy kristianina ao aminareo. “Ny marina no maha olona afaka anareo” (Jo 8,32), hoy i Kristy. Fantatrareo fa miseho amin’ny endriny isan-karazany ny tsy fahamarinana! Koa meteza hitondra ny fahamarinana amin’ny sehatra rehetra misy anareo, aza manaiky ny hatao fitaovana hampanjakana ny tsy fahamarinana sy ny tsy rariny!
Tafio i Kristy hanehoanareo ny hanitry ny fitondran-tena mendrika kristianina eo amin’ny fiaraha-monina misy anareo. Miantomboka amin’ny tenanareo izany. Tempolin’Andriamanitra ny vatanareo ka aza avadika ho fanjakan’ny tsy fahamendrehana isan-karazany ary aza avadika ho fasana noho ny fanalan-jaza sanatria! Tohero amin’ny herinareo rehetra ny rivotra mitsoka hampiasa ny tenanareo ho loharanon-karena noho ny fanalan-jaza. Miantefa aminareo tanora ity Soratra Masina ity ka raiso amim-pitiavana: “Aoka mba tsy hisy hanamavo anao noho ny fahatanoranao, fa aoka ho fakan-tahaka ho an’ny mpino ianao amin’ny teny, amin’ny fitondran-tena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, ary amin’ny fahadiovana » (1Tim 4,12). Tsy dingam-piainana ho an’ny hadalana akory ny fahatanorana, fa hivoarana amin’ny maha olom-banona. Azo atao tsara ny miaina ny finoana kristianina na dia ao anatin’ny fahatanorana aza, tahaka ny nataon’i Olontsambatra Carlo Acutis.
Mijoroa ho vavolombelona amin’ny fahaiza-manaja ny Ray aman-dReny sy ireo Zokiolona, mahay maka ny traikefam-piainana ananan’izy ireo na dia manana ny fahaiza-manao moderina aza ianareo. Atomboy ao amin’ny fianakaviana izany ary ento hatrany amin’ny Eglizy sy ny fiaraha-monina misy anareo tsirairay avy. Ny Tenin’Andriamanitra, hoy ny papa Fransoà (1) , dia manafatrafatra ny tsy hanapahana ny fifandraisana amin’ny zokiolona mba hahafahana midodododo amin’ny traikefa ananany. Ary mbola tohiziny amin’ny torohevitra lehibe hita ao amin’ny Boky Ekleziastika manao hoe: « Mankanesa eo amin’ny fivorian’ny zokiolona, ka raha mahita olon-kendry ianao, dia mifikira aminy […] Raha mahita olona manam-panahy ianao, vao maraina dia mandehana mankeo aminy, ary aoka ho masaky ny dian-tongotrao ny tokonam-¬baravarany » (Si 6,34.36). Tsy ny fananana mari-pahaizana isan-karazany loatra no maha olon-kendry. Ilaina ireny, ary tena ilaina tokoa raha mikendry ny fanasoavana olona sy ny soa iombonana, saingy raha mari-pahaizana tsy misy fahendrena dia vao mainka mitera-doza aza (jer. Ohab 24,5).
Tsy ny tambajotra sosialy feno fanaratsiana sy fampiadiana ary fanosoram-potaka ny hafa no modelim-piarahamonina malagasy fa ny fahaiza-manaja ny hafa: atomboka amin’ny ray aman-dreny ka hatramin’ny mpiara-belona, mizotra mankany amin’ny Fihavanana tsy am-bava fotsiny fa amin’izay rehetra hatao. Ampiasao ho loharano hivoizana ny toe-tsaina sy toe-piainana kristianina ny tambajotra sosialy fa aza avela hamotika ny Soatoavina malagasy sy ny maha kristianina anareo.
Mijoroa ho vavolombelona mikajy sy mikolokolo ny tontolo iainana. Kanto tahaka ny hatanoranareo ny zavaboary nomen’Andriamanitra ity Nosintsika ity. Indrisy anefa, tsy takona afenina fa iainanareo isan’andro ny fahapotehany. Nofinofy sisa izany hoe Madagasikara Nosy maitso; efa nosy mainty izy ankehitriny noho ny doro tanety. Tsy tompon’ny tany sy izay rehetra misy eo amin’izao tontolo izao ny olom¬belona fa mpitantana, mpiahy, mpiambina sy mpiaro azy (Jen 2,15); eny fa na dia nahazo alalana hampiasa sy hanjaka amin’ny zavaboary aza izy.
Tsy tokony hisentosento ny amin’izany fotsiny isika fa tsy maintsy mijoro amin’ny fomba hita maso sy azo tsapain-tanana ka hanao ny ezaka rehetra hikajiana ny tontolo iainana amin’ny lafiny maro: ny fambolen-kazo (atomboy eo an-tokotaninareo aloha ary itaro hatrany hahakasika ny tontolo manodidina), ny tsy fandoroana ala sy tanety (miezaha tsy ho lavo ao anatin’ny toe-tsaina tia vola “anio” ka na dia hamotika ny tontolo iainana aza ny fambolen-katsaka sy vary hamotehana ala dia hatao ihany); ny tsy fandripahana tsy ampiheverana ny hazo… Ianareo tanora no iankinana mba hahatratrarana ny tontolo maitso koa mandraisa andraikitra. Rehefa samy manao zavatra kely any amin’ny tontolo misy anareo any ianareo dia tsy maintsy hiova i Madagasikara.
Hamafisinay izay nolazain’ny Papa sy ny solontenany (2) eto amintsika hoe: “mitsangàna ho velona ry Madagasikara, anananao izay ilaina rehetra ka mitsangàna”. Ianareo tanora no iantefan’izany ary matoky anareo izahay. Mitsangàna, ovay ny tontolo iainantsika ho tsara kokoa. Tarigetra ho antsika tanora katolika ny miady mafy hanatsara ny “Tranobe iombonana” amin’ny ezaka rehetra. Aoka tsy ho kabary fotsiny izany fa asehoy amin’ny asa mivaingana.
Mijoroa ho vavolombelona ao amin’ny Eglizy. Manome ny modely atoron’ny Evanjely ny Eglizy ka isika rehetra vita Batemy ao anatiny no vavolombelona mitondra ny soatoavin’io Evanjely io eo amin’ny fiarahamonina misy antsika. Mitsangàna, asehoy ao amin’ny Eglizy, amin’izao hatanoranareo izao ny tsiron’ny Vaovao Mahafaly. Asehoy satria azo atao tsara ny miaina ny hatanorana tsy misaraka amin’ny Eglizy sy ny Vaovao Mahafaly toriny.
Ry tanora malala, feno hery sy hafaliana ianareo nahavita ny JMJ Mada faha X ary nanamafy ny finoana ihany koa, tehirizo ary ampiasao izany fahasoavana izany tsy hitsilopilopy ka ho faty haingana sanatria. Asehoy fa tsy fandaniam-bola sy fotoana, araka ny lazain’ireo mpanaratsy, ny JMJ fa fotoana tena sarobidy nanovozana aim-panahy hoenti-miaina eny amin’ny fiarahamonina hanasoavana ny mpiara-belona.
Toa an’i Md Paoly ianareo rehetra, feno herim-po hitsangana hijoro ho vavolombelon’i Kristy, vavolombelon’ny Fahamarinana any amin’ny sehatra rehetra: ao amin’ny fianakaviana, ao amin’ireny vondrona samihafa ireny, eny amin’ny fiaraha-monina, amin’ny fanaovana politika, amin’ny fitantanana fananam-bahoaka, na ny fanajana ny soa iombonana, amin’ny fihainoana ny feon’ny fieritreretana, amin’ny tsy fampiasana herisetra, amin’ny fanajana ny hafa, amin’ny fanajana ny sakramentan’ny Mariazy izay tsy azo ravana, amin’ny fanajana ny aina ary indrindra indrindra ny fahatahorana an’Andriamanitra amin’izay rehetra atao…
Homban’ny tso-dranonay Eveka ianareo hahaleo hahalasana amin’ny fitsanganana sy ny fijoroana ho vavolombelona. Matokia fa tsy avelan’i Jesoa ho irery izay tena mijoro sy tsy kivy na dia eo aza ny mpaneso mitaona antsika hihemotra.
Ambaranay àry fa ny JMJ manaraka hihaonantsika dia hatao any amin’ny Arsidiôsezin’i Toamasina amin’ny taona 2026. Ary ambaranay amin’ny fomba ôfisialy koa fa mifarana izao JMJ Mada X natao teto Antsirabe izao.
“Mitsangàna fa ataoko ho vavolombelon’ny zavatra hitanao ianao”.
Izy Tompo anie handrotsaka ny fahasoavany sy ny tso-dranony amin’ny tsirairay avy. Homban’ny vavak’i Masina Maria virjiny sy ireo olomasina ary olontsambatra mpiaro ny JMJ.
Antsirabe , 4 septambra 2022
Ny Evekan’i Madagasikara
Loharano : Eglisecatholique.mg