Ry FET malala, aza atao tsirambina ny fivoriana !
Zava-dehibe ho an’ny FET ny fivoriana ka tsy tokony ho atao ambanin-javatra. Mbola maro amintsika anefa no tsy mahatsapa ny lanjan’io fivoriana io.
Maro ireo fihetsika maneho ny tsy fahatakarantsika ny hasarobidin’ny fivoriana :
– rehefa misy zavatra mahafinaritra sy mahasoa toy ny « excursion », ny fety, sns dia mody tonga mivory, fa rehefa kamo dia tsy hita mihitsy mandritra ny fotoana maro. Tsy nisy antony mazava anefa ny tsy fahatongavana ;
– miala any an-trano hamonjy fivoriana, kanefa lalan-kafa no aleha ;
– tara lava rehefa mivory ary indraindray aza, efa hirava ny ekipa vao tonga ;
– miala mialohan’ny ora firavan’ny fivoriana, ary tsy milaza ny antony amin’ny mpanabe ;
– tsy mitondra kahie mandritra ny fotoana hivoriana ;
– tsy mihaino izay voalazan’ny mpanabe, fa variana manao sary, milalao finday, miresaka amin’ny namana, mivoaka lava…
– mananihany na migafy ny mpanabe sy ny namana
– Sns
Ohatra ihany ireo, fa ianareo angamba mbola mahita maromaro e !
Tsarovy anefa, fa ireo zavatra voalaza rehetra ireo dia mety hitarika antsika sy ireo namantsika tsy ho tamana amin’ny fikambanana. Raha tsy mahatsapa mantsy isika, fa mitondra soa ho antsika amin’ny fahitana an’i Jesoa ny fifampizarana atao mandritra ny fivoriana, dia toa mandeha an-jambany ihany ny fiainantsika.
Aza atao an-tsirambina àry ny fivoriana, fa efa nosafidianao ny hirotsaka ho anisan’ny FET, hiray aina amin’i Jesoa Kristy sy hanao asam-pamonjena.
Mety ho solafaka isika indraindray na ho tojo fahakiviana, kanefa ankino amin’i Jesoa izay tebitebinao rehetra ary mazotoa mamaky ny Tenin’Andriamanitra sy mandray ny Eokaristia ary mamonjy ny fitsaohana ny Sakramenta Masina ; dia ho tsapanao marina fa i Kristy no efa niantso anao.
Tadidio anefa fa maro ny tombontsoa azo avy amin’ny fivoriana, ka diniho kely ange izany rehefa mivory ianareo e! Dia mba anjaranareo indray no mandefa izany aty aminay.
Ny ENKA