Hafatra ho an’ny AFAFI-FET : jery todika, soridalana…
« Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo » (Lioka 6, 36)
Afafi ! – FET !
Hafaliana ho anay aty amin’ny Foibe Nasiônalin’ny AFAFI-FET no miarahaba antsika rehetra Aomônie, Zoky am-panahy, Mpanabe sy ny AFAFI-FET tsy ankanavaka manerana ny Nosy amin’izao fiandohan’ny Taona Masina, Taonan’ny Famindram-po izao. Ho taom-pahombiazana ho an’ny AFAFI sy ny FET manontolo anie ity Taona Masina diavintsika ity ka samy hiezaka ho « Mpamindra fo tahaka ny Ray » tokoa isika. Firarian-tsoa ihany koa no atolotra antsika rehetra amin’izao fetin’ny Noely sy ny taona vaovao efa antomotra izao.
Atolotra antsika àry ny Soridalana hoenti-miaina mandritra ny taom-pikatrohana vaovao 2015-2016 izay iarahantsika mahita fa somary efa tratra aoriana ihany noho ny fiatrehana ny famaranana ny taon-jobily iny. Toy ny fanaontsika mahazatra dia ialohavan’ny « Jery todika » ho an’ny taona lasa izany ary anomezana antsika ihany ireo vaovao tsara ho fantatra eo anivon’ny AFAFI-FET, na avy eto an-toerana na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
1. Jery todika ny taona lasa
« Mba ho ao aminareo ny fifaliako » (Jo 15, 11). Io no teny Faneva niainantsika AFAFI-FET teto Madagasikara sy maneran-tany nandritra iny Taon-jôbily maro sosona natrehintsika iny. Isaorana an’Andriamanitra lehibe indrindra fa tontosa soamantsara iny taom-pankalazana lehibe iny, na ny teto Madagasikara izany na ny teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Hita miharihary fa samy nanao izay tratra ny Diôsezy tsirairay, hatramin’ny ekipa fototra, nanamarika iny Taon-jobily lehibe iny tamin’ny fomba maro samy hafa. Fisaorana sy fankatelemana no atolotra antsika rehetra, indrindra ho anareo Aomônie, Zoky am-panahy, Mpanabe lahika tsy ankanavaka nanao izay nahatomombana ny hetsika rehetra nanamarihana ny fankalazana. Inoana sy antenaina fa ny nisongadina indrindra tamin’ireny fanamarihana ireny dia ny fanomezan-danja ny lafiny ara-panahy izay mampiavaka antsika AFAFI-FET. Hitoetra lalandava ao am-pontsika sy ny Fikambanana manontolo anie ny « Hafalian’i Kristy » ka hanome zotom-po sy hery vaovao hatrany hampandrosoana ny Fanjakan’Andriamanitra eo anivon’ny mpiara-belona amintsika.
Marihina manokana ny endri-pamaranana roa, dia ny teo amin’ny sehatra maneran-tany natao tany Rôma sy ny teto Madagasikara vao tsy ela akory izay. Nanana solontena tany Rôma isika. Nisongadina tamin’ireo FET manodidina ny 1500 avy amin’ny Firenena 35 ny fifampizarana hafaliana sy fiainana nandritra ny kôngresy. Fa ny tena niavaka dia ny fihaonana manokana tamin’ny Papa François ka nanomezany fampianarana sy hafatrafatra ho an’ny FET maneran-tany ary tsodrano apôstôlika ho an’ny mpizaika rehetra sy ho an’ny AFAFI-FET maneran-tany.
Ampahany amin’ny hafatry ny Papa :
- « …Tsy afa-miala amin’ny fiainana andavanandro ny fifandirana saingy mampivelatra sy manome herim-po. Ny vahaolana dia ny fifampiresahana ao an-tokantrano na miaraka amin’ny namana hahafahana mamaritra lalana iraisana, nefa tsy hanariana ny maha-izy azy ny tena. Ny fifanajana no mamaha olana. Ilaina mandrakariva ny fiombonana. Tsy tokony haharitra anefa ny fifandirana fa manjary mampijaly. Raha tanora tsy mahay miaina ao anatin’ny fifandirana dia tanora marary.
- Omeo haja sy toavy ny Raibe sy ny Renibe. Olana any amin’ny tany mandroso, mantsy ny fandefasana azy ireo any amin’ny toeran’ireo be antitra hany ka tsy mba afaka mifandray amin’ireo fianakaviany.
- Miangavy anareo aho hahay handanjalanja ny fiadanana avy amin’i Kristy sy ny avy amin’ilay Ratsy. Tsy mba mamitaka ny fiadanan’i Kristy ary mahasoa. Ambony noho ny fifankahalana ny fitiavana ary ny fifanajana noho ny fifandirana. Eo anilan’izay tia azy mandrakariva i Jesoa. Mahatsapa fiadanana sy hafaliana rehefa mihaona amin’i Jesoa ao anatin’ny vavaka. Toy izany koa rehefa manao asa soa sy asa fitiava-namana.
- Nasongadiny manokana ny lanjan’ny Eokaristia. Fahatsiarovana nataon’i Jesoa ny Eokaristia. « Ataovy izao ho fahatsiarovana ahy », hoy izy tamin’ireo Apostoly. Izany hoe : isaky ny mamonjy fankalazana ny Eokaristia, na mitsaoka an’i Kristy ao amin’ny Tabernakla dia tokony hahatsiaro Azy mandrakariva. Tsarovy lalandava àry i Kristy, hoy i Md Paoly. Dia mirary soa ho anareo FET rehetra! » (ny Papa François).
Ampahany amin’ny hafatry ny Papa ihany ireo fa hohitantsika amin’ny gazetim-panabeazana 2016 amin’ny telovolana voalohany ny votoatiny.
Ny famaranana teto Madagasikara kosa dia niarahantsika rehetra nanatontosa ny fahatanterahany. Isaorana eram-po eran-tsaina ireo Eveka Raiamandrenintsika tamin’ny naneken’izy ireo iny fotoam-pamaranana iny ho nifanindran-dalana tamin’ny Fivoriamben’ny Eveka, ary koa ny fanomezana fampianarana tany amin’ny tobim-pandraisana isan-tsampana sy ny fanotronana am-bavaka tamin’ny Sorona Masina manetriketrika niaraha-nankalaza. Teo ihany koa ny fahatongavan’i RP Frédéric FORNOS sj, izay Ray am-panahy iombonana maneran-tany, nanatrika iny fotoan-dehibe iny ka nanehoany ny hafaliany sy ny fihetseham-pony manoloana ny fahavitrihan’ny AFAFI-FET eto Madagasikara. Nanodidina ny 5500 teo moa ny mpizaika rehetra tonga fa tafakatra hatramin’ny 10000 kosa izany ny Alahady nandritra ny Sorona Masina famaranana.
Nisy ny tomban’ezaka efa nalefa any amintsika mahakasika iny famaranana ny taon-jôbily iny ; koa entanina isika mba hamerina izany aty amin’ny Foibe Nasiônaly, ho fanatsarana ny hoavy.
2. Soridalana iombonan’ny AFAFI-FET manerana ny Nosy ho an’ny Taona 2015-2016
- Teny Faneva :
Noho isika AFAFI-FET Fikambanana masina miara-mitempo sy miombona amin’ny Fiangonana dia miaraka amin’ny Fiangonana manontolo sy ny Papa Ray Masina isika no miaina sy mivelona ny Taonan’ny Famindram-po izay natokan’ny Papa ho Taona Masina. Iombonantsika amin’ny Fiangonana noho izany ny Teny Faneva : « Mpamindra fo tahaka ny Ray » izay nalaina tao amin’ny tenin’i Jesoa hoe : « Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo » (Lioka 6, 36).
- Soratra Masina :
- Testamenta Taloha : Boky Fahendrena
- Testamenta Vaovao : Evanjely nosoratan’i Md Lioka
N.B : Izany akory tsy mahasakana ny fandalinana sy famakiana ireo Boky hafa na koa ny Baiboly manontolo ; fa ireo no natolotra dia ho an’ny Taona masina diavintsika.
- Halalinina ireo Boky ireo amin’ny alalan’ny :
- Sary velona
- Fifaninanana
- Fifampizaràna…
- Amporisihina mihitsy ny ankizy hanana Baiboly samirery na Testamenta Vaovao.
- Isika Mpanabe kosa dia tsy maintsy hanana Baiboly feno hahafahantsika manabe sy mampita amin’ny beazina ny Tenin’Andriamanitra.
- Fampianaran’ny Fiangonana :
Misy ny hafatra sy ny fampianarana manokana nataon’ny Papa Ray Masina ho an’ny tanora, izay mifandray manokana amin’izao Taonan’ny Famindrampo izao. « Sambatra ny mamindra fo fa hamindrana fo izy » (Mt 5,7).
Toraka izany ihany koa ny hafatry ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara tamin’ny volana Novambra farany teo. Natao hanampy antsika hiaina ny Teny Faneva avokoa ireny.
- Fiainam-panahy
Tsara ho fantantsika fa tamin’ny fandalovan’i P.Fréderic FORNOS sj, Ray am-panahy iombonana manerantany, teto Madagasikara no nampahafantarany teo anivon’ny Eveka rehetra sy ny Aomônie isan-diôsezy ary ny mpikambana ao amin’ny AFAFI fa manomboka izao dia noraisin’ny Papa Fransoa manokana ho tambajotram-pivavahana iarahana aminy eran-tany ny vavaka Fanolorana ny andro, ka ny AFAFI-FET no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fampielezana izany. Tsy ny fampielezana fotsiny anefa fa isika mihitsy no tsy maintsy miaina sy mivelona izany voalohany.
Koa entanina isika mba handalina indray ny aim-panahy fototra maha-AFAFI-FET antsika, izay miorina amin’ny Hery telo mitondra antsika ho amin’ny asam-pamonjena anirahana antsika : Fivavahana – Tenin’Andriamanitra – Eokaristia.
Ho an’ny EKA sy ny Mpanabe ary ny AFAFI dia amporisihina mihitsy mba hanokana fotoana hanaovana laretirety telo andro isan-taona fara-fahakeliny, ankoatra ny Fiatahana Masina.
Aoka samy hiezaka araka izay azo atao ny Mpanabe amin’ny fanabeazana omeny mba hahatonga ny mpikambana rehetra hiaina ny Famindram-po torin’i Kristy : ny fahaizana mifankatia sy mifamela heloka ary mifandefitra no fototry ny famindram-po sy ny Fitiavana entin’ny Vaovao Mahafaly. Tsy ho menatra ny haneho sy hiaina ny Finoana amin’ny fiainana andavanandro, hamokatra fiainam-panahy mendrika ny maha AFAFI-FET ka ho tena Iraka sy Vavolombelona ary Endrik’i Kristy marina tokoa ho an’ny tontolo manodidina azy. « Ho voninahitra ho an’ny Raiko ianareo raha mamoa be sy tonga mpianatro », hoy i Jesoa (Jo 15, 9).
- Fiofanana nasiônaly :
Toy ny fanao isaky ny telo taona dia hisy ny Fiofanana nasiônaly ho an’ny Mpanabe amin’ny volana Aogositra 2016. Mbola holazaina amin’ny Taratasim-pifandraisana manaraka ny momba ny fotoana sy ny toerana hanaovana izany. Aoka samy hiomana dieny izao ny isan-diôsezy, indrindra amin’ny hoenti-manana.
- Lakroa AFAFI-FET :
Ampahatsiahivina ary entanina sy amporisihina hatrany isika mba samy hanana ny LAKROA iombonan’ ny AFAFI-FET maneran-tany. Natao ho an’ny mpikambana rehetra tsy ankanavaka ny Lakroa. Marihina fa raha vao miditra ao anatin’ny Fikambanana ny olona iray dia tokony hanana io LAKROA io. Io no ifankahalalan’ny AFAFI sy ny FET manerana an’izao tontolo izao. Aty amin’ny Foibe Nasiônaly irery ihany no ividianana io Lakroa io mba hisian’ny fitoviana sy ny fiombonana. 1500 Ariary no vidin’ny iray,
Entanina isika tompon’andraikitra isan-diôsezy hanao ezaka ny amin’izay hananan’ny mpikambana rehetra ny Lakroa AFAFI-FET. Maro tamintsika rahateo no naniry ny hisian’izany Lakroa mampiavaka antsika izany, toy ny Fikambanana hafa. Naniry àry isika ka novalian’i Jesoa ny faniriantsika ary tsy ho antsika eto Madagasikara ihany fa iombonan’ny AFAFI-FET maneran-tany.
- T-Shirt faha-100 Taona :
Noho ny fahamaroan’ireo mbola mitady dia mbola azonareo hafarana aty amin’ny Foibe Nasiônaly ny T-Shirt faha-100 Taona FET na dia efa vita aza ny Taon-jobily. Azonareo hafarana aty amin’ny Foibe Nasiônaly izany araka izay isa ilainareo sy ny refy mifanandrify amin’izany. 5500 Ariary ny an’ny ankizy (6, 8, 10, 12 taona), 6500 Ariary ny lehibe (S, M, L, XL) ary 7000 Ariary ny XXL.
- Vavaka fanolorana ny andro 2016
Noho ny fahatarana teo amin’ny lafiny ara-teknika dia ny Alatsinainy 21 Desambra vao vonona ho an’ny rehetra ny Vavaka Fanolorana ny andro. Ireo rehetra mbola tsy nahaloa ny sarany tamin’ny taon-dasa dia entanina hanefa izany mba hahafahanareo maka ny vaovao. Entanina ny isan-diôsezy mba samy hanao ezaka amin’ny fampielezana azy satria isika no tompon’andraikitra voalohany amin’izany.
3. Famandrihana sy fampiasana ny gazetim-panabeazana « ny Hafatro » sy « Firaisankina » :
Mikasika ny Gazetim-panabeazana ao amin’ny FET, « ny Hafatro » sy ny « Firaisankina » dia hiverina hiseho indray manomboka amin’ny Telovolana voalohany 2016, rehefa avy nisedra olana sy fiatoana nandritra ny volana maromaro. Ireo rehetra nanao famandrihana tamin’ny fotoana nihantonany dia hiverina handray izany izy ireo arakaraka ny saram-pamandrihana nataony avy.
- Ny Hafatro : 1200 ariary isan-taona (miseho in-4)
- Ny Firaisankina : 2400 Ariary isan-taona (miseho in-4)
Amporisihina isika amin’ny fampiasana ny gazety ho anisan’ny fitaovana entina mampivory sy manabe ny ankizy. Ao no ampitana ireo fampianarana sy fanabeazana manampy antsika amin’ny fanabeazana. Tsy ho ary ho hita any anaty Bokim-panabeazana daholo mantsy ny rehetra. Marihina fa atý amin’ny Foibe Nasiônaly no anaovana ny Famandrihana rehetra. Ary azo atao ny mividy na manafatra mivantana na dia tsy nanao famandrihana aza, amin’ny fotoana rehetra. (Hafatro : 400 Ar ny iray ; Firaisankina 700 Ariary ny iray)
4. Tatitra isan-taona (taom-pikatrohana 2014-2015) :
Ampahatsiahivina hatrany isika fa isan-taona toy izao no fandefasana ny tatitra isan-diôsezy miakatra aty amin’ny Foibe Nasiônaly. Amin’ny alalan’io tatitra alefanareo io no ahafahanay ihany koa manao tatitra any amin’ireo Eveka Raiamandrenintsika na ny CEM izany, ary koa mankany amin’ny Foibe Iraisam-pirenena any Rôma. Koa iangaviana isika mba handefa araka izay haingana io tatitra io, fara-fahatarany amin’ny faran’ny volana Janoary 2016. Marihina manokana eto fa tsy nisy afa tsy Diôsezy efatra (4) amin’ny 21 manerana ny Nosy no nahatonga tatitra tamin’ny taon-dasa. Koa manaitra sy manohina anareo Aomônie sy Biraon’ny Diosezy izahay aty amin’ny Foibe Nasiônaly.
Toy izao no tokony ho hita ao anatin’ny tatitra:
- ny fiaimpiainan’ny Fikambanana sy ny hetsika natao teo anivon’ny Diôsezy
- ny isan’ny mpikambana isan-tsampana, raha azo atao dia isan-distrika sy izay niroso tamin’ny Dingana faha-3. Firy ny isan’ny Mpanabe ? ny Zoky am-panahy ? Firy no isan’ny Fiangonana na Sekoly misy FET. Efa miorina ve ny AFAFI ao amin’ny Diôsezy? Fiangonana firy no misy ?
- Nanao ahoana no niainana sy ny fomba nampiharana ny Soridalana 2014-2015.
- Misy ve ny Ekipan’ny Diôsezy na Birao Diôsezy. Raha misy dia alefaso aty amin’ny Foibe ny anaran’ireo mpikambana mandrafitra azy, miaraka amin’ny anaran’ny Aomônie sy ny fomba ahafahana mifandray aminy (Laharana finday, adiresy mailaka raha misy …). Izay tsy mbola manana kosa dia aoka hanangana izany.
5. Rakitra miakatra :
Efatra taona lasa izay dia nentanina isika mba hanao Rakitra miakatra indray mandeha isan-taona isaky ny Fiangonana misy AFAFI-FET mankatý amin’ny Foibe Nasiônaly. Mbola vitsy anefa ireo manatanteraka izany isan-taona. Ka ho an’iny taom-pikatrohana 2014-2015 iny dia ireto monja ireo Diosezy nandray anjara: Antsirabe, Tsiroanomandidy, Moramanga, Antananarivo. Marihina fa misy amin’ireo Diosezy ireo no tsy nahatonga afa-tsy Fiangonana iray ihany. Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena anefa dia ny isan’ny olona manao latsakemboka no hamantarana ny isan’ny mpikambana ara-dalàna.
Mbola sarotra ho antsika anefa hatreto ny manao latsakemboka na « cotisation », ka dia io Rakitra io no hita fa mety, indrindra ho an’ny FET fa ny mpanabe sy ny AFAFI dia afaka manao latsakemboka. Isika rahateo koa anefa tsy maintsy manao adidy eo anivon’ny Fiombonan’ny AFAFI-FET aty Afrika sy Eran-tany ka amporisihin’ny Foibe any Roma hanao izany. Eo ihany koa ny fampandehanan-draharaha eto anivon’ny Foibe Nasiônaly. Io fanaovantsika adidy eo amin’ny sehatra Iraisam-pirenena sy Nasionaly io no ahafahantsika ihany koa avy eo mahazo fanampiana rehefa misy ny Fiofanana Nasiônaly, toy izay nataontsika tany Fianarantsoa farany teo.
6. Tranokalam-pifandraisan’ny AFAFI-FET Madagasikara :
Ho fanatsarana ny tranonkalan’ny AFAFI-FET Madagasikara sy ny Facebook dia isaorana mialoha ny vaovao (indrindra fa ny sary) sy ny sosokevitra avy amintsika.
Izay àry ny hafatrafatra sy ny « Soridalana » ary ny vaovao azo naroso amin’izao fiandohan’ny taom-pikatrohana izao, koa dia manantena fiaraha-miasa bebe kokoa sy tsaratsara kokoa hatrany amintsika rehetra izahay aty amin’ny Foibe Nasiônaly. Ho tahian’Andriamanitra daholo isika rehetra.
- Ho ela velona ao am-pontsika anie i Jesoa !
- Mandrakizay !