Hafatra avy amin’ny Foibe Nasiônaly
« Tompo o, Ianao no manana ny Tenin’ny fiainana mandrakizay » (Jn 6, 69)
An-kafaliana hatrany no iarahabana antsika fianakaviam-ben’ny AFAFI-FET rehetra manerana ny Nosy amin’izao taom-pikatrohana sy taom-pianarana vaovao izao indray. Ny fahasoavan’Izy Tompo anie homba sy hitahy ary hanenika ny fiainantsika lalandava.
Isaorantsika lehibe Andriamanitra nanome antsika iny Taonan’ny Vavaka iny ka nahatrarantsika indray ity Taonan’ny Tenin’Andriamanitra ity. Inoana fa na teo aza ireo fisehoan-javatra nifamahofaho teo amin’ny fiainam-pirenena izay miantraika amin’ny fiainam-pianakaviana sy ny tsirairay mihitsy dia tsy nampiraviravy tanana na nampihemotra antsika ho amin’ny Lalan’ny Fitiavan’i Kristy tsy akory izany, noho ny herin’ny VAVAKA sy ny Finoana ao anatintsika. Fa mitondra «Aina sy Famonjena ho antsika tokoa ny Fivavahana ».
Migadona indray àry ity ny taom-pikatrohana vaovao izay miara-dalana hatrany amin’ny taom-pianarana isan-taona. Vao miandoha anefa izany dia sembanin-drahona sy fahasahiranana ny Firenentsika. Eo ny tsy fahandriampahalemana izay miha mahazo vahana amin’ny faritra maro, na ambanivohitra na an-tanàn-dehibe, ka toa zary very fanahy mbola velona ny vahoaka noho ny afitsoky ny olon-dratsy. Fa etsy an-daniny ihany koa ny valan’aretina pesta izay mihanaka sy mamindra ka mandripaka ain’olona tokoa. Teo ny namoizan’ny Firenena olomanga, dia ny Filoham-pirenena teo aloha, ny Profesora ZAFY Albert; mivavaka ho an’ny fialantsasatry ny fanahiny isika fa nahavita be ho an’ny Firenena izy.
Toa manambara izany rehetra izany fa mila miezaka hatrany isika, indrindra isika Mpanabe, amin’ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora, mba hahatonga azy ireo ho Olom-banona manam-panahy, tia Vavaka, miaina sy mivelona ny Tenin’Andriamanitra ary manao ny Eokaristia ho fiainana, ka haneho sy hampihatra izany eo amin’ny fiainana andavanandro. Mila AFAFI sy FET, ankizy sy tanora ary ray aman-dreny, mijoro sy mandray andraikitra entanim-pinoana sy fitiavana ny Fiangonana sy ny Firenentsika, ka tsy tokony hitazam-potsiny na hiraviravy tanana manoloana ny fahasahiranana misy. Samy manana ny tandrify azy avy ny tsirairay amin’ny fanavotana sy fanarenana ny Firenena. Izany no mariky ny fitiava-namana sy fitiavana ny Tanindrazana.
Toy ny fanao isan-taona, amin’ny fiandohan’ny Taom-pikatrohana toy izao, dia atolotra antsika indray ny Soridalana iombonantsika AFAFI-FET manerana ny Nosy; koa miangavy ny Ekipa na ny Birao Diosezy mba hanao ezaka amin’ny fampielezana sy fampiharana izany hatrany amin’ny Ekipa Fototra sy ny mpikambana tsirairay avy.
JERY TODIKA NY TAONA LASA
Iarahantsika mahalala fa ao anatin’ny telo taona fiomanana amin’ny faha 100 taona niorenan’ny FET eto Madagasikara isika hatramin’ny taom-pikatrohana lasa iny. Taonan’ny Vavaka no niantsoantsika azy, ka niainantsika ny Teny Faneva hoe : « Miambena ianareo ary mivavaha » (Mk 14, 38a). Nohalalinina niaraka tamin’izany ny Evanjelin’i Md Marka sy ny Salamo ary ny Asan’ny Apostoly.
Fitsidihana nataon’ny Foibe Nasionaly : Diosezy 8 no notsidihin’ny Foibe Nasionaly ka saika Fiofanana ho an’ny Mpanabe sy Zaikabe ho an’ny mpikambana no natao tamin’izany. Tamin’ireo Diosezy sy toerana notsidihin’ny Foibe Nasionaly dia toy izao no azo andravonana ny fahitanay ny fampiharana iny Soridalana 2016-2017 iny. Ao ireo Diosezy na ekipa fototra izay azo lazaina fa tena nahatafita tokoa ny fampiainana izany amin’ny mpikambana tsirairay. Hita sy tsapa izany amin’ireo hetsika sy fampianarana atao mandritra ireny fihaonana na zaikabe ireny. Ao kosa ireo nanao ezaka ihany saingy tsy ampy angamba ny fomba nanatanterahana izany, hany ka misy tsy mahalala akory ny maha Taonan’ny Vavaka iny taona iny, ary na dia ny Teny Faneva aza toa tsy fantany akory.
Mahavelom-panantenana kosa ny ezaka ataontsika amin’ny fanorenana ny AFAFI, mihamitombo ireo Fiangonana manangana izany ka mihamaro tahaka izany koa ny isan’ny mpikambana. Toraka izany koa ireo EKA sy AFAFI niroso tamin’ny Fanoloran-tena, dia ahitana taratra ny fandrosoan’ny Fikambanana. Manambara izany fa tena iray tsy mivaky ny AFAFI sy ny FET.
Ny fampielezana ny TPPM: Mampisaotra an’Andriamanitra lehibe ny ezaka vitantsika nandritra iny taona iny ny amin’ny fampielezana ny Vavaka fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina, ao amin’ny Tambajotram-Pivavahan’ny Papa Maneran-tany. Isika AFAFI-FET tokoa mantsy no mpampiely voalohany ny Vavaka Fanolorana ny andro, fa ny Kristianina vita Batemy rehetra kosa no kendrena hivelona sy hiaina azy. Betsaka ireo Fiangonana, Paroasy, Sekoly… no miara-mivavaka manao ny Fanolorana ny andro, iombonam-bavaka amin’ny Papa sy ny kristianina marobe. Toraka izany koa ireo Radiô Katôlika, dia saika miventy ny Fanolorana ny andro avokoa amin’ny vavaka maraina, noho ny ezaka avy amintsika. Isaorana sy ankasitrahana antsika rehetra amin’ny ezaka vitantsika.
Rakitra miakatra: Nahitana ezaka sy fandrosoana ihany koa ny amin’ny Rakitra miakatra fanaontsika isan-taona. Tsy tonga ara-potoana kosa anefa izany araka ny daty napetraka ary misy hatrany ireo Diosezy mbola tsy nandray anjara mihitsy. Ireto kosa ireo Diosezy efa nandrotsaka ho an’ny taona 2017 ity:
Antsirabe, Ihosy, Antananarivo, Tsiroanomandidy, Mananjary, Ambanja, Ambositra, Maintirano, Fianarantsoa (Alakamisy Itenina), Miarinarivo (Amboditanimena), CNECAUM (Fianarantsoa), Moramanga.
Marihina fa havoaka amin’ny gazetim-panabeazana sy amin’ny Taratasim-pifandraisana manaraka ny ezaka vitantsika isan-diosezy.
Tolo-tanana Antsakabary: Niarahantsika nahalala ny voina nihatra tamin’ny kaominina Antsakabary tamin’ny fiandohan’ity taona ity. Nanao ezaka manokana isika ho fanampiana ireo havantsika traboina ireo, noho ny fanentanana nataon’ny Fivondronam-ben’ny Eveka. Misaotra antsika tamin’ny fanohanana, na am-bavaka na ara-pitaovana sy ara-bola. Vola 737.930 Ariary sy vary 50 kg no voangona tamin’izany.
Gazetim-panabeazana (Ny Hafatro sy Firaisankina): Na dia eo aza ny ezaka ataon’ny Foibe Nasionaly amin’ny fanatsarana sy famoahana ny gazetim-panabeazana dia tsy ahitana ezaka firy kosa izany avy amin’ny ankamaroan’ny Diosezy sy ny Ekipa fototra. Marihina eto indray fa anisan’ny fitaovana iray tena mahomby amin’ny fanabeazana ny fampiasana ny gazety noho ireo lahatsoratra sy fampianaram-pinoana mifototra indrindra amin’ny « aim-panahy » maha AFAFI-FET sy maha Katolika antsika ka tsy maintsy ampiasaina. Raha ny tarehimarika etsy ambany no dinihina dia mbola latsaka ambany noho ny isan’ny gazety atonta ny isan’ny fitambaram-ben’ny gazety misy mpamandrika.
Isan’ny natonta:
- Ny Hafatro : 6000 isa
- Firaisankina : 3000 isa
Isan’ny famandrihana:
- Ny Hafatro : 3094 isa
- Firaisankina : 1475 isa
Vokatr’izay dia manjary tara ny fivoahan’ny gazety satria miandry ireo tsy misy mpamandrika ho lany vao afaka mamoaka ny laharana manaraka indray. Tsara ny ahafantarantsika fa miankina amin’ny fahamaroan’ny gazety atonta no mahamora ny vidin’ny gazety sy ny saram-pamandrihana.
>>> Indro ny Soridalana iombonan’ny AFAFI-FET ho an’ny taona 2017 – 2018
FAMANDRIHANA SY FAMPIASANA NY GAZETIM-PANABEAZANA
« NY HAFATRO » SY « FIRAISANKINA »
Tsy mahasasatra ny mamerimberina sy mampahatsiahy eto indray ny tokony sy tsy maintsy hampiasantsika ny gazetim-panabeazana amin’ny fivoriana sy ny fanabeazana omentsika ny ankizy sy ny tanora amin’ny fanabeazana azy ireo. Hatreto mantsy na dia betsaka aza ny fanentanana natao dia hita fa tsy dia maharototra antsika loatra ny mividy na manao famandrihana gazety. Mazàna dia toa fialana andraikitra no ataontsika ka ambarantsika fa ny ankizy no tsy mahavita mividy gazety noho ny tsy fananany vola, kanefa na dia isika Mpanabe aza toa tsy manana na dia gazety iray akory. Misy aza Mpanabe sasany tsy mahalala akory ny fisian’ny gazety AFAFI-FET. Farafaharatsiny mba manana Hafatro iray sy Firaisankina iray isaky ny miseho isika Mpanabe hampiasaina amin’ny fivoriana sy ny fanabeazana ny ankizy.
Entanina mihitsy isika Mpanabe, indrindra ianareo Ekipa na Biraon’ny Diosezy, amin’ny famporisihana ny mpikambana, hatrany amin’ny ekipa fototra ka hatrany amin’ny Ankizy sy ny Tanora tsirairay, amin’ny famandrihana sy fividianana ary fampielezana ny Gazetim-panabeazana. Io no fitaovana entina mampivory sy manabe ny ankizy (Jereo ny Fampianarana sy Fepetra ao amin’ny Torolalana momba ny Dingana). Ao no ampitana ireo fampianarana sy fanabeazana manampy antsika amin’ny fanabeazana. Tsy ho àry ho hita any anaty Bokim-panabeazana daholo mantsy ny rehetra. Entanina toraka izany koa ny fandefasantsika vaovao na fifampizarana haseho ao anatin’ireo gazetintsika ireo.
Efa misokatra ny fanaovana Famandrihana ho an’ny Taom-pikatrohana 2017-2018, koa ho fitsinjovana ny maro dia nahemotra hatramin’ny faran’ny volana Janoary 2018 ny fandraisana famandrihana (abonnement). Tsy miova ny saram-pamandrihana izay miseho in-telo mandritra ny taona iray. Ny HAFATRO: 1400 Ariary isan-taona, FIRAISANKINA: 2200 Ariary isan-taona
TATITRA ISAN-TAONA (taom-pikatrohana 2016-2017)
Araka ny fanentanana sy ny fiangaviana nataonay tamin’ny Taratasim-pifandraisana tamin’ny 18/07/2017 lasa iny dia tokony ho tonga niaraka tamin’ireo solontena nanatrika ny Filankevitra nasionaly natao farany teo ny TATITRA fanao isan-taona. Vitsy dia vitsy anefa ny Diosezy mbola nahatonga izany, koa iangaviana an-tanandroa ianareo tompon’andraikitra (Aomonie, ZAP, Birao na Ekipan’ny Diosezy) mba handefa izany haingana araka izay azo atao; omena fotoana izay mbola tsy nahatonga, hatramin’ny 15 Desambra farafahatarany.
VAOVAO SAMIHAFA
- 15 Avrily 2018: fanandratana ho Olontsambatra an’i Ramose Lucien BOTOVASOA, Martiry.
- 10 – 16 Avrily 2018: fivorian’ireo tompon’andraikitra AFAFI-FET eto Afrika, hatao any Nairobi (Kenya)
- JMJ Mada IX hatao any Mahajanga
- 29-30 Septambra 2018: Andron’ny Lahika hatao any Ambositra
- 03-28 Oktobra 2018: Sinaodan’ny Eveka momba ny tanora hatao any Roma
Eto am-pamaranana àry dia tianay ny manatitrantitra sy manisy tsindrimpeo manokana fa andraikitra sy adidintsika mihitsy ny mampiely araka izay azo atao ny Soridalana iombonan’ny AFAFI-FET manerana ny Nosy. Tokony tsy hisy na dia ekipa fototra iray aza tsy hahalala ny votoatin’ny Soridalana, indrindra moa amin’izao fiomanam-panahy mankany amin’ny faha 100 taonan’ny FET izao.
Mirary soa ho antsika rehetra amin’ny asa masina iantsorohantsika. Ho ambinin’Andriamanitra amin’ny atao rehetra.
Ho ela velona ao am-pontsika anie i Jesoa! Mandrakizay! AFITEMA!
Ny Aomonie sy ny Ekipa Nasionaly
Odon ANDRIANARISOA sj
>>> Indro ny Hafatra avy amin’ny Fivondronamben’ny Eveka