Handeha hiasa any Haïti Mgr Nugent
Voatendry hiasa any Haïti Mgr Nugent ka ny faran’ny volana izao izy no handao an’i Madagasikara.
Dimy taona no niasany teto. Anisan’ny nampiavaka azy ny fitsidihana ireo diosezy sy ny fiombonana tamin’ireo mpisehatra eo anivon’ny Fiangonana.
“il primo amore non si scorda mai! » hoy izy tamin’ireo solotenan’ny fikambanana masina tonga nitsidika azy teny Ivandry (Tsy hadino mandrakizay ny voaloham-pitiavana).
Madagasikara tokoa no toerana niasany voalohany amin’ny maha solotenan’ny Ray masina azy ka mitana toerana manokana ao am-pony.
Nomarihiny fa sarotra ny miandry azy any Haïti. Maro ny faharavana taorian’iny horohoron-tany mahatsiravina iny ary anisan’ny nitondra takaitra tokoa ny Fiangonana.
Mitrotro am-bavaka azy isika amin’izao asa fanompoana ataony izao !