JMJ 2022-2023 : Hafatra avy amin’ny Papa François
« Niainga Maria, ka nandeha haingana » (Lk 1, 39)
Ry tanora malala !
Ny lohahevitry ny JMJ tany Panama dia hoe : « Inty aho ankizivavin’ny Tompo, aoka anie
ho tanteraka amiko araka ny teninao » (Lk 1, 38). Taorian’io fankalazana io, dia nizotra
amin’ny lalana mankany amin’ny toerana vaovao indray isika – Lisbonne 2023 – ka mbola
mamela hanako ao am-pontsika ny fanasan’Andriamanitra manery antsika hitsangana.
Tamin’ny taona 2022, nandinika ny tenin’i Jesoa isika : « Ry zatovo, izaho mandidy anao,
mitsangàna » (Lk 7, 14). Tamin’ny taon-dasa, nahazo aingam-panahy tamin’ny endrik’i Md
Paoly apostoly isika : Mitsangàna, ka metezà ho vavolomelon’ny zavatra efa hitanao (jer. Asa
26, 16). Eo amin’ny fiafaran’ny lalana izay mbola manasaraka antsika amin’i Lisbonne, dia
hizotra miaraka amin’ilay Virjiny avy ao Nazareta isika, izay, avy hatrany taorian’ny
filazana, dia « niainga ary nandeha haingana » (Lk 1, 39) mba hanampy ny rahavaviny
Elizabeta. Ny matoanteny iombonan’ireo lohahevitra telo ireo dia ny hoe mitsangàna, fomba
fiteny izay- aoka hotsaroantsika- fa misy heviny ihany koa hoe « miarina», « mifoha amin’ny
fiainana ».
Amin’izao fotoan-tsarotra farany izao, na dia triatran’ny tantaran’ny ady aza ny fianakaviam ben’ny olombelona izay efa nosedrain’ny ratram-po noho ny valanaretina, nosokafan’i Maria
indray ho an’ny rehetra, indrindra ho anareo, tanora toa azy, ny lalan’ny fifanatonana sy ny
fihaonana. Manantena sy mino tokoa aho, fa ny traikefa hiainan’ny betsaka any Lisbonne
amin’ny aogositra ho avy izao dia haneho fiaingana vaovao ho anareo, tanora, ary- miaraka
aminareo- ho an’ny olombelona rehetra.
Niainga i Maria
Azon’ny Maria natao, taorian’ny filazana, ny nifantoka lalina tamin’ny tenany, momba ny
tebitebiny noho ny toe-batany vaovao. Nefa tsia, natoky tanteraka an’Andriamanitra izy.
Nieritreritra kokoa an’i Elizabeta izy. Nitsangana izy, ary nivoaka tamin’ny hazavan’ny
masoandro, izay misy ny aina sy ny hetsika. Na dia niteraka « horohoron-tany » tao amin’ny
fikasany aza ny filazana mampitebiteby nataon’ny anjely dia tsy namela ny tenany halemy
ilay tovovavy, satria ao aminy i Jesoa, ilay herin’ny fitsanganan-ko velona. Efa mitondra ilay
zanakondry novonoina izy, nefa velona hatrany. Nitsangana izy ary nihetsika, satria azony
antoka fa ny fikasan’Andriamanitra no fikasana tsara indrindra ho an’ny fiainany. Tonga
tempolin’Andriamanitra i Maria, endriky ny Eglizy eny an-dalana, Eglizy mivoaka ary
manompo, Eglizy mpitondra ny Vaovao Mahafaly !
Ny hiaina ny fisian’i Kristy nitsangan-ko velona ao amin’ny fiainany, ny hihaona aminy
« velona », dia hafaliana ara-panahy lehibe, fiposahan’ny hazavana izay tsy afaka hamela na
iza na iza « tsy hihetsika ». Manetsika antsika avy hatrany izy ary manosika antsika hitondra
io Vaovao iûo amin’ny hafa, hijoro ho vavolombelon’ny hafaliana vokatr’io fihaonana io.
Izany no nanentana ny hamehan’ireo mpianatra voalohany tamin’ny andro nanaraka ny
fitsangan-ko velona : « Dia niala faingana tamin’ny fasana izy ireo, sady natahotra no faly
indrindra, lasa nihazakazaka hilaza amin’ny mpianatra » (Mt 28, 8).
Mampiasa matoanteny roa mamettika ny fitantarana ny fitsanganan-ko velona : miarina sy
mitsangana. Miaraka amin’izy ireo, manentana antsika ny Tompo hivoaka eo amin’ny
hazavana, hanaiky hotarihiny handingana ny tokonam-baravarantsika mikatona rehetra. «
Sary misy heviny ho an’ny Eglizy io. Isika ihany koa, toy ny mpianatry ny Tompo sy ireo
Ankohonanam-piainana kristianina, voaantso hitsangana haingana mba hiditra amin’ny
havitrihan’ny fitsanganan-ko velona sy hanaiky ho tarihin’ny Tompo amin’ny lalana izay
tiany hatorony antsika » ( Toriteny tamin’ny fankalazna ny fetin’i Md Piera sy Paoly, 29 jona
2022).
Modely ho an’ireo tanora mihetsika ny Renin’ny Tompo, Tsy hoe « tsy mihetsika » manoloana
ny fitaratra mibanjina ny sariny, na « voafandriky » ny tamba-jotra. Nitodika tanteraka any
ivelany izy. Izy no vehivan’ny fitsanganan-ko velona, mizotra mandrakariva, mivoaka
amin’ny tenany mankany amin’ny Hafa dia Andriamanitra sy mankany amin’ny hafa, ny
anadahiny sy ny rahavaviny, indrindra ireo tena fahadiranovana, toy ny toe-batan’i Elizabeta
rahavaviny.
… ka nandeha haingana
Md Ambroise, ao anatin’ny famakafakana ny Evanjely nosoratan’i Md Lioka, manoratra fa
nankany an-tendrombohitra faingana i Maria « satria sambatra noho ilay fampanantenana
izy, ary naniry hanatanteraka ny fanompoana amin’ny fony manontolo, miaraka amin’ny
firehadrehatry ny hafaliana lalina. Ho aiza, izy, ilay feno an’Andriamanitra, izao no mety
hidodododo faingana, tsy ho any amin’ny avo ? Ny fahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina
dia tsy miharitra fitaredretra.
Ny hamehan’i Maria noho izany dia ny fiahiana amin’ny fanompoana, ny filazana mahafaly
sy ny famaliana vonona amin’ny fahasoavan’ny Fanahy Masina. Nanaiky notohinin’ny
filan’ny rahavaviny efa be taona izy. Tsy nilefa izy, tsy nijanona ho mangatasia-po. Nihevitra
kokoa ny hafa noho ny tenany izy. Ary io no nanome havitrihana sy hafaliana ny fiainany.
Mety hanontany tena ny tsirairay aminareo : ahoana no ataoko manoloana ireo filàna
manodidina ahy ? Hitady fanamarinana avy hatrany ve aho mba handosirana, na liana ve aho
ary maneho fahavononana ? Mazava ho azy, tsy afaka ny hamaha ny olana rehetra eo
amin’izao tonotolo izao ianareo. Nefa angamba afaka manomboka amin’ireo akaiky anareo,
amin’ireo olana misy eo amin’ny faritra misy anareo.
Indray andro, nisy niteny an’i Mamera Teresa hoe : « Ny zavatra ataonao dia indray mitete ao anaty ranomasim-be ». Ary hoy ny navaliny : « nefa raha tsy nataoko izany, dia mihena indray mitete ny ranomasim-be ».
Manoloana ny filàna tsapa sy maika, tsy maintsy mihetsika haingana. Firifiry ny olona
maneran-tany miandry ny famangian’ny olona hikarakara azy ! Firifiry ireo zokiolona,
marary, voafonja, mpitsoa-ponenana no mila ny fijerintsika mangoraka, ny famangiantsika,
rahalahy na anabavy mandresy ny sakan’ny fangahatsia-po !
Inona avy no hamehana mampihetsi-po anareo, ry tanora malala ? Inona no hahatsapanao ny
faniriana hihetsika, hany ka tsy afaka ny hijanona hitoe-poana ianao ? Maro ny olonasedrain’ny zava-misy toy ny valanaretina, ny ady, ny fifindra-monina an-tery, ny fahantrana,
ny herisetra, ny loza vokatry ny toetr’andro – no mametraka ireto fanontaniana manaraka
ireto : nahoana izao no tonga amiko ? Nahona no izaho ? Nahoana no amin’izao fotoana
izao ? Ary avy eo, ny fanontaniana fototra ny fisiantsika hoe : ho an’iza aho ? ( jer.
Fanentanana apostolika taorian’ny sinaody Christus vivit, lah. 286).
Ny hamehan’ilay tovovavy avy any Nazareta dia an’izay nandray avy amin’ny Tompo ny
fanomezana miavaka ary tsy afaka ny hijanona hizara, hampiavosa ny fahasoavana
lehibe izay niainany. Hamehan’ireo izay mahay mametraka ny filàn’ny hafa ambony noho ny
azy izany. Maria dia ohatra ho an’ny tanora izay tsy manary fotoana hitady ny fifantohana na
fankatoavan’ny hafa- toy ny miseho rehefa miantehatra amin’ny « tiako » (j’aime) amin’ny
tambazotra isika – fa mikatsaka ny tena fifandraisana, izay vokatry ny fihaonana, ny
fifampizarana, ny fitiavana ary ny fanompoana.
Hatramin’ny Filazana, hatramin’ny nandehanany voalohany namangy ny rahavaviny, tsy
nitsahatra i Maria namakivaky habaka sy fotoana namangy ny zanany izay mila ny
fanampiany mahakarakara. Ny lalantsika, raha onenan’Andriamanitra, dia mitondra antsika
avy hatrany amin’ny fon’ireo rahalahintsika sy anabavintsika tsirairay. Firifiry ireo fijoroana
vavolombelona avy amin’ireo olona « novangian ‘ » i Maria, Renin’i Jesoa sady renintsika !
Firifiry ireo toerana any ankodahoda, nandritra taon-jato nifandimby – tamin’ny alalan’ny
fisehoana na fahasoavana manokana- izay namangian’i Maria ny vahoakany ! Tsy misy
toerana tsy notsidihiny teto amin’ity tany ity. Mizotra miaraka amin’ny vahoakany ny
renin’Andriamanitra, entanin’ny halemem-panahy mahafinaritra, ary mizaka ny tebitebiny sy
ny fiovaovan’ny fiainany. Ary amin’ny toerana rehetra, izay misy toerana masina,
Fiangonana, lasapely izay mitondra ny anarany dia mitombo ny isan’ireo zanany. Firifiry ny
fanehoana fitiavam-bavaka fantan-daza ! Ny fivahiniana Masina, ny fety, ny fangatahana, ny
fandraisna sary any an-trano, sy ny maro hafa, doa ohatra azo tsapain-tnana amin’ny
fifandraisana velona eo amin’ny Renin’ny Tompo sy ny vahoakany, izay mifamangy !
Manosika antsika ho an’ny amin’ny avo sy ny hafa mandrakariva ny hamehana tsara
Misy ihany koa, anefa, ny hamehana tsy tsara, toy ny, ohatra, izay mitarika antsika hiaina
amin’ny fomba ankoso-bolamena, manamaivana ny zavatra rehetra, tsy mirotsaka na
mifantoka, tsy tena mandray anjara amin’ny zavatra atao ; ny hamehana izay mahatonga
antsika hiaina, hianatra, hiasa, hifanerasera amin’ny hafa tsy hametrahantsika ny lohantsika,
eny fa na ny fontsika kely akory aza. Mety hiseho amin’ny fifandraisan’ny olona izany : ao
amin’ny fianakaviana, rehefa tsy tena mihaino ny hafa isika ary tsy manokana fotoana ho azy
ireo ; eo amin’ny finamanana, rehefa miandry namana isika hampiala voly antsika sy hamaly
ny fitakiantsika, andosirantsika ny hafa rehefa hitantsika fa sahirana izy ary mila antsika ; na
ihany koa eo amin’ny fifandraisana am-pitiavana, amin’ireo mpifamofo, vitsy ireo manana
faharetana hianatra mba hifankahalala sy hifankahazo lalina. Mety hanana io toetra amampihetsika io isika any an-tsekoly, amin’ny asa, na amin’ny sehatra hafa eo amin’ny fiainana
andavanandro. Zany tokoa, ny zavatra rehetra hiainana amin’ny fahamehana dia zara raha
hamokatra. Hatahorana tsy hahavokatra. Izao no vakintsika ao amin’ny bokin’ny Ohabolana :
« Ny fikasan’ny olo-mazoto ahazoan-karena be ; fa izay mikorapaka foana amin’ny ataony dia
mosary ihany no azony» (21, 5).
Rehefa tonga tao amin’i Zakaria sy Elizabeta àry i Maria, dia nahafinaritra ny fihaonana !
Niaina ny asan’Andriamanitra mahatalanjona tao aminy i Elizabeta, izay nanome azy zanaka
lahy tao anatin’ny fahanterana. Manana ny antony rehetra tokony hiresahana momba ny
tenany mialoha izy, saingy tsy nieboebo izy, fa dodona mba handray ny rahavaviny ny zaza
tao an-kibony. Raha vao nadre ny fiarahabana izy, dia feno ny Fanahy Masina i Elizabeta.
Miseho io zava-mahagaga sy fibosesikin’ny Fanahy io rehefa miaina ny tena
fampiantranoana isika, rehefa mifantoka amin’ilay nasaina, fa tsy ny amin’ny tenantsika.
Izany ihany koa no hitantsika ao amin’ny tantaran’i Zake. Izao no vakiantsika ao amin’ny
Lioka 19, 5-6 : « Nony mby teo Jesoa dia niandrandra ka nahita azy, ary nanao taminy hoe:
Ry Zake, midìna haingana, fa tsy maintsy hiantrano ao aminao aho anio. Dia nidina haingana
izy ka nandray azy tamin-kafaliana ».
Efa nitranga tamin’ny maro amintsika fa, amin’ny fomba tsy ampoizina, i Jesoa no tonga
mihaona amintsika : Sambany no niainantsika niaraka Taminy ny fifanakaikezana, ny
fanajana, ny tsy fitsarana an-tendrony, sy ny fanamelohana, ny fijery feno famindram-po izay
tsy mbola hitantsika tamin’ny hafa. Ankoatran’izay, tsapantsika ihany koa fa tsy ampy ho
an’i Jesoa ny mitazana antsika avy lavitra fa te hiaraka amintsika izy, te hifampizara ny
fiainany amintsika. Ny hafaliana vokatr’io traikefa-piainana io no manentana antsika amin’ny
hamehana handray azy, fahamaikana ny hahafantatra azy tsara kokoa. Nandray an’i Maria sy
i Jesoa i Elizabeta sy Zakaria. Ndeha hianaranantsika amin’ireo zokiolona ireo ny hevitry ny
fampiantranoana. Anontanio ny ray aman-dreninareo sy ny raibe sy renibenareo, ny
zokiolona ao amin’ny ankohonam-piainana misy anareo, ny hevitry ny hoe : fampiantranoana
an’Andriamanitra sy hafa. Mahatsara anareo ny mihaino ny traikefa-piainan’ireo zoky teo
aloha.
Ry tanora malala, fotoana izao handehanana faingana indray amin’ny tena fihaonana,
amin’ny tena fandraisana izay tsy mitovy aminareo. Toy izany no nitranga teo amin’i Maria,
tovovavy sy Elizabeta efa antitra. Tsy misy afa-tsy izany no hahafahantsika miatrika ny
elanelana – eo amin’ireo taranaka mifandimby, eo amin’ny saranga-piaraha-monina, eo
amin’ny foko, eo amin’ny vondron’olona sy sokajy isan-karazany- ary, hatramin’ny ady. Ny
tanora mandrakariva no fanantenan’ny firaisana vaovao ho an’ny fianakaviam-ben’ny
olombelona misaratsaraka sy mizarazara. Fa raha manana fahatsiarovana izy ireo dia noho
izy ireo nihaino ny tantara s y ny nofin’ireo zokiny. Tsy kisendrasendra ny fiverenan’ny ady
ao Erôpa amin’izao fotoana hihanjavonan’ireo taranaka niaina izany tamin’ny taon-jato
farany » (Hafatra ho an’ny andro faharoa maneran-tany ho an’ny raibe sy renibe ary ny
zokiolona).
Ilaina ny fifanarahan’ny tanora sy ny zokiolona, mba tsy hanadinoana ny tantara hifehezana
ny fampifantohana sy ny politikan’ny herisetra amin’izao vanim-potoana iainantsika izao.
Ao amin’ny taratasiny ho an’ny Efezianina, i Md Paoly nilaza hoe : « Fa ankehitriny kosa,
ao amin’ny Kristy Jesoa, hianareo izay lavitra fahiny, dia tongan’ny ran’ny Kristy akaiky. Fa
izy no fihavanantsika, izy no nahatonga antsika roa tonta ho iray, izy no nandrava ny efitry ny
fisarahana amam-pifandrafesana »(2, 13-14). Jesoa no valin-tenin’Andriamanitra amin’ny
fanambin’ny fianakaviam-ben’ny olombelona, amin’ny fotoana rehetra. Ary io valin-teny io
no nentin’i Maria tany amin’ni Elizabeta rehefa andeha hiaona taminy izy. Ny fanomezana
tsara indrindra nomeny ilay havany efa nahazo taona dia ny fitondràny an’i Jesoa tany aminy.
Mazava ho azy, tena sarobidy ihany koa ny fanampiana mivantana. Nefa tsy misy afaka
maha-safonono-kafaliana ny tranon’i Zakaria sy mampisy dikany feno azy toy izao raha tsy
ny fisian’i Jesoa ao an-kibon’i Maria, izay tonga tabernakilan’Andriamanitra velona. Ao
amin’io faritra be tendrombohitra io, izy irery, tsy niloa-bava no nanonona ny « Toriteny
momba ny tendrombohitra » voalohany : Nambarany amim-pahanginana ny hasambaran’ny
madinika sy ny manetry tena izay mitoky amin’ny famindram-pon’Andriamanitra.
Ny hafatro, ho anareo ry tanora, hafatra lehibe izayy entin’ny Eglizy dia i Jesoa ! Eny, izy
mihitsy, ny fitiavana tsy manam-petra ho antsika tsirairay, ny fanavotany sy ny fiainambaovao izay nomeny antsika. Ary i Maria no modely amin’ny fomba fandraisana io
fanomezana lehibe io ao amin’ny fiainantsika sy ny fomba fampitàna azy amin’ny hafa,
mahatonga antsika, ho mpitondra an’i Kristy, mpitondra ny fitiavany be fangorahana, ny
fanompoany amin-kahalalam-po ho an’ny fianakaviam-ben’ny olombelona mijaly.
Isika rehetra ho any Lisbonne !
Tovovavy Maria, toy ny maro aminareo. Iray tamintsika izy. Nanoratra momba azy i Mgr
Tonino Bello : « Masina Maria, fantatray fa voatokana hiroso amin’ny lalina ianao. Nefa raha
manery anao hanara-morona izahay, dia tsy satria te hampietry anao hitovy laharana
aminay. Fa, eo am-pahitana anao eo akaikin’ny moron’ny fahakivianay, no hahafahanay
mahatsapa fa izahay ihany koa dia voaantso hianjoria, toa anao, eny amin’ny ranomasimben’ny fahafahana » (Maria donna dei nostri giorni, San Paolo, Cinisello Balsamo 2012, p.
12-13).
Avy any Portugal, araka ny fampahatsiahiavana nataoko tamin’ny hafatra voalohany
amin’ireo telo mifandray, tamin’ny taon-jato faha-15 sy faha-16, betsaka ireo tanora –
misionera no maro tamin’izy ireo- no lasa any amin’ny firenena tsy fantany, hizara ihany koa
ny traikefany momba an’i Jesoa tamin’ireo vahoaka sy firenena hafa (jer. Hafatra JMJ 2020).
Ary eto amin’ity tany ity, tamin’ny fanombohan’ny taon-jato faha-20, naniry hanao
fitsidihana manokana i Maria, raha, tao Fatima, nampita ho an’ny taranaka rehetra hafatra
mafonja sy mahatalanjona momba ny fitiavan’Andriamanitra izay miantso ho
amin’ny fibebahana, ho amin’ny tena fahafahana.
Ho anareo tsirairay, havaoziko indray ny fanasana am-pitiavana anareo handray anjara
amin’ny fivahiniana masina lehibe iraisan’ny kontinanta ataon’ny tanora izay hankalazaina
amin’ny JMJ any Lisbonne amin’ny volana aogositra ho avy izao ; ary mpampahatsiahy
anareo aho fa ny 20 novambra izao, fetin’i Kristy Mpanjaka, no ankalazantsika ny andro
maneran-tany ho an’ny tanora any amin’ny Eglizy any an-toerana maneran-tany.
Amin’io lafiny io ; mety ho fanampiana lehibe ho an’ireo mikatroka amin’ny pastoralin’ny
tanora ny tahirin-kevitra vao navoakan’ny Dikastera momba ny laika sy ny fianakaviana ary
ny aina – Torolalana pastoraly ho an’ny fankalazana ny JMJ any amin’ny Eglizy ao antoerana-.
Ry tanora malala,
Maniry aho fa amin’ny fotoanan’ny JMJ ianareo dia afaka hiaina indray ny hafaliana amin’ny
fihaonana amin’Andriamanitra sy amin’ny rahalahy sy anabavy. Taorian’ny fotoana
maharitra nifanalavirana sy nitokana-monina, dia hiaraka isika any Lisbonne- miaraka
amin’ny fanampian’Andriamanitra– hiaina indray hafalian’ny fifanatonan’ny mpiray tampo
amin ny samy vahoaka sy taranaka mifandimby, fifanatonan ny fampihavanana sy
fiadanana, fifanatonan ny firahalahiana misionera vaovao ! Enga anie ny Fanahy masina
hamelona ao am-ponareo ny faniriana hitsangana sy hafaliana hiara-mizotra, amin’ ny
fiarahan-dia, amin ny fialana ireo sisin-tany tsy izy. Izao no fotoana hiainganrsika.
Mitsangana faingana ! Ary toa an i Maria, entintsika ao am-po i Jesoa mba hampitaina amin’ny rehetra. amin izao taona mahafinaritra amin ny fiainareo izao, mirosoa amin ny lalina, aza
am-piandrasana aoriana ny mety ho vitan ny Fanahy Masina ao aminao ! Amin’ ny foko
mantolo, mitso-drano ny nofinareo sy ny dianareo aho.
Tao Saint Jean de Latran, 15 août 2022, Fankalazana ny nampiakarana an i Masina Maria
any an-danittra.
Dikan-teny VPKT
12/11/202