Hafatry ny karemy 2022 : aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa
«Aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa, fa hijinja amin’ny fotoana isika raha tsy ketraka.
Koa dieny izao mbola manana andro isika, manaova soa amin’ny olona rehetra » (Gal 6,9-10a)
Ry rahalahy sy anabavy malala,
Ny Karemy izay fotoana fihavaozana ho an’ny tsirairay sy ny ankohonam-piainana dia mitantana antsika ho any amin’ny Pakan’i Jesoa Kristy maty sy nitsangan-ko velona. Koa mety tsara ho antsika, mandritra ity karemy 2022 ity, ny mandinika ny fanentanan’i Md Paoly manao hoe: “Aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa, fa hijinja amin’ny fotoana isika raha tsy ketraka. Koa dieny izao mbola manana andro isika (chairόs / Kairos), manaova soa amin’ny olona rehetra” (Gal 6, 9-10a).
1. Ny famafazana sy ny fijinjana
Ataon’i Md Paoly kisarisary, ato amin’ity an-dalan-tsoratra masina ity, ny famafazana sy ny fijinjana izay ohatra tena tian’i Jesoa. Resaka fotoana tsara no resahin’i Md Paoly amintsika eto: fotoana tsara hamafazana ny soa hiandrasana vokatra. Inona moa io fotoana tsara ho antsika io? Tsy inona io fa ny Karemy, fa eo koa ny fiainantsika manontolo eto antany, ary toy ny kisary maneho izany ny Karemy. Mibahan-toerana eo amin’ny fiainantsika mazàna ny fitiavam-bola diso tafahoatra, ny avonavona, ny faniriana te hanam-be, te hanangona sy te hanjifa, tahaka ilay lehilahy adala voalazan’ny fanoharana ao amin’ny Evanjely izay nihevitra ny fiainany ho azo antoka sy sambatra noho ny habetsahan’ny vokatra voaangony ao an-tsompitra. Mitaona antsika ho amin’ny fibebahana sy ny fiovan-toe-tsaina ny Karemy mba ho marina sy ho tsara ny fiainana, tsy amin’ny fananana an’izao sy izao fa amin’ny fitiavana manome, tsy amin’ny fanangonana tsy misy farany fa amin’ny famafazana ny tsara sy ny fahaizana mizara.
Andriamanitra, ilay malala-tanana “tsy mba mitsahatra mamafy soa ho an’ny taranak’olombelona” (Ansiklika Mpiray tampo avokoa isika, n° 54) no mpamboly voalohany. Voaantso hamaly ny fanomezan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fandraisana ny teniny “velona sy mahery” (He 4,12) isika mandritra ny Karemy. Manamasaka ny fanekena vonona hiasany izay mahatonga ny fiainantsika hamokatra ny fahazotoana hihaino ny Tenin’Andriamanitra. Raha izany aza efa mahafaly antsika, mainka fa ny antso ho “mpiaramiasa amin’Andriamanitra” (1Kôr 3,9) izay mbola lehibe lavitra noho izany, hanararaotra ny fotoana ankehitriny (jer. Efez 5,16) koa isika ka hamafy amin’ny fanaovana ny tsara. Tsy tokony horaisintsika ho enta-mavesatra io fiantsoana hamafy ny tsara io, fa ho toy ny fahasoavana satria irin’ny Mpahary iombonana amintsika amin’ny halemem-panahiny mahavokatra izany.
Ary ny fijinjana? Moa tsy ny mba hijinja ve no antony hamafazana? Mazava ho azy. I Paoly ihany no manamafy ny fifandraisana akaiky sy lalina eo amin’ny famafazana sy ny fijinjana, hoy izy: “Izay mamafy kely hijinja kely, ary izay mamafy be dia hijinja be” (2Kôr 9,6). Inona anefa moa ilay vokatra resahina eto? Ny vokatra tsara voafafy voalohany dia tsy aiza fa ao anatintsika, ao amin’ny fifandraisantsika andavanandro, hatramin’ny fihetsika feno hatsaram-panahy faran’izay madinika indrindra. Ao amin’Andriamanitra dia tsy misy very maina ny “asa atao am-pitiavana” eny fa na dia kely indrindra aza izany ary toy izany koa ireo “havizanana noho ny fahafoizan-tena” (jer. Fanent. Ap. Ny hafaliana entin’ny Evanjely, n° 279). 2 Tahaka ny hahafantarana ny hazo amin’ny voany no hahitana ny famirapiratry ny fiainana feno asa tsara (jer. Mt 5,14-16) mitondra ny hanitr’i Kristy eo amin’izao tontolo izao (jer. 2Kôr 2,15). Ny manompo an’Andriamanitra, tsy misy fahotana, dia mampahazo ny vokatry ny fahamasinana ho famonjena ny besinimaro (jer. Rôm 6, 22).
Ny zava-misy dia tsy hioty hafa tsy ampahany kely amin’ny vokatr’izay hafafintsika ihany isika, araka ny ohabolana ao amin’ny Evanjely hoe: “hafa ny mamafy, hafa no mijinja” (Jo 4,37). Fa eo am-pamafazana ny soa ho an’ny hafa indrindra no handraisantsika anjara amin’ny halemem-panahin’Andriamanitra: “mitory fahamendrehana lehibe ny fahafahana manomboka dingana izay fantatra rahateo fa ny hafa no hioty ny vokatra, ka ny ametrahana ny fanantenana dia ilay hery miafina ao amin’ny zavatra tsara nafafy” (Ansiklika Mpiray tampo avokoa isika, n° 196). Manafaka antsika hiala amin’ny fitadiavana tsisy farany ny tombontsoa kely ho an’ny tena ary manome ny fitiavana hizara maimaim-poana amin’izay ataontsika ny famafazana ny tsara ho an’ny hafa, amin’ny alalan’ny fampidirantsika ny tenantsika ao anatin’ny vinavinan’asan’Andriamanitra izay tena tsara sy mendrika.
Manandratra sy mampivelatra ny fomba fijerintsika ny Tenin’Andriamanitra izay milaza amintsika fa ny vokatra tena izy dia ny vokatra any am-parany, ilay andro farany, andro tsy misy filentehan’ny masoandro intsony. Ny vokatra azo amin’ny fiainantsika sy ny asantsika dia ny “vokatry ny fiainana mandrakizay” (Jo 4, 36) izay “rakitra any an-danitra” (Lk 12, 33; 18, 22) ho antsika. I Jesoa ihany koa dia mampiasa ilay kisarisarin’ny voa maty ao anaty tany sy mitondra vokatra mba hilazana ny misterin’ny fahafatesana sy ny fitsanganan-ko velona (jer. Jo 12,24); ary i Md Paoly dia mampiasa an’io koa hilazana ny fitsanganan’ny vatantsika ho velona: “Toy izany koa ny fitsanganan’ny maty: mety lo izy no afafy, fa tsy mety lo no atsangana: tsy misy hajany izy no afafy, fa be voninahitra no atsangana: malemy izy no afafy, fa mahery no atsangana; vatana manana aina fotsiny no afafy, fa vatana ara-panahy no atsangana. Fa misy vatana manana aina fotsiny, ary misy vatana ara-panahy”(1Kôr 15,42-44). Io fanantenana io no hazavana lehibe entin’i Kristy ho an’izao tontolo izao: “Ka dia isika no ho fara fahoriana indrindra amin’ny olon-drehetra, raha amin’ity fiainana ity ihany no anantenantsika an’i Kristy. Tsy izany anefa, fa efa nitsangana velona avy tany amin’ny maty tokoa i Kristy, santatra ho an’ireo nodimandry” (1Kôr 15,19-20), ka ho tahaka izay miombona aminy amin’ny fitiavana dia ho “tahaka izany koa amin’ny fitsanganany” (Rôm 6,5), ary mbola ho tahaka izany koa amin’ny fitsanganany ho amin’ny fiainana mandrakizay (jer. Jo 5,29): “amin’izany koa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny fanjakan’ny Rainy” (Mt 13,43).
2. “Aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa”
Manentana an’ireo fanantenana eto an-tany izay miandrandra ilay “fanantenana lehibe” dia ny fiainana mandrakizay ny fitsanganan’i Kristy ho velona ary mampiditra sahady ao amin’ny ankehitriny ny tsimoky ny famonjena (jer. Benoît XVI, Ansiklika Spe Salvi, nn. 3.7). Manoloana ireo fahadisoam-panantenana vokatry ny karazana nofinofy maro sy ny fitaintainana manoloana ireo fanamby miandry, eo anatrehan’ny fahakiviana vokatry ny tsy fahampian’ny hoenti-manana, dia fakam-panahy mahazo antsika ny fitiavan-tena sy ny fialokalofana ao ambadiky ny tsy firaharahana ny fijalian’ny hafa. Vokatr’izany, na ireo heverina ho fanampiana aza voafetra: “Ny zatovo mety sasatra sy vizana, ary ny tanora mety hangozohozo (Iz 40,30), fa Tompo “manome hery an’izay sasatra Izy ary mampitombo tanjaka an’izay reraka. […] Izay miankina amin’ny Tompo dia mamelombelon-kery hatrany, misidina avo toy ny voromahery, mihazakazaka tsy hahalasa sasatra, mandroso ka tsy hahatsiaro vizana” (Iz 40,29.31). Miantso antsika hametraka ny fanantenantsika sy ny finoantsika ao amin’Andriamanitra ny Karemy (jer. 1Pi 1,21), satria amin’ny alalan’ny fibanjinana an’i Jesoa Kristy nitsangan-ko velona (jer. He 12,2) irery ihany no hahafahantsika mandray ny fanentanan’ny Apôstôly hoe. “Aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa” (Gal 6,9).
Aza sasatra mivavaka isika. Nampianatra ny amin’ny “tsy maintsy ivavahana lalandava sy am-paharetana” (Lk 18,1) i Jesoa. Tokony hivavaka isika satria mila an’Andriamanitra. Zavadoza ny mihevitra hoe mahavita tena samirery. Raha nahakasika ny maha marefo antsika sy ny fiaraha-monina misy antsika ny Covid 19, ny Karemy kosa manampy antsika hanandrana ny herin’ny finoana an’Andriamanitra, hahatsapantsika fa raha tsy misy Azy isika tsy haharitra (jer. Iz 7,9). Tsy misy olona na iray aza ka afaka mamonjy tena samirery, satria sambo iray no misy antsika rehetra miatrika ny tafiotran’ny tantara(2). Fa indrindra indrindra tsy misy olona voavonjy tsy misy an’Andriamanitra, satria ny misterin’ny Pakan’i Jesoa Kristy ihany no manome fandresena eo ambonin’ny rano aloky ny fahafatesana. Tsy manala antsika tsy ho zohim-pahoriana eo amin’ny fiainana ny finoana, fa manampy antsika kosa izy hiombona amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy hamakivakiana ireny amim-panantenana lehibe tsy manodòka sy antoky ny fitiavana izay atobak’Andriamanitra ao am-pontsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina (jer. Rôm 5,1-5).
Aza sasatra mamongotra ny ratsy eo amin’ny fiainantsika. Hankahery ny fanahintsika hiady amin’ny fahotana anie ny fifadian-kanina hanentanan’ny Karemy antsika. Aza sasatra ny mangata-pamelàna ao amin’ny Sakramentan’ny fibebahana sy ny fampihavanana amin’ny fahafantarana fa tsy sasatra ny mamela antsika Andriamanitra (3). Aza sasatra miady amin’ny fanirian-dratsy, io halemena io izay manosika antsika amin’ny fitiavan-tena sy ny ratsy rehetra, hita teo amin’ny taon-jato nifandimby fa lalana manosika ny olona hanota. (jer. Ansiklika Mpiray tampo avokoa isika, n° 166). Iray amin’ireo lalana ireo ny mety ho fiankinan-doha amin’ny haino aman-jery nomerika izay mampahantra ny fifandraisan’ny olombelona. Fotoana tsara hiadiana amin’ireo fandrika ireo ny Karemy ary hambolena ny fifandraisan’ny mpiara-belona tena izy sy manontolo (jer. Mpiray tampo avokoa isika, n°43), “vonona hihaona marina amin’ny hafa” (Ibid., n°50), mifanatrika. Aza sasatra manao ny tsara amin’ny namantsika amin’ny asa fitiava-namana azo tsapain-tanana. Mandritra ity karemy ity, manaova asa fiantrana amin-kafaliana (jer. 2Kôr 9,7). Andriamanitra izay “manome ny mpamafy ny voa hafafy sy ny hanin-kohaniny” (2Kôr 9, 10) dia miahy antsika tsirairay, tsy hoe mba hanan-kohanina fotsiny isika, fa mba hahafahantsika maneho fa malala-tanana isika amin’ny fanaovana ny tsara ho an’ny hafa. Raha marina fa fotoana amafazana ny tsara ny fiainantsika manontolo dia araraoty manokana ity Karemy ity mba hikarakarana ny hafa manodidina antsika, mba hanakaikezantsika ireo rahalahy sy anabavy maratra eny an-dalan’ny fiainana eny (jer. Lk 10,25-37). Fotoana tsara hitadiavana ny Karemy fa tsy handosirana ireo izay mila vonjy; hiantsoana fa tsy hanaovana tsinontsinona ireo te hohenoina sy te hahazo teny mamy; hamangiana fa tsy handaozana ireo izay mijaly manirery. Ataovy ho azo tsapain-tanana ny antso ho amin’ny fanaovana ny tsara amin’ny olona rehetra amin’ny alalan’ny fakana fotoana hitiavana ny madinika indrindra sy ny tsy misy mpiaro, ny voahilika sy ny tsy misy mpijery, ary izay iharan’ny fanavakavahana sy ny fanilikilihana. (jer. Ansiklika Mpiray tampo avokoa isika, n° 193).
3. “Mioty ny vokatra isika rehefa tsy kivy”
Ampahatsiahivin’ny karemy antsika isan-taona fa “tahaka ny fitiavana ihany, ny tsara, ny rariny sy ny hitsiny ary ny firaisan-kina dia tsy mba azo indray maka dia vitan’izay, fa tolona ilofosana isan’andro vaky no hananana azy”. (Ibid. n° 11). Angatahontsika amin’Andriamanitra araka izany ny faharetan’ny mpamboly (jer. Jak 5,7) mba tsy handà ny hanao ny tsara miandalana. Izay lavo anie mba hanolotra ny tanany amin’Andriamanitra izay manarina mandrakariva. Izay very, voafitaky ny fandriky ny ratsy mba hiverina haingana aminy izay “manan-karena famindram-po” (Iz 55,7). Amin’izao fotoam-pibebahana izao, miaraka amin’ny fanampian’ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fiombonana amin’ny Eglizy, dia aza sasatra mamafy ny tsara. Manomana ny tany ny fifadian-kanina, manondraka azy ny vavaka, ny asa fiantrana kosa mampahavokatra azy. Azontsika antoka ao amin’ny finoana fa “hijinja isika raha tsy kivy” ary noho ny fanomezam-pahasoavan’ny faharetana dia ho azontsika izay nampanantenaina (jer. He 19,36) mba ho famonjena antsika sy ho famonjena ny hafa (jer. 1Tm 4,16). Rehefa miaina ny fifankatiavana eo amintsika samy isika isika dia miombona amin’i Kristy izay nanome ny ainy ho antsika (jer. 2Kôr 5,14-15) ary sitrahantsika sahady ny hafalian’ny fanjakan’ny lanitra rehefa “zavatra rehetra ao amin’izy rehetra” Andriamanitra (1Kôr 15,28).
I Masina Maria virjiny izay nanome antsika ny Mpamonjy sy nitahiry ny zavatra rehetra ary “nandinika izany tao am-pony” (Lk 2,9) anie hampahazo antsika ny fanomezan’ny faharetana sy ho akaiky antsika amin’ny maha Reny azy mba hitondra ny vokatry ny famonjena mandrakizay fotoam-pibebahana izao.
Natao teto Rôma, anilan’ny Saint Jean de Latran, ny 11 nôvambra 2021,
fahatsiarovana an’i Md Martin, Eveka.
(1) Jer. Saint Augustin, Serm. 243,9,8; Fr. Dans Ps 110,1.
(2) Jer. Moment extraordinaire de prière en temps d’épidémie (27 mars 2020)
(3) Jer. Angelus du 17 mars 2013