Hihaona amin’ny Papa Fransoa isika !
Amin-kafaliana no ilazana amintsika fa hisy ny fihaonana amin’ny Papa Ray Masina any Rôma.
Nanaiky ny handray ireo mpivahiny hamarana ny fankalazana ny faha 100 taonan’ny FET izy.
Marihina fa efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo maniry hivahiny any Rôma.
Handray ny FET mompera Adolfo Nicolas
Hisy ny sorona masina hotarihin’I mompera Adolfo Nicolas, lehiben’ny Fikambanan’I Jesoa ny alahady 9 aogositra.
Aorian’io dia hisy dinika hiarahany amin’ireo tantsoram-pirenena tonga manatrika ny fihaonana any Rôma.