Irak’i Kristy : indreto zahay !
Iraka no iantsoana ny ankizy ao amin’ny Fivondronana Eokaristikan’ny Tanora. Iraka izy ireo satria nantsoin’i Kristy an-tsitrapo hampiray ny fanolorany sy ny vavaka ataony miaraka amin’ny Azy. Ary irahiny hitondra ny Hafany ho an’ireo namany.
Irak’i Kristy, mpitondra ny hafatra mahagaga
Sampana ivondronan’ireo ankizy latsaky ny 13 taona ny Irak’i Kristy. Irahina toy ny Mpaminany fahiny sy ny Apôstôly izy ireo hitondra ny Hafatra mahagaga. Ny Hafatra mahagaga dia ny Tenin’Andriamanitra ivelomany isan’andro izay raisiny ao amin’ny Evanjely mivantana na koa amin’ny gazety Hafatro. Rehefa mahazo hery avy amin’ny Tenin’Andriamanitra izy ireo dia mandray ny Tenany ao amin’ny Eokaristia. Izany no vatsy mankahery azy eny an-dalana hitory ilay Hafatra.
Irak’i Kristy : mivavaka, mandray an’i Jesoa, mahafoy tena, ho apôstôly
Mivavaka : Irahin’i Jesoa hamonjy ny namany ny Iraka. Ny fahasoavana no hoentiny manasoa sy mamonjy azy ireo. Ny fivavahana no hahazoany ny fahasoavana. Ka ny hataony voalohany indrindra dia ny mivavaka. Ary ny mivavaka moa dia miresaka amin’Andriamanitra Ray Aman-dreny be fitiavana. Misaotra sy midera Azy noho ny zava-tsoa rehetra omeny. Milaza amim-pahatsorana izay ao am-po sy izay irina.
Mandray an’i Jesoa : ao amin’ny Teny, ao amin’ny Eokaristia, ao amin’ny namana.
Mahafoy tena
« Tsy misy manam-pitiavana lehibe mihoatra noho ny Mahafoy ny Ainy ho an’izay tiany », hoy ny Tompo (Jo 15, 13). Asaina mandinika isan-kariva ny Iraka raha nanao ireny Asam-pamonjena sahaza ireny nandritra ny andro. Ary dia asaina manamarika ny rakipiainany, izany hoe izay asa vitany tamin’iny andro iny, ao anatin’ny taratasy kely atao hoe : « Miha-Jesoa » izy amin’izany. Dia faranany amin’ny vavaka alohan’ny hatory.
Ho Apôstôly
Hiasa ho an’ny Fiangonana no anampian’ny FET ny Iraka. Noho izany dia ny Tenin’i Jesoa hoe : « Mifankatiava ianareo toy ny nitiavako anareo ; izany no marika hahafantaran’ny olona fa Irako ianareo raha mifankatia » (Jo 13, 34-35), io no tsy maintsy iainany.
Izany teny izany no anampiana azy mba hisehoany ho Iraka marina tokoa eo amin’ny fiainany. Hijoro ho Apôstôly izy amin’izay ka tsy hitebiteby intsony na hatahotra (Jereo ny Fotokevitra).
Beazina ho be herimpo ny Irak’i Kristy
Zarina ny ankizy hanabe ny sitrapony hanahaka ny nataon’i Jesoa : Mahery fo. Atao amim-pinoana sady atao tsara avokoa izay rehetra atao. Amporisihana izy amin’izay ataony mba hanana fahazotoana : ankizy mazoto. Mampitombo ny Hery ao aminy izany. Miha-be herim-po miandalana izy. Miha-Jesoa isan’andro.