Fivahiniana masina any Ambiatibe : 23, 24, 25 oktobra 2015
« Aleoko miara-ory amin’ireto ondriko ireto » Md Jacques Berthieu
Faha III taona nananganana olomasina an’i Md Jacques Berthieu.
Zoma 23 oktobra
Lalan’ny Hazofijaliana
7 ora 30 : Fiaingana avy ao Analamahitsy ho any Ambohibemasoandro
10 ora : Fitsofan-dranon’ireo rayaman-dreny, Eokaristian’i Md Jacques Berthieu
11 ora 30 : Fiaingana ao Ambohibemasoandro
5 ora 30 : Fitsofan-drano ny mpivahiny sy ny fotodrafitrasa ao Mananara
Asabotsy 24 oktobra
Fanamasinana ho pretra
8 ora : Fampahafantarana ireo distrika misionera zezoita
9 ora 30 : Eokaristia fanamasinana ho pretra an’i D. Randriamiarana Radonirina Antonio
1 ora : Sakafom-pifaliana miaraka amin’ireo nasaina
4 ora : Lalan’ny hazofijaliana avy ao Ambohitra makany Mananara
8 ora : Alim-bavaka sy fampiasam-panahy
Alahady 25 oktobra
Eokaristia fankalazana fahatelo taona, voady farany ary jobily
4 ora : Lamesa fahatsiarovana an’i Md Jacques Berthieu
8 ora : Katesizy : « Md Jacques Berthieu sy ny katekista »
10 ora : Eokaristia fankalazana ny faha III taona…voady farany ary jobily
12 ora : Sakafom-pifaliana