Fiomanam-panahy JMJ Mada IX
TSATILAKRI !
Efa nanomboka tamin’ny novambra 2017 ary hifarana amin’ny volana jolay ny vavaka hasiviambolana ho fiomanam-panahy ho amin’ny JMJ Mada IX. Mbola tsy tara raha toa ka mbola tsy nanao isika.
Ireto avy no tsara ho fantatra :
- Samy manao izay vavaka tiany hasandratra amin’Andriamanitra ny diosezy sy ny fikambanana masina tsirairay (oh: Raozery, Adoration, vavaka tora-po, sns). Mialoha ny hanatontosana io vavaka io no hanononana ny hanolorana azy isam-bolana (jereo eo ambany)
- Faranana amin’ny fanirian’ny Papa Ray Masina ny vavaka: Rainay 1 – Arahaba ry Maria 3 – Voninahitra 1
Mifanindran-dalana amin’ny vavaka ataontsika dia tsara raha halalinintsika ny tantaran’ireo Olomasina sy Olotsambatra mpiaro ny JMJ MADA IX ary ezahantsika alain-tahaka. Samy miezaka mitrandraka ny tantara isika ary mitady ny fomba hanamparitahana izany.
Vavaka hasiviambolana :
- Novambra : Ho an’ny marary (peste, hépatite B)
- Desambra : Ho an’ny tanora voafonja sy mijaly
- Janoary : Ho an’ny fandriampahalemana
- Febroary : Ho an’ny tanora miomana amin’ny fanambadiana kristianina sy ho toka-tena
- Martsa : Ho an’ny tanora miomana ho pretra sy ho relijiozy
- Aprily : Ho an’ny tanora diso lalana (mpivaro-tena, dahalo, mpangaro-paosy, sns)
- Mey : Ho an’ny tanora mandray andraikitra : eo anivon’ny fianakaviana, fiangonana sy ny firenena
- Jiona : Ho an’ny tanindrazana (firenena malagasy)
- Jolay : Ho an’ny tanora andalam-pianarana sy tsy an’asa
Olomasina halalinina sy halain-tahaka:
- Novambra : Olts Jean Beyzym, Mb Mère Thérésa
- Desambra : Mb Bakhita, Md Jean Bosco
- Janoary : Masina Maria, Mb Faustine
- Febroary : Olts Victoire Rasoamanarivo
- Martsa : Mb Terezin’iJesoa Zazakely
- Aprily : Md François d’Assise, Lucien Botovasoa,
- Mey : Md JoanyPaoly II
- Jiona : Md Vincent de Paul, Md Jacques Berthieu
- Jolay : Olts Rafiringa, Olts Laura Vicuna,