Hafatry ny Ray Masina ho an’ny Karemy 2021 : “Indro miakatra ho any Jerosalema isika…” (Mt 20,18)
Ry rahalahy sy anabavy malala,
Raha nilaza mialoha tamin’ny mpianany ny fijaliany sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany ho velona, ho fanatanterahana ny sitrapon’ny Ray i Jesoa, dia nanambara tamin’izy ireo ny hevitra lalina raketin’ny asa nanirahana Azy ary niantso azy ireo handray anjara amin’io iraka io, ho famonjena an’izao tontolo izao.
Eo am-pamakivakiana ny làlan’ny ny Karemy izay mitondra antsika amin’ny fankalazana ny Paka isika, dia mahatsiaro an’Ilay « nampietry ny tenany, nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana teo ambony Hazofijaliana » (Fil 2,8). Amin’izao fotoam-pibebahana izao dia manavao ny finoantsika isika, manovo ilay « ranovelon’ »ny fanantenana sy mandray amin’ny fo misokatra ny fitiavan’Andriamanitra izay manova antsika ho mpirahalahy sy mpirahavavy ao amin’i Kristy. Hanavao ny toky nomena tamin’ny Batemy isika amin’ny alin’ny Paka, mba hateraka indray ka ho tonga lehilahy sy vehivavy vaovao, noho ny asan’ny Fanahy Masina. Ny fizorana amin’ny karemy anefa, tahaka ny làlan’ny fiainana kristianina manontolo, dia efa eo ambany fanilovan’ny Fitsanganan-ko velona sahady, izay manentana ny fihetsehampo, ny toetra sy ny safidin’izay te hanara-dia an’i Kristy.
Ny fifadiankanina, ny fivavahana sy ny asa fiantràna, araka ny nanehoan’i Jesoa azy ao amin’ny toriteniny (jereo Mt 6,1-18), dia fepetra sy endrika isehoan’ny fibebahantsika. Ny làlan’ny fahantrana sy ny fihafiana (fifadian-kanina), ny fijery sy ireo fihetsika maneho fitiavana ny olona maratra (asa fiantràna) ary ny resaky ny zanaka amin’ny Ray (fivavahana) no ahafahantsika manao izay hahatonga nofo ao amintsika ny tena finoana, ny fanantenana velona ary ny fitiavana manosika hiasa.
1. Miantso antsika handray ny Fahamarinana sy ho tonga vavolombelon’izany, eo anatrehan’Andriamanitra ary eo anatrehan’ny rahalahy sy anabavintsika ny finoana.
Amin’izao fotoanan’ny Karemy izao, ny hoe mandray sy mivelona ny Fahamarinana niseho tao amin’i Kristy, dia midika alohan’ny zavatra rehetra hoe manaiky hotohίnin’ny Tenin’Andriamanitra, izay ampitain’ny Fiangonana amintsika, amin’ny taranaka mifandimby. Tsy zavatra foronin’ny saina, voatokana ho an’olom-bitsy marani-tsaina voafidy, ambony sy miavaka, io Fahamarinana io, fa hafatra raisintsika sy mety ho azontsika noho ny fahalalàn’ny fo, misokatra amin’ny halehibeazan’Andriamanitra izay tia antsika nialohan’ny ahatsapantsika izany. Io Fahamarinana io dia tsy iza fa i Kristy ihany, ilay nitafy sy niaina hatramin’ny lalina indrindra ny toetra maha-olombelona antsika ka nanao ny tenany ho Làlana mitondra any amin’ny hafenoan’ny Fiainana – Làlana hentitra kanefa misokatra amin’ny rehetra.
Ny fifadiankanina izay iainana ho toy ny traikefan’ny tsy fahampiana dia mitarika an’izay rehetra manatontosa izany amim-pahatsorampo, hahita ka hahalala indray ny fanomezan’Andriamanitra sy hahazo ny maha-zavaboaary endrik’Andriamanitra antsika sy noharìna mitovy Aminy, izay mahatratra ao Aminy ny fahalavorariana tanteraka. Eo am-piainana ny traikefan’ny fahantràna ekena antsitrapo, izay mifady hanina dia manao ny tenany ho mahantra miaraka amin’ny mahantra ary « manangona » ny harenan’ny fitiavana voaray sy ifampizaràna. Rehefa azo sy nampiharina toy izany ny fifadiankanina, dia manampy ny olona hitia an’Andriamanitra sy ny namana, araka ny fampianaran’i Md Tômà tany Akino, izay milaza fa ny fitiavana dia hetsika iray mampitodika sy mampifantoka antsika amin’ny hafa, ka iheverantsika azy ho toy ny tena iray amintsika (jer. Ansiklika Fratelli tutti – Mpirahalahy avokoa [FT], 93)
Fotoana natao hinoana ny Karemy, na koa hoe natao handraisana an’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika sy hanekentsika Azy « hiorim-ponenana » ao amintsika (jereo Jo 14,23). Ny hoe mifady hanina dia midika hoe manafaka ny fisiantsika amin’izay rehetra mamatopatotra azy, eny fa na dia amin’ny fibosesiky ny vaovao – marina na diso – sy ireo vokatra fanjifa aza, mba hanokafana ny varavaran’ny fontsika amin’Ilay tonga eo amintsika, manao ny tenany ho mahantra amin’ny zavatra rehetra, saingy « feno fahasoavana sy fahamarinana » (Jo 1,14), dia ilay Zanaky ny Andriamanitra Mpamonjy.
2. Ny fanantenana : « ranovelona » manome hery antsika hanohizana ny dia
Tsy azon’ilay vehivavy samaritanina teo akaiky fantsakàna nangatahan’i Jesoa rano ny teniny, raha nilaza Izy fa afaka manome « ranovelona » azy (Jo 4,10). Tamin’ny voalohany dia noheverin-dravehivavy ho rano tahaka ny rano rehetra izany, ny Fanahy Masina anefa no tian’i Jesoa hambara, dia Ilay homeny miavosa ao amin’ny Misterin’ny Paka sy hampiditra ao anatintsika ny fanantenana tsy mba manodòka. Tamin’ny nanambaràny ny fijaliany sy ny fahafatesany, dia efa nanambara sahady ny fanantenana i Jesoa, raha nilaza hoe : « fa hitsangan-ko velona Izy amin’ny andro fahatelo » (Mt 20,19). Miresaka amintsika ny hoavy adanadànan’ny indrafon’ny Ray i Jesoa. Ny hoe manantena miaraka Aminy sy noho Izy dia midika hoe mino fa ny tantara dia tsy mikombona na mifarana amin’ny hadisoantsika, amin’ny herisetra sy ny tsy rariny ataontsika ary amin’ny fahotàna mamàntsika ny Fitiavana. Midίka hoe manovo ny famindrampon’ny Ray avy ao amin’ny Fony misokatra.
Ao anatin’ny toejavatra mahabe ahiahy amam-pahasahiranana iainantsika ankehitriny, izay ahatsapàna fa toa marefo ary tsy azo antoka ny zavatra rehetra, dia ohatry ny hoe fihantsiana ny miresaka fanantenana. Ny vanim-potoanan’ny Karemy dia natao hamelomana ny fanantenàna, hampitodihana indray ny fijery amin’ny faharetan’Andriamanitra izay manohy hatrany ny fikolokoloana ny zavaboaariny, fa isika mazàna no ratsy fitondra azy (jer. Taratasy ansiklika Laudato si’ – Ankalazaina anie Ianao [LS], 32-33.43-44). Izany dia fanantenana anatin’ny fihavanana, izay ampirisihan’i Md Paoly antsika amim-pitiavana hoe : « Meteza re ianareo hihavana amin’Andriamanitra » (2Kôr 5,20). Rehefa mandray famelankeloka ao amin’ny Sakramenta izay ivon’ny dingam-pibebahana arahintsika isika, dia tonga mpampiely na mpizara famelankeloka koa : noho isika efa nandray famelankeloka dia afaka manolotra izany amin’ny alàlan’ny fahafaha-miaina fifanakalozankevitra ampitiavana sy fiezahana hanana toetra sahaza hoenti-mankahery izay maratra. Ny famelàna avy amin’Andriamanitra, eny fa na dia amin’ny alàlan’ny teny sy ny fihetsika ataontsika aza, dia ahafahana miaina Pakam-pirahalahiana.
Mandritra ny Karemy, aoka isika hitandrina bebe kokoa ka « hanao teny fampirisihana manohana, manome hery, mampionona, mampazoto fa tsy sanatria hanao teny manambany, mampalahelo, mahatezitra na maneso » (FT, 223). Indraindray dia ampy hanomezana fanantenana ny mijoro ho « olona malemy fanahy mampandefitra ireo ahiahiny manokana sy ny zava-mahamaika azy mba hitsinjovana bebe kokoa ny hafa, hizaràna tsiky, hilazàna teny mampirisika, hampisiana sehatra hihainoana ny hafa eo anivon’ireo endrika tsy firaharahàna marobe » (FT, 224).
Ao anatin’ny fandinihantena lalina sy ny fivavahana mangina, dia omena antsika ho toy ny aingam-panahy sy fahazavana anaty manilo ireo fanamby sy ireo safidy atao amin’ny asa anirahana antsika ny fanantenana : izany no mahazavadehibe fototra ny fifantohana lalina mba hivavaka (jereo Mt 6,6) sy ny fihaonana amin’Ilay Rain’ny fitiavana ao amin’ny miafina.
Ny hoe miaina ny Karemy amim-panantenana dia midika hoe mahatsapa tena ho vavolombelon’ny fotoana vaovao, ao amin’i Jesoa Kristy, fotoana « hanavaozan’Andriamanitra ny zavatra rehetra » (jer. Ap 21,1-6). Midika koa hoe mandray ny fanantenana entin’i Kristy, izay nanolotra ny ainy teo ambony hazofijaliana sy natsangan’Andriamanitra ho velona tamin’ny andro fahatelo, « vonona mandrakariva hamaly an’izay rehetra manontany antsika ny anton’ny fanantenana izay ao amintsika » (1P 3,15).
3. Ny fitiavana, iainana araka ny niainan’i Kristy izany, ao anaty fijerena sy fangorahana ny olona tsirairay, no endrika faratampony maneho ny finoantsika sy ny fanantenantsika.
Ny fitiavana dia mifaly amin’ny fahitàna ny hafa mitombo. Izany no antony mampijaly rehefa mahita ny hafa miaina anaty tebiteby : irery, marary, tsy manankialofana, esoina sy atao tsinontsinona, anatin’ny tsy fahampiana, … Ny fitiavana dia hetsiky ny fo, izay manosika antsika hivoaka avy ao amin’ny tontolontsika samirery ary miteraka ny fatoran’ny fifampizaràna sy ny fiombonana.
« Miainga avy amin’ny fitiavana mahakasika ny sosialy, azo atao tsara ny miroso amin’ny sivilizasiônan’ny fitiavana izay mety hahatsapantsika rehetra tena fa iantsoana antsika. Ny fitiavana, noho ny fananany havitrihana mahahenika an’izao rehetra izao, dia afaka manorina tontolo vaovao, satria tsy mba fihetsehampo tsy mamokatra izy io, fa fomba tsara indrindra hahatratrarana ireo làlana mahomby ho amin’ny fandrosoan’ny rehetra » (FT, 183).
Ny fitiavana dia fanomezana mampisy heviny ny fiainantsika, ary noho io fitiavana io no andraisantsika an’izay miaina ao anatin’ny tsy fisiana ho toy ny isampianakaviantsika, ho namana, ho rahalahy. Raha zaraina amim-pitiavana ny kely eo an-tanana dia tsy ho lany na oviana na oviana, fa miova ho tahirim-piainana sy tahirim-pahasambarana aza. Toy izany no nitranga tamin’ny lafarinina sy ny menak’ilay vehivavy mananotena tany Sareptà, izay nanome mofo an’i Elia 5 mpaminany (jereo 1Mp 17,7-16) ; sy tamin’ireo mofo notsofin’i Jesoa rano sy novakìny ary nasainy nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka (jereo Mk 6,30-44). Izany koa no miseho amin’ny asa fiantràna ataontsika, na kely izany na lehibe, rehefa atolotra amin-kafaliana sy amim-pahatsorampo.
Ny miaina Karemim-pitiavana dia midika hoe mikarakara ireo izay miaina anaty toe-pijaliana, ireo misedra fandaozana na tebiteby noho ny valanaretina Covid- 19. Ao anatin’ny izao toe-javatra iainana ahiahy ny amin’izay mety hitranga rahampitso izao, dia aoka hotsaroantsika ny tenin’Andriamanitra tamin’ny mpanompony hoe : « Aza matahotra, fa Izaho no nanavotra anao » (Izaia 43,1), ka hanolotra ho an’ny hafa teny mirakitra fampatokisana miaraka amin’ny asa fiantràna ataontsika ary ndeha ataontsika izay hahatsapàn’ny hafa fa tian’Andriamanitra tahaka ny zanaka izy.
« Miaraka amin’ny fijery manana tontolo voaovan’ny fitiavana, izay mitarika azy hahatakatra ny fahamendrehan’ny hafa ihany, ireo mahantra no ho voaray sy omena lanja amin’ny fahamendrehany lehibe, ho voahaja amin’ny fomba fiainany sy ny kolontsain’izy ireo, ary noho izany dia ho tafiditra tanteraka amin’ny fiarahamonina » (FT, 187).
Ry rahalahy sy anabavy malala, ny dingana rehetra eo amin’ny fiainana dia fotoana natao hinoana, hanantenàna sy hitiavana. Ity antso hiaina ny Karemy ho toy ny làlam-pibebahana, fivavahana sy fizaràna izay ananantsika ity anie, hanampy antsika hiverina hijery sy handinika indray, ao amin’ny fitadidiantsika miaraka na ny fitadidian’ny tsirairay, ny finoana avy amin’i Kristy velona, ny fanantenana entanin’ny tsiokan’ny Fanahy ary ny fitiavana manana ny fon’ny Ray feno fangorahana ho loharano tsy mety ritra.
I Masina Maria, Renin’ny Mpamonjy, nahatoky teo am-pototry ny hazofijaliana sy ao am-pon’ny Eglizy anie hanohana antsika amin’ny fanotronany mitsinjo, ary ny tsodranon’Ilay Nitsangan-ko velona anie hanjohy antsika eo ampizorana mankamin’ny fahazavan’ny Paka.
Fransoà
Nomena teto Rôma,
Bazilikan’i Md Joany ao Laterano, ny
11 nôvambra 2020,
fahatsiarovana an’i Md Martin tany Tours.