Hira Fanevan’ny JNE 3 : Rankizy ô, ndao hiara-dia
Ref : Rankizy ô avia, ndao hiara-dia, miantso anao ny Tompo
Hiaina sy hitory ny Vaovao mahafaly nentin’i Kristy
Rankizy miara-dia, filamatra ianao, efa fahazavana
Tano ny finoana, Apositolin’ny Ankizy, fanantenan’ny Eglizy
1-Isika no antsoina, fa antoky ny ho avy, zanaka andrandraina,
Sy fanantenana, Ka kolokoloina, Ikelezan’aina
Tezaina ara-pinoana, zarana fahendrena, omena fahalalana,
Beazina ho tsara, ara-nofo ara-panahy, ho lavi-pahotana
Aoka ny hafaliana, hafalian’i Kristy, no hiainantsika
Ny vaovao mahafaly, no torolalana ho an-ny diantsika
2-Isika no antsoina, hitarika ny hafa, tsy miara-dalana
Handresilahatra, vavolombelona, fanasina hanamasina
Hahay hanetry tena hanaja koa ny hafa, fa zanak’andriamanitra
Ny fahatsoram-po dia hahazoantsika ny fanjakan’ny lanitra
Mandalina Finoana, mivavak’isan’andro, manaja ny Eokaristy,
Miara-dalana amintsika, mivavaka ho antsika i Masina Maria
RANAIVOMANANA François de Paul